Toko faha 25

1 Amizao, Festony nilisy tao amigny farisy, vo telo andro tafara atiky, dra niakasy boak'ao Kaiisaria izy hagna Jerosalema agny. 2 Gny lohanigny pisoro vo reo Jiosy mana-kaza dra niiinday hasiaha an'i Paoly, dra napirisiky anazy 3 vo nangataky taminazy ereo ba hapidi-doza an'i Paoly_dra mety hapiaso an'i Paoly ho agny Jerosalema Festosy ba afahan''ereo mamono anazy egny andala. 4 Kanefa Festosy namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, dra izy vatany dra hihery agny sy ho ela. 5 "Noho izay, reo ze afaky," hoy izy: "dra tokony handeha hiaraky aminay ho agny. Gny fa nanao raha sy mety gny lelahy, dra tokony hiapanga anereo handrareo." 6 I Festosy dra sy nizano nihoasy gny valo-polo andro dra boak'eo nizoso nagnagny Kaisara, dra gny andro magnaraky dra nipetraky teo amigny toeranigny fiseragna izy dra nandidy an'i Paoly ba handesy agny aminazy. 7 Gny fa avy izy, dra nipetraky teo agnilany teo gny Jiosy boak'agny Jerosalema, dra ninday fiapanga lahibe maro ereo ze sy afaky niporofon'ereo. 8 Niaro-tegna i Paoly vo nizaka ho: "Sy nanao raha rasy manohisy gny lalanigny Jiosy zaho na manohisy gny tepoly na manohisy an'i Kaisara." 9 Fe seky nitalia ze ahazoa gny fahasitrahn'ireo Jiosy i Festosy, dra noho izay dra namaly an'i Paoly izy dra nizaka ho: "Te-hiaka ho agny Jerosalema ra hanao dra ho sarako momba gny raha tagny reo? 10 Hoy Paoly ho: "Misangana eto nognoloanigny seza fisaran'i Kaisara zaho ze sy maisy hisara anahy. Sy nanao rasy gny Jiosy zaho, araky gny fa fatasao soa. 11 Kanefa gny nanao rasy zaho dra raha nanao ze mendriky gny fahafatesa, dra sy manda gny ho maty. Fa gny sy misy reo fiapangan'ereo, dra sy misy olo afaky minday anahy ho agny amin'ereo. Mangataky an'i Kaisara zaho." 12 Gny fa boaky nizaka tamigny fila-kevisy Festosy, dra namaly izy ho: "Nangataky an'i Kaisara hanao. Agny amin'i Kaisara gny handehanano. 13 Dra tafaranigny andro visivisy, dra avy tamin'i Kaisara i Agripa pazaka vo Berenika ba hamangy an'i Festosy. 14 Tafaranigny naha tao anazy nandrisy gny andro maro, dra natolos'i Festosy teo amigny pazaka gny raharahan'i Paoly; nizaka izy ho: "Nisy lelahy raiky nangan'i Felix atiky manahaky gny gadra. 15 Gny fa tagny a Jerosalema zaho, dra ninday fiapanga ty lelahy tihoky taminahy atiky reo lohanigny pisoro vo reo loholonigny Jiosy, dra nangataky zaka fahasiaha ho anereo reo. 16 Namaly anereo zaho fa sy fombanigny Romana gny manolosy olo melohanigny hiatrehany reo piapanga anazy vo hanagnany fahafaha hiaro-tegna amireo fiapanga. 17 Noho izay, gny fa nindray avy teto ereo, dra sy nandigny anahy, fa gny andro magnaraky dra nitoby teo amigny sezanigny fisara zaho dra nibaiko gny hapidira gny lelahy igny. 18 Gny fa nisanga reo piapanga dra nagnameloky anazy, dra niheveriko fa sy nisy goava gny fapianga nandesin'ereo ho anazy. 19 Fa nifamaly ereo mahakasiky gny fivavahan'ereo manoka vo momba anizay Jesosy ze maty zay, ze zinakan'i Jesosy ze maty zay, ze nambaran'i Paoly gny fa velo. 20 Sy azoko atoko gny fomba hagnadihadia ty tranga tihoky, dra noho zay dra nagnotaniako izy vasa vonona gny ho agny Jesosalema ba ho sara agny momba gny fiapanga reo. 21 Fa gny fa nangataky gny hizagnogna ao apoza ba handigny gny fanapaha-kevisy gny Aperora i Paoly, dra nandidy anazy zaho ba ho tana ao apoza izy mandra-pandefasako anazy agny amin'i Kaisara." 22 Agripa nizaka tamin'i Festosy ho: "Te-hahare ty lelahy tihoky avo koa zaho." Maraindray, " Hoy Festosy: "Hahare anazy hanao." 23 Dra gny andro magnaraky, dra avy niaraky tamigny lanona marobe Agripa vo Berenika; nagnao amigny efitragno lahibe niaraky tamireo maramila pifehy vo reo lelahy manan-kaza teo amigny tana ereo. Gny fa nizaka gny lily Festosy, dra nandesin'ereo i Paoly. 24 Hoy Festosy ho: "Agripa pazaka, vo handrareo lelahy aby ze miaraky aminay eto, hitandrareo ty lelahy tihoky; reo vahoakinigny Jiosy aby nifagnaraky taminahy tagny a Jerosalema vo eto avo koa, dra nitaray taminahy ereo fa sy tokony ho velo sasy izy. 25 Fataro fa sy nanao na ino na ino mendry gny fahafatesa izy; fa akory nangataky gny Aperora izy, dra nanapa-kevisy zaho gny handefa anazy. 26 Fe seky sy misy raha manan-daza ho soratiko agny amigny Aperora. Noho izay atony zay, dra nandesiko teo amindrareo izy, indrindra aminao, Agripa Pazaka, ba afahako mana raha ho soratiko bebe kokoa momba gny raharaha. 27 Akory ho sy mety aminahy gny mandefa gadra vo sy mizaka ze hiapa anazy koa.