Toko faha 4

1 Nofa fatas'i Mordekay ze fa vita aby, dra nirovitiny gny akazo dra nitafy lamba fandala sady nihoson-davenoky izy. Nandeha niboaky teo agnivon'gny tana izy, dra nihiakiaky vo nidradradradra fatrasy. 2 Avy lavisy teo amin'gny vavahadin'gny pazaka avo izy, akory sy nisy olo nahazo alala andeha eo amin'izeho mindray amin'gny akazo fandala. 3 Dra tagny amin'gny farisy aby, ndre teza ndre teza avin'gny beko vo lalagnan'gny pazaka, dra nisy fandala lahibe teo amin'ireo Jiosy, nindray tamin'gny fifadihan-kany, fitomagnia, vo fitaraigna. Maro amin'ereo gny nandry teo amin'gny lamba fandala amin-davenoky. 4 Nofa avy gny ankizivavin'i estera vo reopanopony dra nizaka taminazy, dra nalahelo fatrasy gny pazaka vavy. Nandefa fitafy hapiakazoa an'i Mordekay izy (so afahany mangalaky akazo fandalany), fe sy hagneky reo izy. 5 Bokeo estera nitoka an'i Hataka, raiky amin'ireo sindranolahin'gny pazaka ze nitendre hanopo anazy. Nibeko anazy so handeha agny amin'i Modekay izy so hahafatara ze nitranga vo ze anton'izeho. 6 Noho zeho dra nagnagny amin'i Mordekay agny amin'gny tana eo agnoloan'gny vavahadin'gny pazaka i Hakata. 7 Nizakan'i Mordekay taminazy ze iaby nitranga taminazy, vo gny fitambaran'gny volfosy ze napagnatenan'i Hamana haloa vo hapetraky ao amin'gny tragno fitahirizan'gny oazaka koa so hamonoa reo Jiosy. 8 Nomeny anazy koa gny dika mitovy tamin'gny lalagna ze naboaky tagny Sosana gny amin'gny fagnapoteha gny Jiosy. Nahiny zeho so ahafahan'i Hataka mapiseho anizeho amin'i Estera, vo bo hagnamezany anazy gny andrekisy amin'gny fandehana agny amin'gny pazaka so hitalaho gny fankasitrahany, vo hitalaho aminazy amin'gny agnaran'gny vahoakiny. 9 Koa dra nandeha i Hataka dra nizaka tamin'i Estera ze nizakan'i Mordeksy. 10 Bokeo Estera niresaky tamin'i HAtaka dra nizaka taminzay so hihery agny amin'i Mordekay. 11 Ho izy ho: "Fatas'ireo panopon'gny pazaka aby vo gny vahoakin'ireo pazaka agny amin'gny farisy fa no misy lelahy na apela magnagny amin'gny pazaka ao agnatin'gny kianza fe sy napitokavy, dra misy lalagna raiky avo: dra gny hamonoa anzay ho faty--- ankoas'ize tondroin'gny pazaka amin'gny tehim-bolamena so afahany ho velo. Sy nitokavy hagnagny amin'gny pazaka zaho ze telopolo andro zay." 12 Noho zeho dra nitaterin'i Hataka tamin'i Mordekay reo zakan'i Estera. 13 Nandefa zeho hafasy reho i Mordekay ho: "Sy tokonu hieriserisy hanao fa ao amin'gny lapan'gny pazaka, gny afahaniha mihoasy noho reo Jiosy hafa aby. 14 No misigny hanao amin'izehho fotoa zeho, dra hisy fagnafaha vo famonze hiseho amin'ireo Jiosy agny amin'gny toera hafa, fa hanao vo gny tragnon'gny raniha koa ho ripaky. Ia gny mahay no ho amin'gny fotoa manahaky anizeho gny nahavianiha ho amin'gny toera maha-pazaka?" 15 Bokeo Estera nandefa zeho hafasy zeho tamin'i Mordekay ho: 16 "Mandehana avorio hindray gny Jiosy aby ze mitoboky agny Sosana, dra mifadia hany ho anahy. Ka mino na mihina mandrisy gny telo andro, hariva vo andro. Zaho vo reo ankizivaviko avo koa dra hifady hany manahaky anizeho. Bokeo zaho handeha agny amin'gny pazaka, ndre dra mandika lalagna aza zeho, vo no maty zaho, dra maty." 17 Lasa Mordekay dra nanao araky ze iaby nizakan'i Estera anazy bo hahy.