Toko faha 10

1 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho :''Mandehana agny amin'i farao, fa nohamafisiko gny fony vo gny fon'ereo mpanompony. nataoko zay ba hanehoa reo famatara gny heriko eo amin'ereo. 2 Nataoko avo koa zay ba hagnambaranao amin'ereo zanakao vo zafikelinao zay raha vitako , gny hamafiny gny fomba nandesako an'i egypta, vo gny fomba nagnomezako famatara gny heriko isan-karazany teo amin'ereo.aminizay fomba zay gny hahafataranao fa zaho gny Yaveh.'' 3 koa dra nagnagny amin'i Farao i Mosesy vo i Arona ka nanao taminazy ho:''Yaveh, gny Agnaharin'ereo Hebreo, dra nizaka anizao:''Hafiria gny handravanao sy hanendry gny vatanao eo anatrahako?Angao andeha gny oloko ba hanompon'ereo anahy. 4 Fa raha manda sy handefa gny oloko ianao, dra ingo, hahavy valala agny amy taninao zaho maray. 5 Handrakoky gny tany aby reo ka sy hisy afaky hahita gny tany.Hihina anizay sisa nangany havandra reo.Hihina gny hazo aby egny antanimboly zay mirisy ho anao avo koa reo. 6 Hameno reo tragnonao, vo gny tragnon'ereo mpanomponao, dra gny an'ereo Egyptiana aby reo-raha sy bo fahita draiky hatraminigny andro naha-teto agnabony gny tany anazy reo ka hatramin'izao.'''Laha teo dra lasa Mosesy ka niala teo amin'i farao. 7 Ho reo mpanompon'i Farao taminazy ho:''mandraky ombia io lelahy io gny ho fampitahora ho asika ?Angao andeha reo Israelita ba hanompoan'ereo an'i Yaveh Zagnaharin'ereo.Sy bo hitanao fa rava se Egypta?'' 8 Dra nandesiny tagny amin'i Farao draiky Arona vo i Mosesy, zay nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana manompo an'i Yaveh Zagnaharindreo .Fa iza aby reo olo handeha?'' 9 Ho Mosesy ho:''Handeha hiaraky amy tanora vo gny antisy zahay, miaraky amy zanadahiny vo zanakapelanay. Handeha hiaraky amin'ereo agn'ondry vo osay vo agn'ombinay zahay, satria sy maisy manao foravoravoa ho an'i Yaveh.'' 10 Ho i Farao tamin'ereo ho:''Homba andrareo tokoa anie i Yaveh, raha handefa andrareo vo gny zanakindrareo zaho.Ingo,mana sai-drasy iandrareo. 11 Aha!Mandehana, gny lelahy eo amindrareo avo, ka manompoa an'i Yaveh, satria ze gny taliavindrareo.''Dra nandesiny niboaky teo anatrehan'i Farao i Mosesy vo i Arona. 12 Dra ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Ahijiro amy tanin'i Egypta gny tagnanao ho an'ereo valala, ba hanafihan'ereo gny tanin'i Egypta ka hihina raha-masiry ao aminizay, gny raha aby zay sisa sy toro gny havandra.'' 13 Dra nanondrosy gny tehiny tamy tanin'i Egypta i Mosesy, ka ninday sioky laha tagny asignana tamy tany Egypta i Yaveh nandrisy gny andro vo hariva igny.Nony maray, dra nandesiny sioky laha tagny asignana reo valala. 14 Nandeha nanera gny tany Egypta raiky manotolo reo valala ka nagneniky gny farisy aby tao aminizay.Sy bo nisy andiam-balala tahaky zay tao amy tany taloha, dra sy hisy raha tahaky itio ho avy afarany. 15 Nandrakosy gny tany raiky manotolo reo ka mezy gny tany.Nohanin'ereo avo koa gny raha-misiry tao amy tany vo gny tegnan-kazo aby tegny amy hazo zay sisa nangany havandra.Nanera gny tany Egypta manotolo, dra sy nizy tafapetraky na raha -meso, na hazo na raha-misiry tegny antanimboly. 16 Laha teo i Farao dra nampitoka malaky an'i Mosesy vo Arona ka nanao ho:''Nanota tamin'i Yaveh Zagnaharindreo vo tamindrareo zaho. Koa amizao,mamela gny heloko amin'izao fotoa zao;dra mivavaha amin'i Yaveh Zagnaharindreo ba hagnalany aminahy itiho fahafatesa itiho.'' 18 Koa niboaky laha tao amin'i Farao i Mosesy dra nivavaky tamin'i Yaveh. 19 Ninday rioky mahery vaiky avy agny andrefa i Yaveh zay ninday reo valala ka namary reo ho agny amy Ranomasy Mena;sy nisy na dra valala raiky avo tavela tao amy fari-tanin'i Egypta aby. 20 Fa nohamafisin'i Yaveh gny fon'i Farao, ka sy nangan'i Farao handeha reo Israelita. 21 Dra ho I Yaveh tamigny Mosesy ho: ''Ahizoro magnagny amigny lagnisy gny tananao, mba hisy ezy eo amigny tany Egypta, mezy zay azo sapa.'' 22 Nanondrosy gny tagnany nagnagny amin'i Lagnisy Mosesy, ka dra nisy hezy matevy teo amy tany nanera an'i Egypta nandrisy gny telo andro. 23 Sy nisy nifakahita gny olo;sy nisy niboaky tao antragnony nandrisy gny telo andro.Kanefa,nana fahazava koa reo Israelita teo amy toera nipetrhan'ereo. 24 Nampitoka an'i Mosesy i Farao nanao ho:''Mandehana manompo an'i Yaveh. Afaky mandeha miaraky aminao na gny fianakavianao aza, fa reo agn'ondry vo osinao vo reo agn'omby koa dra sy maisy hazano.'' 25 Fa ho Mosesy ho:''Sy maisy homenao biby atao soro vo fagnatisy dora avo koa zahay ba hanovanay anazy reo ho an'i Yaveh Zagnaharinay. 26 Sy maisy miaraky aminay avo koa reo biby fitezanay;ka sy hisy hanga na dra hitro raiky amin'ereo aza,fa sy maisy andesinay hanompoa an'i Yaveh Zagnaharinay reo.Satria sy fatanay hoe amy ino gny sy maisy hanompoanay an'i Yaveh mandraky ombia agny. 27 Fa nohamafisin'i Yaveh gny fon'i Farao, ka sy hangnenga anazy reo andeha izy. 28 Ho Farao tamin'i Mosesy ho;''Miala aminahy!Fa mitandrema amy raha raiky, dra gny sy hahitanao anahy sasy, satria amy andro hahitanao gny tavako, dra ho maty ianao.'' 29 Ho Mosesy ho:''Voazakanao mihisy. Sy hahita gny tavanao sasy zaho.''