Toko faha 2

1 Fa gny vatandrareo dra mahay ,ry rahalahy,fa gny fahavianay teto amindrareo dra sy rava. 2 Fatasindrareo fa teo aloha dra nizaly dra nala-baraka tagny Filipy zahay.Zahay dra mahavany tao amin'Agnaharinay hizaka tamindrareo gny filazaran'Agnahary tao agnatin'gny fanohera lahibe. 3 Satria gny fagnanaranay dra sy laha tamin'gny fahadisoa,dre laha tamin'gny fahalotoa,dre laha tamin'gny fitaky. 4 Fa dra,araky gny nakatoavin'Agnahary anay ba hatokisa amin'gny filazasara,noho zay dra mizaka zahay.Mizaka zahay,sy hampifaly gny olo,fa hampifaly an'Agnahary.Izy gny mahay gny fonay. 5 Satria sy dra napiasa na dre ombia dre ombia reo zaka fandokafa zahay,araky gny fatasindrareo,na koa ho fiala-signy amin'gny fisiriritamsatria Zagnahary gny vavolombelo nay. 6 Na koa nitalia gny voninahisy laha tamin'gny olo zahay,na koa laha tamindrareo na laha tamin'ereo hafa.Zahay dra afaky nitaky reo tombosoa tahaky gny apostolin'i Kristy. 7 Fa dra,zahay dra sotra teo amindrareo manahaky gny reny makahery gny zanany naterany.[ Fanamariha:Reo dika-zaka hafa gn'ilany dra mivaky tahaky anizao :''Fa dra,zahay dra tahaky gny zazamasaiky teo amindrareo, gny fa makahery gny zanany naterany gny reniny.''] 8 Dra manahaky anizay gny nanagnanay fitiava ho andrareo.Faly zahay mizara amindrareo,sy gny filazasara an'Agnahary avo,fa gny fiaignanay manoka avo koa.Satria andrareo dra lasa malalanay tokoa. 9 Satria tadidindrareo,ry rahalahy, gny asanay vo gny fisarananay. Andro amagn'aly gny niasanay ba sy ahafahanay mampinday mavesasy gny raiky amindrareo.Nandrisy anizay fotoa zay,dra nitory gny filazasaran'Agnahary tamindrareo zahay. 10 Andrareo gny vavolombeno,dra Zagnahary avo koa,fa masy,vo mary,dra sy manasiny gny fandesa-vatanay teo amindrareo ze mino. 11 Manahaky anizay avo koa dra fatasindrareo ho tahaky gny ino gny nataony tamindrareo kirairaiky tahaky gny ataon'gny ray amin'gny zanany naterany, 12 niangavy vo nakahery dra nandrisiky andrareo zahay ba handeha amin'gny fomba ze mendriky an'Agnahary, ze mitoka andrareo ho ao amy fazakany vo gny voninahiny manoka. 13 Fa ze atony zay gny isoranay avo koa an'Agnahary mandrakariva.Fa andrareo gny fa nandray laha taminay gny gafasin'Agnahary ze rendrareo zay sy ho tahaky gny zakan'olo.Fa dra,nirambesindrareo zay araky ze mary,dra gny zakan'Agnahary.Zay zaka zay avo koa gny miasa eo amindrareo ze mino. 14 Satria andrareo,ry rahalahy,dra lasa tahaky gny fiangonan'Agnahary agny Jodia ze amin'i Jesosy Kristy.Fa andrareo avo koa dra nijaly tamin'ereo raha reo avo noho gny nataon'ereo mpiray tanindraza amindrareo,sahala gny nahazo anazy reo koa noho gny nataon'i Joosy taminazy. 15 Reo Jiosy gny namono na an'i Jesosy Kristy na reo paminany.Reo Jiosy gny nandroaky anay.Sy nakasitraky an'Agnahary ereo.Fa dra,ereo dra fahavalon'gn'olo aby. 16 Ereo dra nandrara anay sy hizaka amin'ereo zetilisa ba sy hamozena anazy io.Vokasin'izay dra mameno gny fahotan'gny vatany mandrakariva ereo.Gny fahoria dra sy maisy avy eo amin'ereo amy farany. 17 Tafasaraky tamindrareo zahay,ry rahalahy,nandrisy gny fotoa fohy,tamin'gny fanatreha fa sy tamin'gny fo. Tena nazoto fatrasy zahay,nagniry fatrasy,gny hahita gny tarehidreo. 18 Satria nagniry gny ho agny amindrareo zahay,zaho,Paoly,matetitetiky,nefa nanaka anay i Devoly. 19 Fa ino moa gny fanatena gny ho avy, dre fifalia,dre satro-boninahisy gny fandresena eo anatrehan'i Jesosy Toposika amy fihaviany?Moa sy andrareo manahaky gn'ilany hafa koa? 20 Fa andrareo gny voninahisy vo fifalianay.