toko faha 27
1
Nizaka tao apony i Davida ho: "Ho Matinigny tagnan'i Saoly zaho gnagny gnandro agny, sy misy soa honahy afasy gny mienga magnagny amigny tanin'ireo Filistiny; sy hitalian'anahy eranigny faritaninigny Israely aby sasy i Saoly; amizay lala zay gny hengako hiala amigny tagnany."
2
Nisanga i Davida dra nandeha, izy vo reo lelahy enizato ze nindray taminazy, ho agny amin'i Akisy zanak'i Maoky, pazakan'i Gata.
3
Nony nindray tamin'i Akisy tao Gata i Davida, izy vo reo lelahiny, gny lelahy sirairay mindray amigny havany aby, dra Davida mindray amireo valiny ro, Ahinoama Jerizelita vo Abigaila Karmelit, valin'i Nabala.
4
Zinaka tamin'i Saoly fa nienga agny Gata i Davida, dra sy nitalian'anazy sasy izy.
5
Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Raha nahita fitia teo imasonao zaho, aoky ereo hagnome toera ao amigny tana raiky eo amigny firenena honahy, dra hahafahako mininagny: fa nagnino gny panoponao gny hindray hitoby ao atananigny pazaka mindray aminao?"
6
Dra namen'i Akisy anazy gny andron'io Ziklaga; zay gny atony nahavy an'i Ziklaga ho anigny pazakan'i Joda nanomboky tamizay andro zay.
7
Heritao feno vo efa-bola gny isanigny andro ze ninegnan'i Davida tagny amigny tanin'ireo Filistiny.
8
Dra toera maro isakarazany gny nitafihin' Davida vo reo lelahiny, nanao fanafiha tagny Gesorita, Gizrita, voAmalekita; akory reo firenena reo dra pony tao amigny tany, raha hagnagny sora, dra hatragny amigny tany Egypta hanao. Fa nony tagny ereo faela.
9
Nanafiky gny tany Davida vo sy nisy nangany ho velo na lelahy na apela; nandesiny gny agnondriny, gny agnombiny, gny apondrany, gny rameva, vo gny fitafiany; vo nihery ho agny amin'i Akisy ndraiky izy.
10
Dra hoy i Akisy ho: "Iza gny nitafihindrareo androany?" Dra namaly i Davida ho: " Gny asimon'i Joda," na "Gny asimon'ireo Jaramelita," na "Gny asimonireo Kenita."
11
Sy nisy nangan'i Davida ho velo ba hoandesiny agny Gata na lelahy na apela, fa hoy izy ho: "Ba sy hahafahan'ereo mizaka ho: 'Manao anizao sy zao i Davida." Zay gny nataony nandrisy gny fotoan'aby nonenany tagny aminigny firenen'ireo Filistina.
12
Nino an'i Davida i Akisy dra nanao anizahoky ho: "Fa nataony ze halegnanigny Israely vahoakiny anazy tateraky; noho zay dra ho panopoko mandrakizay izy."