Toko 13

1 Fagnitelony zao gny nandalovako atiho amindrareo. ''Gny fiampanga aby dra sy maisy miory amin'gny porofo amin'gny vavolombelo ro na telo.'' 2 Fa nizaka tamin'ereo ze nanota zaho taloha vo tamin'ereo ambiny aby gny fa teo fagnindroany , dra zakako draiky zay:''Gny fa avy draiky zaho, dra sy hiferegnay anazy reo zaho.'' 3 Mizaka andrareo zay zaho satria andrareo dra mtalia porofo fa i Kristy dra mizaka amin'gny alalako. Sy marefo amindrareo Izy. Fa dra, mahery ao amindrareo Izy. 4 Fa Izy nohomboha amy fahaleme, nefa velo tamin'gny herin'Agnahary. Fa isika dra marefo ao aminazy , kanefa isika dra miara-miay amin'gny herin'Agnahary eo agnevondrareo. 5 Diniho gny vatandrareo raha tiandrareo ho hita fa ao amin'gny finoa andrareo . Sapao gny vatandrareo . Sy bo azondrareo asay se zay momba gny amin'gny vatandrareo fa i Jesosy Kristy dra ao amindrareo? Raha andrareo dra sy nahomby tamin'gny fisapa. 6 Dra zaho mahatoky fa andrareo dra hagneky fa isika dra nahomby amin'izay fisapa zay. 7 Amizao isika dra mivavaky amin'Agnahary fa sy afaky gny anao raha rasy andrareo. Zaho dra sy mivavaky gny afaky ahita fa isika dra nahomby amin'gny fisapa. Fa dra zaho dra nivavaky gny ba ahafahandrareo manao ze mety kanefa isika dra mety ho hita hanahaky gny sy nahomby tamin'gny fisapa. 8 Fa isika dra sy afaky gny hanao raha manohisy amin'gny fahamarigna, fa ho agny fahamarina avo koa. 9 Fa isika dra mifaly gny fa marefo dra fatrasy andrareo. Fa isika avo koa dra mivavaky ba ho ataosika feno andrareo. 10 Manorasy anitahoky raha tahoky zaho raha magnalavisy andrareo zaho, dra gny fa miaraky amindrareo zaho dra sy voatery minday andrareo an-kahoria amy fampiasa gny fahefako-ze nomen'gny Topo anahy , ba anangnanako andrareo, dra sy hanimba andrareo. 11 Farany, ry rahalahy , mifalia! miasa ho amin'gny famerena ami'gny loniny, mahereza, mifanekea gny kirairaiky , miaigna am-piadana , dra gny Zagnahary gny fitiava vo gny fiadana dra hiaraky amindrareo. 12 Mifampiarahaba andrareo amin'gny fanorohona Masy. 13 Reo mpino aby dra manao veloma andrareo. [ Fanamariha: reo dika-zaka gn'ilany dra manambasy gny andininy faha 13 amin'gny andininy faha 12 dra manao gny andininy faha 14 ho andininy faha 13.] 14 Enganie gny fahasoavan'i Topo Jesosy Kristy, gny fitiavan'Agnahary, vo gny fiaraha amin'gny Fanahy Masy ho ao amindrareo aby.