Toko faha 8

1 Gny fa atisy i Samoela, dra nataony ho pisara eo aminigny Israely reo zanadahiny. 2 Joela gny agnaranigny lahimatoa, dra Abia gny agnaranigny zanadahiny faharo. Pisara tao Beri-sheba ereo. 3 Sy nandeha taminigny lalany reo zanadahiny, fa nitalia fihira sy mary. Nitakasy kolikoly ereo dra namadiky gny rariny. 4 Dra nindray nivory reo loholonigny Israely aby vo avy teo amin'i Samoela tao Rama. 5 Hoy izy reo taminazy: "Ingo, atisy hanao, dra sy mandeha aminigny lalanao reo zanakao. Manendre pazaka honay ba hisara anay manahaky reo firenena aby." 6 Nefa sy nakasitrahan'i Samoela zay raha nizakan'ereo zay ho: "Omeo pazaka zahay ba hisara anay." Dra nivavaky tamin'i Yaveh i Samoela. 7 Hoy Yaveh tamin'i Samoela ho: "Akatoavo gny feonigny vahoaky aminigny raha aby zakan'ereo aminao; fa sy hanao gny nilavin'ereo, fa Zaho gny nilaviny sy ho pazakan'ereo. 8 Amizao izy reo dra manao manahaky gny nataony hatraminigny andro nindesako anzy reo gny vahoaky boak'ao Egypta, nahafo anahy, dra nanopo reo zagnahary hafa, no manahaky anizay koa gny ataon'ereo aminao. 9 Amizao tenoy ereo; nefa apitandremo fatrasy dra apahafataro gny fomba hanapahanigny pazaka eo aminereo." 10 Ko dra nizakan'i Samoela taminigny vahoaky ze nangataky pazaka reo zakan'i Yaveh aby. 11 Hoy izy: "Zao gny ho fanaonigny pazaka eo amindrareo. Hangalaky reo zanandrareo lahy izy dra hanendry anereo ho anigny kalesiny vo ho lasa pitikisy sovalany, dra nihazakazaky eo alohan'ireo kalesiny. 12 Hanendry kapiteninigny miaramila agnarivony, dra kapiteninigny miaramila dimapolo honazy izy. Hataony miasa gny taniny gny ilany, miziza gny vokany gny ilany, dra hanao gny fitova felia vo gny fitova ho an'ireo kalesy gny ilany. 13 Reo zanandrareo apela avo koa dra hataony pangaroharo raha magnisy, pahandro, dra panao mofo. 14 Halany gny farany soa boak'aminigny sahandrareo, reo tanim-boalobokindrareo, dra reo tanin'olivandrareo, dra homeny an'ireo panopony. 15 Halany gny apafolonigny varindrareo vo gny boak'amireo tanim-boalobokindrareo dra hameny an'ireo mana-pahefa vo reo panopony. 16 Hany ereo panoponao lelahy vo reo panoponandrareo apela dra gny soa indrindra amireo tovolahindrareo vo reo borikindrareo. 17 Halany gny apahafolon'ireo agnondry amanosindrareo, dra ho lasa andevo handrareo. 18 Ko amizay andro zay dra hitaray nohonigny pazakandrareo ze nifilindrareo ho anigny vatandrareo handrareo; saingay sy hamaly andrareo i Yaveh amizay andro zay." 19 Kanefa nanda gny hiteno an'i Samoela gny vahoaky; hoy ereo: "Aha! Tokony hisy pazaka eto aminay 20 ba hitovianay amireo firenena hafa aby, dra ba hisaranigny pazakanay anay vo hiboahany eo anoloanay dra hialy gny alinay." 21 Gny fa ren'i Samoela reo zakanigny vahoaky aby dra niheriny teo asofon'i Yaveh zay. 22 Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Akatoavo gny feon'ereo vo atovy avy dra pazakan'ereo gny olo raiky." Dra hoy Samoela tamireo olonigny Israely: "Sy maisy mandeha agny aminigny tanan'aby gny lelahy sirairay."