Toko faha 9

1 Mahasiky gny asa fanopoa ho agny mpino, sy tena taliaviko gny manorasy ho andrareo. 2 Fatako gny momba gny fagniriandrareo, ze hiresahako amin'gny olon'i Makedonia. Nizakako anazy reo fa Akaia dra fa vonona nanomboky tamin'gny tao lasa. Gny zotom-pondrareo gny nanosiky gny akamaroan'ereo hiasa. 3 Dra nirahiko gny rahalahy ba sy ho raha-fahatany gny fireharehasika momba andrareo, dra ba ho vono andrareo, araky gny fa nizakako ho andrareo. 4 Raha sy zay, raha misy Makedonia maro miaraky aminahy dra mahita andrareo bo sy vonona, dra ho megnasy isika-sy mizaka dre ino dre ino bo andrareo zaho-noho gny fahatokia andrareo. 5 Dra mieriserisy zaho fa taliavy gny mampirisiky reo rahalahy hagnagny aminao dra hanao fifagnaraha mialoha gny amin'gny fagnomeza fa nampanatatenao. Zay dra ahafaha mivonona manahakay gny fitahia , fa sy manahaky gny raha sy azo eke. 6 Gny tena izy dra itiho: Gny raiky ze mamafy kely dra hiziza gny kely avo koa , dra gny raiky ze mamafy amin'gny tazom-pitahia dra hanapaky gny fitahia avo koa 7 Angao gny kirairaiky hagnome araky ze fa nirafetiny tao am-pony. Ka anga magnome fahoria na faneritere izy. Fa gny pagnome am-pifalia gny tian'Agnahary. 8 Dra Zagnahary dra afaky mampitombo gny fitahia ho anao, ba ,amin'gny raha iaby, dra afaky hahazo ze taliavindrareo iaby mandrakariva iaignadrareo. Zay gny misy dra ba ahafahandrareo magnatombo gny asa soa andrareo. 9 Zay dra araky gny voasorasy ho: ''Nizarany reo hanagnany dra nagnome anazy io ho agny mijaly. Maharisy mandrakizay gny fahamarinany.'' 10 Izy zay mamasy tegnany ho agny mpamboly ze mamafy vo gny mofo ho agny sakafo, dra hamasy vo hampitombo gny voanao avo koa ho amin'gny famafaza. Hampitombo gny vokasy gny fahamarinanao izy. 11 Hahazo harena amin'gy fomba aby anao ba hahavy anao ho malala-tagna. Zay dra hinday fanehoam-pisaora an'Agnahary amin'gny alalanay. 12 Gny fanatateraha io asa fanopoa io dra sy vitan'gny mahafeno gny raha taliavin'gny mpino avo . Mitombo avo koa zay amin'gny asa fagnomezam-pisaora an'Agnahary maro. 13 Fa noho gny fisapa andrareo ze voaporofo amin'io asa io, dra hagnome vininahisy an'Agnahary koa andrareo amin'gny fakatoava gny fibabohandrareo amin'gny filazasaran'i Kristy. Dra hagnome voninahisy an'Agnahary koa andrareo amin'gny fahalalaha-tagnandrareo amin'gny fagnomeza ho an'ereo vo gny olo-iaby. 14 Magniry anao ereo ,dra mivavaky ho anao ereo. Manao anizay ereo noho gny fahalebiazan'gny fahasoavan'Agnahary ao aminao. 15 Ho an'Agnahary anie gny saotra noho gny fagnomezany sy hay zaka!