Toko faha 9

1 Fa i Saoly, dra b nizaka fandrahogna avo eh fa dre hatramigny famonoa manohisy reo pianasy gny Topo aza, nandeha tagny amigny pisorom-be 2 dra nagnotany anereo taratasy ho anireo Synagoga tao Damaskosy, dra gny mahita na iza na iza eo amigny lalany izy, na lelahy na apela, dra anesiny hifehy agny a Jerosalema agny ereo. 3 Raha bo nandeha izy, dra izao gny nitranga gny fa avy teo agnilan'i Damaskosy izy, tapoky teo dra nisy hazava namirapirasy nagnodidy anazy boakagny andagnisy agny; 4 dra nezera tamigny tany izy dra nahare feo nizaka taminazy ho: "Saoly, Saoly , nagnino hanao magneziky anahy io?" 5 Saoly namaly ho: "Iza hanao io, Topoko?" Hoy gny Topo: "Zaho gny Jesosy ze azehinao io, 6 fa misangana, milira ao amigny tana, dra ho zaka aminao ze sy maisy hataonao." 7 Gny lelahy ze niara-dia tamin'i Saoly dra nizoro sy nahazaka, nahare gny feo, fa sy nahita an'iza na iza. 8 Nisanga i Saoly, dra gny fa nanokaky gny masony izy, dra sy afaky nahita na ino na ino izyyy; dra nitataran'ereo tamigny tanany izy dra nandesy tagny Damaskosy. 9 Sy nahrasy izy nandrisy gny telo andro, dra sy nihina izy no sady sy ninorano. 10 Sea nisy pianasy tao Damaskosy atao i Ananiasy zay. Nizaka taminazy tamigny fahita gny Topo: "Ananiasy!" Hoy izy: "Ingo, tiky zaho, Topo." 11 Nizaka taminazy gny Topo: "Misangana, dra mandehana agny amigny lala ze atao ho i Mahisy zay, dra gny fa ao atragnon'i Jodasy dra mangataha amigny lelahy boak'agny Tarsosy atao ho i Saoly, fa mivavaky izy. 12 Fa nahita tamigny fahita gny fihavianigny olo atao ho Ananiasy ereo hametraky gny tagnany eo aminazy, dra mety hahita ndraiky izy." 13 Fa namaly Ananiasy ho: "Topo, fa nahare tamigny maro momba io olo io zaho, mahakasiky gny rasy nataony tamigny olonao masy tao Jerosallema. 14 nana fahefa tamireo lohanigny pisoro izy dra hana,bosy ze mitoka gny agnaranao eto." 15 Mandehana, fa izy dra fitova nifiliko, ba hinday gny agnarako eo anoloanigny Jentilisa vo reo pazaka dra gny zanak'Israely; 16 fa hasehoko anazy ho ino gny fizaliany noho gny amigny agnarako." 17 Dra lasa i Ananiasy, dra nilisy tao amigny tragno. Nametraky gny tagnany teo aminazy, dra nizaka izy ho: "Rahalahy Saoly, gny Topo Jesosy, ze niseho taminao tegny an-dalan'aby nagnatiky hanao, gny nandefa anahy tatiky ba mety hahiratanao dra ho feno gny Fagnahy Masy." 18 Teo no ho eo dra raha manahaky gny kira-trotro gny niendaky avy hatragny teo amigny mason'i Saoly, dra nahirasy izy; nisanga izy dra natao batisa; 19 dra nihina izy dra nahazo hery. Nipetraky niaraky tamireo pianasy tao Damaskosy nandrisy gny andro maro izy. 20 Avy hatragny dra nitalily an'i Jesosy tao amigny Synagoga izy, nizaka fa Izy gny Zanan'Agnahary. 21 Ze nahare anazy dra gaga dra nizaka ho: "Sy io olo io ra gny namono reo tagny Jerosalema ze nitoka tamin'io agnara io? Avy teto izy ba hangalaky anereo ho fahe ho agny amigny pisorom-be." 22 Fa lasa nihanahery i Saoly, dra napasiaky gny Jiosy ze noni tao Damaskosy dra nagnaporofo fa Jesosy gny Kristy. 