Toko faha 4

1 Dra farany,ry rahalahy,mampahery vo magnanasy andrareo zahay ao amin'gny Topo Jesosy.Raha nahazo reo fampianara laha taminay andrareo momban'gny fomba sy maisy handehanandrareo vo hamalifaliandrareo an'Agnahary, amin'io lala andehana io avo koa, dra ba anovandrareo mihosy anizay. 2 Fa andrareo dra mahafatasy gny fampianara ze nomenay andrareo tamin'gny alalan'i Jesosy Topo. 3 Fa zao gny sitrapon'Agnahary,dra gny hanamasigna andrareo,ba hialandrareo amin'gny fizangazanga, 4 ze ahafataran'gny kirairaiky aby amindrareo gny fomba ahazoa gny eta gny vatany ao amy fahamasina vo voninahisy, 5 sy amy fila-drasy (tahaky gny zetilisa ze sy mahafatasy an'Agnahary). 6 Ao sy hisy olo handika na hagnarasy gny rahalahiny amin'izay.Fa gny Topo gny mamaly amin'io raha-iaby io,tahaky gny nampitandremanay mialoha vo nizoroanay vavolombelo tamindrareo. 7 Fa Zagnahary sy nitoka anay ho amin'gny fahalotoa,fa amin'gny fahamasina. 8 Noho zay, ze manda anizay dra sy manda olo,fa Zagnahary,ze nagnome gny Fanahiny Masy ho andrareo. 9 Momban'gny fifakatiavan'gny mpiralahy,sy mila olo hafa andrareo hanorasy ho andrareo,fa andrareo vatandrareo dra nampianarin'Agnahary ba hifakatia. 10 Ataindrareo vatany zay,ho an'ereo rahalahy iaby ze eran'i Makedonia. Fa zahay dra magnanasy andrareo,ry rahalahy,ba hanao mihoasy . 11 Magnanasy andrareo avo koa zahay ba hanandra hiay am-pilamina, hisay gny raharandrareo manoka,dra hiasa amin'gny vatanandrareo,araky gny nandidianay andrareo, 12 ba hanagnandrareo fandesa-tegna mendriky eo anatrehan'ereo sy mino dra sy hana-raha manakosiky. 13 Fa sy tianay sy ho fatasindrareo,ry rahalahy,gny momba gny ze maty,ba sy halahelovandrareo tahaky reo ambiny ze sy mana atoky gny amin'gny ho avy. 14 Fa raha mino isika fa Jesosy dra maty dra nisanga draiky,dra manahaky anizay koa gny hindesan'Agnahary miaraky amin'i Jesosy reo ze fa nimaty tao aminazy. 15 Fa zao gny zakanay amindrareo tamin'gny zakan'gny Topo,fa isika ze velo,ze sisa tavela amin'gny fahavian'i Topo,dra sy hialoha vatany gny ze nimaty. 16 Fa gny tanan'i Topo gny hizoso laha tagny an-dagnisy. Ho avy miaraky amin'gny feo agn'abo Izy,miaraky amin'gny feon'Arkazely,dra miaraky amin'gny trompetran'Agnahary,dra gny maty ao amin'i Kristy gny hisanga volohany. 17 Laha teo isika ze velo,ze sisa tavela,hiaraky hiakasy amin'ereo egny amin'gny raho dra hihao amin'gny Topo egny amin'gny lagnisy.Amin'izay dra hiaraky amin'gny Topo mandrakariva isika. 18 Noho zay,mifakahereza amin'ereo zaka reo.