Toko 12

1 Zaho dra sy maisy mirehareha , fa sy misy na ino na ino azo laha tamin'izay. Fa zaho dra hanohy gny amin'ireo fahita vo reo fagnambara laha tamin'gny Topo. 2 Mahafatasy lelahy ao amin'i Kristy zaho ze efasy ambiny folo tao lasa zay- na ao amin'gny tegna na ambalikin'gny vata, zaho sy mahafatasy , Zagnahary mahafatasy-nala niakasy tagny amin'gny lagnisy faha telo. 3 Dra fatako fa io lelahy io- na ao amin'gny vata, na ambalin'gny vata, zaho sy mahafasy, Zagnahary mahafatasy- 4 dra nala niakasy tao amin'gny paradisa dra nahare raha ze tena masy loasy amin'gny olo gny hizaka anazy. 5 Amin'gny agnaran'gny olo tahaky anizay dra hirehareha zaho. Fa amin'gny agnaran'gny vatako dra sy hirehareha zaho, afa-sy gny momba reo fahalemeko . 6 Raha te hirehareha zaho, dra sy ho mola zaho, fa te hizaka gny mary. Fa hamehy vata amin'gny firehareha zaho, ba sy hisy dre iza dre iza hihevisy anahy agn'abony noho ze hita aminahy na re avy aminahy. 7 Hamehy vata amin'gny firehareha avo koa zaho noho reo karaza fagnambara miavaky reo. Noho zay, ba sy ho feno firehareha zaho, dra nasia raha maragnisy gny nofoko, gny mpinday hafasin'i Satana hanakorota anahy, ba sy hirehareha loasy zaho. 8 Itelo zaho gny nitalaho tamin'gny Topo gny momba anizay, ba hangala anizay aminahy. 9 Fa ho izy taminahy ho:''Apy ho anao gny fahasoavako, fa gny hery dra natao ho lafasy ao amin'gny fahaleme.'' Aleoko mirehareha amin'gny fahalemeko, ba hitoeran'gny herin'i Kristy ato aminahy. 10 Noho zay finarisy noho i Kristy ao amin'gny fagaleme, amin'gny fanevateva, amin'gny korota, amin'gny fanezeha dra ao amin'gny fotoa-sarosy zaho. Fa dre ombia dre ombia malemy zaho, dra matazaky. 11 Izaho dra lnazary mola! Andrareo gny nanery anahy amin'izay, fa zaho dra tokony niderandrareo. Fa zaho dra sy ambany noho reo mihisy , dre dra sinosino avo zaho. 12 Reo famatara mary gny maha Apostoly dra nitaterahy teo amindrareo tamin'gny fahareta tateraky, famatara vo fahangaga dra asa mahery. 13 Fa nanao akory andrareo gny sy dra mana-daza noho reo fiangona ilany, akoasy gny sy maha vesasy anahy ho andrareo? Mamela anahy noho zay fahadisoa zay ! 14 Indro! Vonona ho avy fagnitelony agny amindrareo zaho. Sy ho vesasy ho andrareo zaho, fa izaho dra sy mila ze andrareo. Andrareo gny taliaviko. Fa sy gny zanaky gny tokony hihary ho an'ereo ray-aman-dreny. Fa dra, reo ray aman-dreny gny tokony hihary ho an'ereo zanaky. 15 Izaho dra ho faly tateraky handany vo ho lania ho agny fanahindrareo. Raha mitia be andrareo zaho, dra hotiavy masaiky se zaho? 16 Fa na dra manahaky anizay avo, sy nagnavesasy andrareo zaho. Fa, satria zaho fesisesy be, dra zaho gny raiky ze nahazo andrareo tamin'gny fitaky. 17 Moa se nagnararaosy andrareo tamin'gny alalan'gny olo ze nalefako tamindrareo zaho? 18 Nagniraky malaky an'i Titosy ho agny amindrareo zaho, dra nalefako niaraky taminazy reo rahalahy gn'ilany. Moa se sy mitovy lala isika ? Moa sse sy niray dra isika? 19 Moa se mieriserisy andrareo fa nandrisy zay fotoa iaby zay dra niaro gny vatanay tamindrareo izahay? Eo anatrehan'Agnahary, gny izakanay tao amin'i Kristy gny raha iaby ba ho fampahereza andrareo. Fa matahosy zaho fandrao gny fa avy zaho dra mety sy hahita andrareo araky gny fanatenako. Matahosy zaho vasa sy ho hitandrareo araky gny fanatenandrareo. Matahosy zaho fa sao dra mety hisy fifagnakania , fialogna, fazekeny hahoria, fikasa amin'gny fitiava-tegna, fifosa, fieboeboa, dra fikorotagna. 21 Mataohosy zaho vasa gny fa mihery , dra hanendry anahy eo anatrehandrareo gny Zagnahariko. Matahosy zaho vasa mety halahelo gny amin'ireo maro ze nanota teo aloha , dra bo sy nibebaky tamin'gny fahalotoa vo gny fizangazanga dra fizezozezoa feno fagnirian-drasy ze nataon'ereo.