23 Tafaranignyy andro maromaro, nindray nanao drafisy ba hamono anereo Jiosy. 24 Fa lasa fatras'i Saoly gny tetik'ereo, Dra nandigny gny vavahady andro amn'aly ba hamono anazy ereo. 25 Fa nangalaky anazy tamigny hariva reo pianany dra nagnenga anazy hizoso tamigny rindry, napizoso anazy tao agnaty horogna. 26 Gny fa avy teo Jerosalema izy, dra nagnandra gny hagnato reo pianasy i Saoly, nefa natahosy anazy aby reo, sy nino fa pianasy izy. 27 Fa nangalaky anazy i Barnabasy dra nanday anazy teo amireo Apostoly, dra nizaka tamireo izy ho ino gny nahitan'i Saoly gny Topo tegny aminazy, dra ino gny nitorian'i Saoly apahasahiragna tamigny agnaran'i Jesosy tao Damaskosy. 28 Nihao tamin'ereo izy gny fa nilisy dra niboaky an'i Jerosalema. Nizaka apahavania tamigny agnaran'i Jesosy Topo izy 29 dra nialy hevisy niaraky tamireo Jiosy Grika; nefa bo niezaky gny hamono anazy avo ereo. 30 Gny fa fatas'ireo rahalahy zay, dra nandesin'ereo nizoso tagny Kaisaria izy dra nalefany ho agny Torsosy izy. 31 Dra boak'eo, gny fengona nanera an'i Jodia aby, Galilia, dra Samaria nana fendagna dra voaory; dra, nandeha tami-tahosy gny Topo vo tamigny fapionognanigny Fagnahy Masy, dra nitombo isa gny fengona. 32 Dra avy zayamizao, raha nandeha nanera gny farisy manotolo Petera, dra nandeha nizoso tagny amireo pino ze nipetraky tao amigny tanan'i Lyda avo koa izy. 33 Nahita olo atao i Aenasy zay tao izy, ze fa teo apandriany nandrisy gny valo tao, akory nalemy izy. 34 Petera nizaka taminazy ho: "Aenasy, magnasitrany anao Jesosy Kristy. Misangana dra amboaro gny fandrianao," dra niaraky tamizay dra nisanga izy. 35 Fa ze nipetraky tao Lyda vi tao Sarona aby dra nahita gny lelahy dra nitoliky tamigny Topo ereo. Dra nisy pianasy raiky atao ho Tabita tao Joba, ze adika ho: "Dorkasy." Nanao asa soa maro io apela io dra nanao fagnapia feno asa fiatra ze nataony ho anigny mahatra. 37 Tamireo andro reo dra narary izy dra maty; gny fa nanasa anazy ereo, dra napetran'ereo tao amigny efitragno agnabo izy. 38 Akory fa nagnariny an'i Lyda i Jopa, dra nahare reo pianasy fa teo Petera, dra nandefa olo rolahy tao aminazy ereo, niangavy anazy: "Mevia aminay agny sy misy hatak'andro re." 39 Nisanga Petera dra nandeha niaraky tamin'ereo. Gny fa avy izy, dra ninday anazy tao amigny efisy agnabo ereo. dra gny pitondrategna aby nisanga teo agnilany nitomagny, naneho anazy akazo vo gny lamba ze nataon'ireo Dorkasy gny bo izy niaraky tamin'ereo. 40 Nalefan'i Petera tagny ivelanigny efisy ereo aby, nandohaliky, dra nivavaky; boak'eo, nitoliky tamigny razany, nizaka izy ho: "Tabita, misangana." Dra nanokaky gny masony izy boak'eo, dra nahta an'i Petera izy dra niary. 41 Boakk'eo nanolo-tagna anazy Petera dra nananga anazy; dra gny fa nitoka reo pino vo reo pitondra tegna izy, dra nasehony tamin'ereo gny fahavelomany. 42 Lasa fatasy nanera an'i Jopa aby zay raha zay, dra olo maro gny nino gny Topo. 43 Tamizay Petera dra nipetraky andro maromaro niaraky tamigny lelahy raiky atao i Simona tao Jopa, ze pandoko hodisy.