Toko faha 11

1 Dra ho Yaveah tamin'i Mosesy :''Bo misy areti-mamono raiky zay ho andesiko amin'i Farao vo i Egypta.Tafaran'izay, dra hagnenga andrareo handeha hiala eto izy.Raha mamela andrareo izy gny farany, dra handroaky andrareo tateraky . 2 Toroy lala gny vahoaky fa gny lelahy vo gny ampela aby dra hangataky firavaky volafosy vo firavaky volamena amy mpiray vodi-rindrina aminazy. 3 Dra nataon'i Yaveh nila fitia tamin'ereo Israelita gny Egyptiana.Dra koa, Mosesy dra gny lelahy tena nahatandre teo amason'ereo mpanompon'i Farao vo reo vahoakin'i Egypta. 4 Ho Mosesy ho:''Zao gny zakan'i Yaveh :'Magnodidy gny sasak'aly dra hamakivaky an'i Egypta zaho. 5 Reo lahimatoa aby ao amy tany Egypta dra ho maty, manpmboky amy lahimatoan'i Farao, zay mipetraky eo a,y seza fiandrianany, ka hatraminigny lahimatoa gny mpanompo vavy zay ao ambaliky gny fikosoham-bary milisa zay,dra hatraminigny volohan-teraky gny biby fiteza aby. 6 Dra hisy fidradradradra lahibe manera gny tany Egypta aby, zay sy bo nisy tahaky zay dra sy hisy zay sasy. 7 Fa na dra gny haboa aza dra sy hivovo na amin'iza na amin'iza amy vahoakin'Israely,na amy olo na amy boby.Aminizay fomba zay gny hahafataranao fa samy hafa gny fitondrako gny Egyptiana vo gny Israelita.' 8 Reo mpanomponao aby,ry Farao, dra hizoso atiho aminahy dra hiankohoky ato aminahy.Hizaka izy reo ho:''Mandehana , ianao vo reo vahoaky zay magnaraky anao!;Tafaran'izay dra hiboaky zaho.''Dra niboaky tao amin'i Farao tamim-pahoria fatrasy izy. 9 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Sy hiteno anao i Farao.Zay dra ba hanovako raha-mahalasa maro eo amy tany Egypta.'' 10 Nataon'i Mosesy vp i Arona teo anoloan'i Farao reo fahagaga aby reo. Fa i Yaveh nagnamafy gny fon'i Farao, ka sy namela gny vahoakin'Israely niboaky gny taniny i Farao.