Toko faha 3

1 Noho zay,gny fa sy afaky niarisy anizay sasy zahay,dra niesitseretinay fa soa gny mipetraky raiky tao Atena. 2 Nandefa an'i Timoty zahay,rahalahinay vo mpiara-miasa ho an'Agnahary ao amin'gny filazaran'i Kristy,ba hanamafy vo hakahery momban'gny finoandrareo.[ Fanamariha: Gny dika-zaka gn'ilany hafa taloha dra mivaky ho:''Nandefa an'i Timoty zahay,rahalahinay dra panopon'Agnahary ao amin'gny filazasaran'i Kristy.''] 3 Nataonay zay ba sy hisy olo ho taisy noho reo fahoria reo.Fa gny vatandrareo dra mahafatasy fa zay gny nanendre asika. 4 Mary vatany,gny fa niaraky tamindrareo zahay,dra nizaka mialoha tamindrareo fa isika dra sy maisy hapahoria,dra nisy zay,araky gny fatandrareo. 5 Noho zay atony zay,gny fa sy naharisy anizay sasy zaho,dra nagniraky ba ahafatarako gny finoandrareo. Vasa gny mpangalaky fagnahy dra fa nangalaky fagnahy andrareo,dra ho raha-fahatany gny asasika. 6 Fa avy tatiho aminay laha tagny amindrareo i Timoty dra ninday gny vaovao mahafalin'gny finoa vo fitiandrareo ho anay.Nizaka taminay izy fa andrareo dra mana fahasarova soa anay avo,dra andrareo dra magniry fatrasy gny ahita anay tahaky gny fagnirianay ahita andrareo. 7 Noho zay,ry rahalahy,zahay dra nampaherezindrareo noho gny finoandrareo,tao agnatin'gny fahatahora vo fahorianay aby. 8 Fa amizao velo zahay,raha mipitiky fatrasy amin'gny Topo andrareo. 9 Fa fisaora manahaky gny nanao akory gny azonay ome an'Agnahary gny amindrareo, tamin'gny fifalia ze anagnanay aby teo anatrehan'Agnahary noho gny amindrareo? 10 Mivavaky fatrasy andro maray vo hariva zahay ba mety ahita gny endrikindrareo vo amasy ze sy apy ao amin'gny finoandrareo. 11 Zagnahary Rasika vatany,dra Jesosy Toposika seky, hagnisy gny lalanay ho amindrareo. 12 Gny Topo seky hampitombo vo hampandroso amy fifakatiavandrareo amin'gny hafa vo gny olo iaby,tahaky gny ataonay amindrareo koa. 13 Izy seky hagnamafy gny fondrareo,dra ba sy hanasiny amin'gny fahamasina ereo eo anatrehan'Agnahary Rasika,amin'gny fihiavin'i Jesosy Toposika bamin'ereo masiny iaby.