Toko faha 5

1 Amizao mikasiky gny fotoa vo reo vanim-potoa,ry rahalahy,sy mila dre ino dre ino voasorasy ho andrareo drareo. 2 Fa andrareo vatandrareo mahafatasy soa fa gny andron'gny Topo dra ho avy tahaky gny mpangalasy amin'gny hariva . 3 Gny fa mizaka ereo,''Miadagna vo milamina,''dra fahatorotoroa tapoky gny ho avy amin'ereo. Ho tahaky gny fahararian'gny ampela beoka gny fa miteraky zay.Sy ho afa-mandositry mihisy ereo. 4 Fa andrareo,ry rahalahy,dra sy ao agnatin'gny hezy ka hahatrasy andrareo tapoky tahaky gny mpangalasy gny andro. 5 Fa andrareo aby dra zanaky gny mazava vo zanaky gny andro. Sy zanaky gny hariva isika na gny hezy. 6 Noho zay,andeha isika sy handry tahaky gny fataon'gn'ilany.Fa dra,ao isika hiamby vo hamindro. 7 Fa reo ze mandry dra manao anizay amin'gny hariva,dra reo ze mamo dra manao anizay avo koa amin'gny hariva. 8 Fa raha bo agny andro isika,dra sy maisy mamindro isika dra misy finoa vo fitiava ho fiarova-tratra,dra gny atoky gny famozena amin'gny ho avy ho fiarovan-dohasika. 9 Fa Zagnahary sy nanendry asika ho amin'gny fahoria,fa hahazoa gny famozena amin'gny alalan'i Jesosy Kristy Toposika. 10 Izy gny maty ho asika,dre mifoha isika dre mandry ,dra afaky miara-miay aminazy. 11 Dra noho zay mifampionona dra mifampahereza andrareo,tahaky gny fa nataondrareo. 12 Mangataky amindrareo zahay,ry rahalahy,ba hanekendrareo ze mikely ay amindrareo vo minday andrareo amin'gny Topo dra ze magnanasy andrareo. 13 Mangataky andrarei avo koa zahay ba hagnaza anazy reo am-pitiava noho gny asan'ereo. Mihavana amin'gny vatandrareo. 14 Magnanasy andrareo zahay,ry rahalahy :Mampitandrema gny fikorotagna,hapaherezo reo kivy,ampio reo malemy,mahareta amin'gny raha iaby. 15 Indro sy misy olo mamaly rasy gny rasy dre amin'iza dre iza.Fa dra,mitaliava ze soa ho agny kirairaiky vo ho agny olo iaby. 16 Mifalia mandrakariva. 17 Ka misahasy mivavaky. 18 Misora amin'gny raha aby.Fa zay gny sitrapon'Agnahary ao amin'i Kristy Jesosy ho andrareo. 19 Ka mamono gny Fagnahy. 20 Ka manao sinosino reo faminania. 21 Andramo gny raha-iaby.Mipitia amin'izay soa. 22 Esory reo fisehoan'gny rasy aby. 23 Zagnahary gny fiadana seky hampamasy anao tateraky.Ao gny fagnahinao manotolo,gny ay ,dra gny vatany dra hahazan'i Jesosy Kristy Toposika. 24 Mahatoky izy gny mitoka anao,gny raiky ze hanao anizay avo koa. 25 Ry rahalahy,mivavaha avo koa ho anay. 26 Arahabao amin'gny fanoroha masy gny rahalahy aby. 27 Mangataky amindrareo amin'gny Topo zahy ba ho vakia amin'gny rahalahy aby itiho taratasy itiho. 28 Ho andrareo seky gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Toposika.