Toko faha 8

1 Tianay ho fatasindrareo , ry rahalahy , gny momban'gny fahasoavan'Agnahary ze nome tao amin'ereo fiangonan'i Makedonia. 2 Nandrisy gny fisapa lahibe amin'gny fahoria, gny fitobaky gny hafaliany vo gny fara-fahatran'ereo dra niteraky hanagnan-dehiben'gny falalan-tagna. 3 Satria misanga vavolombelo zaho fa nanao be arak'izay vitany ereo , dra mihoasy an'izay vitany avo. Dra tamin'gny sitrapon'ereo manoka 4 vo niaraky tamin'gny fitalahoa fatrasy gny nangatahan'ereo taminay gny fahafaha ba hana azara amin'itiho asa fanopoa eo amin'ereo mpino itiho. 5 Sy niboaky arak'izay natenay zay. Fa dra, nanolosy gny vatany mialoha tamin'Agnahary ereo. Dra nanolo-vata ho anay ereo tamin'gny sitrapon'Aagnahary. 6 Ka nampirisiky an'i Titosy zahay, ze fa nanomboky an'izay asa zay, ba hagnatateraky gny fahasoava eo amindrareo. 7 Fa andrareo koa dra mana-kanagna amin'gny raha iaby, amin'gny finoa, amin'gny zaka, amin'gny falalana. amin'gny fahazotoa iaby, dra amingny fitiavandrareo anay. Koa atovy azo atoky ba hana-kanagna amin'izay asa fahasoava andrareo. [ Gny ULB vo gny UDB, miaraky amin'ireo dika-zaka maro hafa, dra mivaky manahaky anizao:''Ao amin'gny fitiavanao anay.''Gny dika-zaka hafa dra mivaky manahaky aniza:''Dra ao amin'gny fitiavanay andrareo''] 8 Sy mizaka manahaky gny didy zaho. Fa dra, mizaka zaho amin'gny fisangana gny fahamarignan'gny fitiavandrareo amy fampitaha anizay amin'gn zotom-pon'gny olo hafa . 9 Satria fatasindrareo gny fahasoavan'gny Toposika Jesosy Kristy. Ka na nanan-kanagna avo izy, dra lasa majaly noho andrareo, koa amin'gny alalan'gny fahatra no mety ahazoandrareo hanagna. 10 Amin'izay resaky zay dra hagnome toro-hevisy andrareo zaho ze hagnapy andrareo. Heritao lasa zay, dra sy nanomboky nanao raha avo andrareo, fa nagniry gny manao avo. 11 Amizao vitao zay, manahaky gny nisian'gny zotom-po so gny fagniria hanao anizay , dra enganie hagnatateraky anizay koa andrareo, arak'izay azondrareo hatao. 12 Satria raha magniry fatrasy gny hanao anizay asa zay andrareo dra raha soa vo azo eke zay. Sy maisy mifotosy amin'izay hanagnan'gny olo raiky zay, fa sy ze sy anagnany. 13 Fa asa zay dra sy ba hagnameva gny hafa sady hagnavesasy andrareo. Fa dra, tokony hisy gny rariny. 14 Gny hanagnandrareo amin'izao fotoa zao dra hagnome ze taliavin'ereo .Ka zay koa dra ba hagnomezan'gny hanagnan'ereo ze taliavindrareo. Dra ba agnomezan'ereo gny rariny 15 Araky ze fa voasaorasy ho:''Gny raiky ze nana maro dra sy nana ambiny, dra gny raiky ze nana gny kely dra sy nana gny sy apy. 16 Fa an'Agnahary gny fisaora, ze nametraky gny tao am-pon'i Titosy gny fahamatora ze ananako amindrareo. 17 Fa izy sy magneky gny tokasika avo, fa tena matosy gny amin'izay avo koa. Nagnato anao tamin'gny sitrapony manoka izy. 18 Nalefafanay izy niaraky tamin'gny rahalahy ze nidera teo agnevon'gny fiangona aby noho gny asany ze mitory gny filazasara. 19 Sy zay avo, fa izy avo koa dra nitendren'ereo fiangona ba handeha hiaraky aminay hinday zao asan'gny fahalala-tagna zao. Zay dra ho agny voninahisy Topo dra ho agny fagnirianay hagnapy. 20 Mitandrina izahay gny amin'gny mety hisian'gny olo mitaray mombanay mahakasiky an'io asa fahalala-tagna ze hataonay io. 21 Ka mila mitandry zahay ba hanao gny mendriky, fa sy eo anatrehan'gny Topo raiky avo, fa eo alohan'gny olo koa. 22 Mandefa rahalahy raiky hafa avo koa zahay miaraky amin'ereo. Matetiky zahay gny nisapa anazy , dra nahita anazy mafana fo tamin'gny asa maro. Mazoto izy zao amizao noho gny fahatokisa lahibe ze anagnany amindrareo. 23 Raha gny amin'i Titosy, izy gny namako vo mpiara-miasa aminahy ho andrareo. Raha gny amin'gny rahalahinay, dra nalefan'ereo fiangona ereo. Voninahisy ho an'i Kristy ereo. 24 Dra aboao anazy reo gny fitiavandrareo , dra aboao amin'gny fiangona gny aton'gny fireharehanay momba andrareo.