Toko 11

1 Magniry zaho ba ahafahandrareo magnenga anahy hanao fahadala kely gn'ilany. Fa tena magnenga anahy tokoa andrareo! 2 Fa saro-piaro gny momba andrareo zaho. Mana fahasarotam-piaro araky an'Agnahary amindrareo zaho, hatramin'gny nagnomezako toky andrareo tao amin'gny fanambalia hô agny valy raiky avo. Nagnome toky zaho gny hanolosy andrareo tahaky gny veriziny malio ho an'i Kristy. 3 Fa matahosy zaho fandrao, tahaky gny namitahan'gny menarana an'i Eva tamin'gny alalan'gny hafeseny, gny eriserisindreo dra mety hiala amin'gny fanolora-vata amin-kisim-po vo malio amin'i Kristy. 4 Fa erisereto hô misy olo raiky torisika . Na erisereto hô mandramby Fagnahy hafa noho ze rambesindrareo andrareo. Na erisereto ho mandray filazasara hafa noho gny raiky ze nirambesindrareo. Mamela anio raha soa io avo andrareo! 5 Satria mieriserisy zaho fa sy farany ambany noho reo zaka fa hô apostoly agn'abony. 6 Fa dre dra sy nizara nandeha-zaka avo zaho, dra nizara tamin'gny fahalala. Tamin'gny fomba iaby vo tamin'ereo raha aby dra nataonay ho fatasindrareo zay. 7 Moa nanota se zaho tamin'gny fanetre-tegnako ba hisandratandrareo? Fa nitory gny filazasaran'Agnahary maimaipoa ho andrareo zaho. 8 Nandrobaky gny fiangona hafa zaho tamin'gny alalan'gny faneke fanohana laha tamin'ereo ba ahafahako manopo andrareo. 9 Gny fa niaraky tamindrareo zaho vo nila fagnapia , dra sy nagnavesasy na iza na iza. Fa reo raha nitaliaviko dra nomen'ereo pirahalahy ze laha tagny Makedonia. Tamin'gny raha iaby dra nitandry gny vatako sy ho eta-mavesasy amindrareo zaho, dra hanohy hanao anizay. 10 Raha ato aminahy gny fahamarignan'i Kristy , dra sy hangina zay fireharehako zay agny amin'gny farisin'i Akaia. 11 Nanao akory? Satria sy tiako se andrareo? Zagnahary mahalala. 12 Dra gny raha ataoko dra bo ho ataoko avo, ba mety ahafahako mangalaky gny fitaraigna nohon'gny fanakiana anahy vo gny fitaraigna noho reo ze tian'ereo hirehareha-fa ereo dra hita manao asa mitovy amin'izay ataonay. 13 Fa gny olo tahaky anizay dra apostoly sandoky vo mpiasa mamitaky. Izy reo dra manao sarisarin'gny vatany tahaky gny apostolin'i Kristy. 14 Dra zay dra sy mahalasa , fa dre gny satana avo maneho gny vatany tahaky gny azelin'gny fahazava . 15 Sy mahalasa sasy raha mampiboaky gny vatan'ereo tahaky gny mpanompon'gny fahamarina reo mpanompony. Gny azaran'ereo dra ze mendriky gny asan'ereo. 16 Zakako draiky hô: ''Ka anga hisy hieriserisy hô mola (adala) zaho. fa raha manao anizay andrareo , dra rambeso tahaky gny mola zaho dra ba hirehareha kely. 17 Ze zakako momba anitiho dra sy araky gny zakan'gny Topo, fa mizaka manahaky gny mola zaho. 18 Fa maro gny olo gny mirehareha araky gny nofy, dra hirehareha avo koa zaho. 19 Nagneky am-pifalia reo mola andrareo. Dra hô hendry gny vatandrareo! 20 Fa mandefisy amin'olo andrareo raha magnandevo andrareo, mandany andrareo, magnararaosy andrareo, mandramby gny vatany ho agn'abony noho andrareo, na raha mamely tehamaina andrareo izy. 21 Ho zakako amin'gny fahafaham-barakanay fa mamely loasy zahay tamin'gny fanova anizay. Raha misy mirehareha -dra miresaky manahaky gny mola zaho-Izaho avo koa dra hirehareha. 22 Hebreo se ereo? Zaho avo koa. Israelita se ereo? Zaho avo koa. Taranak'i Abrahama se ereo? Zaho avo koa . 23 Mpanompon'i Kristy se ereo? ( Miresaky manahaky gny olo very say zaho) Mihoasy noho zay zaho. Bo niasa fatrasy nihoasy noho zay avo zaho, tagny am-ponja matiteky, tamin'gny kapoaky mihoasy gny fepetra, tamin'gny fiatreha loza maro mahafaty. 24 Laha tamin'gny alalan'ereo Jiosy gny nandresako'' kapoaky efapolo lasaky raiky''Indimy. 25 Itelo zaho gny nizerany tamin'gny hazo. Indraiky nitorahiny vato zaho. Itelo vaky sambo zaho. Nandany raihaly vo andro raiky tegny an-dranomasy zaho. 26 Nandeha matetiky zaho, tamin'gny lozan'ony, tamin'gny lozan'ereo mpandrobaky, tamin'gny lozan'gny oloko, tamin'gny loza tagny amin'gny tana, tamin'gny loza tagny agn'efisy . tamin'gny loza tagny an-dranomasy , tamin'gny loza laha tamin'ereo rahalahy sandoky. 27 Fa tamin'gny asa fatrasy vo raha -sarosy zaho, tamin'gny hariva sy misy torimaso, tamin'gny haresia vo hetaheta, tamin'gny fifalia-kany matetiky, tamin'gny hasiaky vo fitazaha. 28 Akoasy gny raha hafa, misy sindry isan'andro aminahy nohon'gny fagnahiako amin'gny fiangona aby. 29 Iza gny malemy , ka sy malemy zaho? Iza gny manafitohy, ka sy mirehisy zaho? 30 Raha sy maisy mirehareha zaho, dra hirehareha momba ze mapiboaky gny fahalemeko. 31 Gny Zagnahary vo Ran'i Topo Jesosy , gny raiky ze dera mandrakizay , dra mahafatasy fa sy mavandy zaho! 32 Tagny Damaskosy, gny governora ambanon'i Areta Pajaka dra niamby gny tanan'i Damaskosy ba hanambosy anahy. 33 Fa nampizoso tamin'gny sobika teo amin'gny vatrangara-kely raiky teo ami'gny manda zaho. ka dra nandositry gny tanany.