Toko faha 7

Gny malalako, hatramin'gny nanagnasika gny zaka fikasa dra ao isika hagnalio gny vatasika amin'gny raha-iaby ze mahavy fahalotoa eo amin'gny vata vo fanahisika. Ao isika hikasaky gny fahamasigna amin'gny fatahora an'Agnahary. 2 Rambesy zahay ! Fa sy nanao rasy tamin'iza na iza. Sy nandrasy na nagnararaosy andrareo gny hizakako anizao. Fa nizakako fa ato amponay andrareo , fa miara-maty dra miara-velo isika. 4 Mana fahatokia lahibe andrareo zaho, dra mirehareha nohon'gny amindrareo. Feno fampionona zaho. Mitobatobaky gny hafaliako dre dra eo avo gny fampahoria iaby. 5 Gny fa avy tagny Makedonia zahay, sy hanam-pizanogny gny vatanay. Noho zay, ory tamin'gny fomba aby zahay nohon'gny fifagnakania tambaliky agny, vo gny tahosy tao agnatiny. 6 Fa Zagnahary, ze mapahery gny kivy, napahery anay tamin'gny fahavian'i Titosy. 7 Sy tamin'gny alalan'gny fahaviany avo gny hampaherezan'Agnahary asika. Fa tamin'gny fapahereza ze nirambesin'i Titosy avy amindrareo. Mizaka asika izy gny amy haben'gny fitiandrareo, gny alahelondrareo anahy laliky . Ka hifaly mandrakizay zaho. 8 Dra nampalahelo andrareo aza gny taratasiko, dra sy nampanegny anahy zay. Fa nanegny tamin'izay zaho gny fa nahita fa nampalahelo andrareo gny taratasik. Fa nalahelo nandrisy gny fotoa bory andrareo. 9 Amizao dra faly zaho, sy hô satria ory andrareo, fa satria gny alahelondrareo gny ninday andrareo ho amin'gny fibebaha. Andrareo dra niay gny fahoria ao amin'Agnahary, koa sy nisy levo gny nizaliandrareo ho anay. 10 Gny fahoria ao amin'Agnahary dra minday amin'gny fibebaha gny ba hahatateraky gny famozena sy misy fanegnena. Na zay avo, gny alahelon'izao totolo zao, dra minday fahafatesa. 11 Hatio gny vokasin'gny halahiben'gny fikirizandrareo tamy fahoria ao amin'Aagnahary. Lahibe tokoa gny halahiben'gny fikiriza tao amindrareo ba hagnaporofoa fa sy mana-signy andrareo. Lahibe vatany gny halahiben'gny fahoriandrareo, gny tahosindrareo, gny alahelondrareo ahita gny fahamarigna ze tokony atao! Amin'gny raha-iaby dra nagnaporofo tamin'gny vatandrareo andrareo ba sy ho ory amin'izay raharaha zay. 12 Na dra nanorasy tamindrareo avo zaho, Zaho dra sy nanorasy ho an'ereo mpanao rasy, dre ho agny raiky ze miharisy gny rasy. Nanorasy zaho ba tokony hampahafatara gny fahazotoandrareo teo aminay eo anatrehan'Aagnahary. 13 Tamin'gny alalan'izay gny nampahereza anay. Mihoasy nohon'gny fampahereza ze fa anagnanay, nihoa-papa gny fifaliany noho gny fifalian'i Titosy, satria gny fanahiny dra velombelo noho gny amindrareo aby. 14 Raha dra nirehareha taminazy gny momba andrareo zaho, dra sy ba afa-baraka zaho. Mifanohisy amin'izay, reo raha iaby ze nizakanay tamindrareo dra mary avo koa, gny fireharehanay momba andrareo tamin'i Titosy dra voaporofo fa mary. 15 Gny fitiavany andrareo dra lahibe tokoa, manahaky gny nahasiarovany gny fakatoavandrareo aby, Endrey gny fandrambesandrareo anazy tamin'gny tahosy vo mangitikitiky tateraky tamindrareo.