Toko faha 9

1 nisy lelahy boak'aminigny Benjamina, lelahy ambony raiky. gny agnarany dra i Kisy zanadahin'i Abiela zanadahin'i Zerora zanadahin'i Bekorata zanadahin'i Afia, gny zaza lelahiny Benjamina raiky. 2 Nanagnanaky lelahy natao ho i Saoly izy, tovolahy soa tarehy naho izy teo aminigny olo soa tarehy noho izy teo aminigny Israely. Manombok'eo amireo sorony no ho miakasy dra lava noho gny olon'aby izy. 3 Dra ihoky ampondran'i kisy, baban'i saoly.dra nizaka tamin'i saoly zanany i kisy nanao ho: ''mangalaky raiky amereo mpanopo hiarak'aminao, misangana dra mandehana mitalia drareo ampondra.'' 4 Dra namakivaky gny tany havoan'i Efraima i saoly dra nandeha tamigny taniny Salisa, fa sy hitan'ereo ze. Dra namakivaky gny tanin'i salima erehoky gny sy tagny ereo.avy eo dra namakivaky gny tanin'ireo benjamita ereo,fa sy nahita ereo. 5 Gny fa avy teo amigny tanin'ny Zofa izy ireo, dra nizaka taminy panopony izay nindray taminazy i Saoly ho: ''Andao, handeha sika hihery, fa mety sy hagnahy gny am'ireo apondraireo sasy i babako fa hanomboky hagnahy gny momba asika.'' 6 Fa hoy gny panopo taminazy ho:'' Tenoy, misy lelahin'i Zagnahary amin'ity tanana ity. Izy dra lelahy name- voninahisy; izay rehetra zakany dra tateraky avokoa. Adao sika ho agny; mety ho afaky hiala amisika izay lalana tokony handehanasika amigny liasika izy.'' 7 Dra hoy i Saoly tamin'ny panopony ho: ''Gny fa mandeha sika, ino gny afaky andesisika ho an'ilay lelahy? gny mofo agnaty kitaposika fa lany, dra sy misy fagnomezana ba ho andesisika ho an'ilay lelahin'i Zagnahary. Ino gny hanagnasika?'' 8 Gny panopo namaly an'i Saoly dra nanao hoA: ''Ingo, izaho manana apahefany gny sekely volafosy izay homeko an'ilay lelahin'i Zagnahary, ba hizaka amisika izay lalana tokony handehanasika.'' 9 ( Taloha tagny Israely, gny fa misy lelahy mandeha mitalia gny fahalalany gny sitraopn'i Zagnahary, dra mizaka izy ho:'' Andao, andeha sika ho agny amigny pahita.'' Fa pahita gny fitokavany taloha izay tokavisika hoe paminany ankehitriny. ) 10 Avy eo dra nizaka taminy panopony i Saoly ho: '' soa gny voalazanao. Andao, handeha sika.'' Dra lasa izy ireo nagnagny amigny tanana izay nisy gny lelahin'iZagnahary. 11 Dra gny niakasygny havoana tao an- tanana izy ireo, dra nahita ireo tovovavy niboakyhitao rano; dra hoy i Saoly vo gny panopony tamin'ereo ho: '' Andeso le gny pahita?'' 12 Namaly ereo, dra nanao anizahoky ho: "Andeso izy; ingo, ao aloha kelindrareo ao avo izy. Malaky ,fa ho avy ao atana izy androany, akory hanao soro eo aminigny toera abogny vahoaky androany. 13 Gny vatany vo milisy gny tanana handrareo dra hahita anazy, alohan'ny hiakarany amigny toerana avo hihinanany. Sy hihinana gny vahoaky mandra- piviny, satria izy gny hiso- drano gny soro; afaran'izay dra hihinana ireo izay nasaina. Dra miakara izao, fa hahita anazy avy hatragny handrareo. '' 14 Dra niakasy ho agny aminigny tana ereo. Dra vo nilisy gny tana ereo, dra nahita an'i Samoela niseho taminazy, ba handeha hiakasy agny aminigny toera abo. 15 Dra gny andro talohanigny nahavian'i Saoly, dra nagnambara tamin'i Samoela i Yaveh ho: 16 "Maraindray amizao ora zao dra handefa lelahy raiky avy aminigny taninigny Benjamina aminao zaho, dra hagnososy anazy ho andria eo aminigny Israely vahoako hanao. Homozy gny vahoko aminigny tagnanireo Filistina izy. Fa nagnety gny vahoako taminigny fangoraha zaho akory gny toka vozinigny reo dra avy taty aminahy." 17 Gny fa hitan'i Samoela i Saoly, dra nizaka taminazy i Yaveh ho: " Tihoky gny lelahy nizakako aminao!Izy gny olo ze hanapaky gny vahoako." 18 Boa'eo i Saoly dra nagnaton'an'i Saoly dra nagnatonan'an'i Samoela teo amigny vavahady dra nanao anizahoky ho: " ba zakao anahy ho eza gny misy gny tragnonigny pahita?" 19 Namaly an'i Saoly i Samoela dra nanao anizahoky ho: "Zaho gny pahita. Mekara ho aminigny toera abo meloha anahy, fa androany dra hindray mihina aminahy hanao. Angako handeha hanao aminigny maray, dra hozakaoko aminao ze ao asainy aby. 20 raha gny amireo apondranao fa levovo telo andro iasa zay , dra ka matahosy gny amizay, fa hohita za0. dra napetraky taminiza reo fanirian' Israely aby? Sy hominao vo sy hoaminigny akohonan-dranao aby ra?'' 21 Namaly i saoly dra nizaka ho : ''Fa sy Benjamina ra zaho, boakamigny foko farany masaik' i Israely? sy gny fianakaviam-beko se gny farany amireo fianakaviam-be aby ao amigny fokonigny Benjamina? ko nagnino ze fomba zay gny nizakanao taminahy?'' 22 Dra nalan'i Samoela i Saoly vo gny mpanompony, dra nandesiny tagny agnefi'tragno, dra natobiny teo amigny fitoboha volohany ho anize voaasa ereo, tokony ho olo telopolo eo ho eo. 23 Hoy samoela tamigny mpahandro ho:andeso gny azara ze nomeko anao zay nizakako taminao ho, 'atokano ty.''' 24 ko nalanigny mpahandro vo natobiny teo alohan'i saoly. Dra hoy i samoela ho: ''ingo ze voatoka dra fa natoboko teo alohanao. Hano io, akory voatoka honao mandraha avinigny fotoa voatendry, tamigny fotoa nizakako ho, 'fananasy gny olo zaho.''' Dra nindray nihina tamindr'i Samoela i saoly taminio andro io. 25 gny fa tafizoso tegny amigny toera abo ho amigny tana ereo, dra nizaka tamin'i saoly teo agnabotragno i Samoela. 26 Dra vo mangiran-drasy, dra nitoka an'i Saoly teo agnabo-tragno i Samoela dra nizaka ho: ''miova, ba hahafahako mandefa anao agny amigny lalanao. ''Dra nifoha i Saoly, vo sambinandeha niboaky hondalanegny izy vo i Samoela. 27 Dra gny fanandeha magnodidy gny tana ereo ,dra hoy i Samoela tamin'i Saoly:''zakao gny panopo ba handeha aloha sika''_dra nandeha teo aloha izy_''fa sy maisy mizanon'eto fotoa siapy hanao, ba hizakako aminao gny hafasy ZAgnahary.''