Toko faha 23

1 Dra hoy ereo tamin'i Davida: " Ingo, moaly amin'i Keila gny Filistina vo manola gny fambolia." 2 Ko nivavaky tamin'i Yaveh Davida ba hagnapy anazy dra nagnotany Anazy ho: " Tokony handeha hanafiky an'ireo Filistina reo ra zaho?" Dra hoy i Yaveh tamin'i DAvida: "Mandehana vo tafiho reo Filistiny dra vozeo i Keila." 3 Dra hoy reo lelahin'i Davida taminazy: "Ingo, matahosy sika eto Joda. Ko vomaiky handeha ho agny Keila vo hialy amireo tafiky gny Filistina? 4 Dra bo nivavaky tamin'i Yaveh ndraiky Davida ba hagnapy anazy. Namaly anazy Yaveh ho: "Misangana, mizosoa magnagny Keily. Fa hameko anao gny fandrese anireo Filistina." 5 Dra nagnagny Keila i Davida vo reo lelahiny vo nialy tamireo filistina. Nandesiny lavisy reo biby teza vo namely anazy reo tamigny famonoa lahibe izy. Dra voavozin'i Davida gny ponon'i Keila. 6 Gny fa nienga tagny amin'i Davida tao Keila i Abiatara zanadahin'i Ahimeleka, dra nizoso nindray taminigny efoda tegny atagnany izy. 7 Dra zinaka tamin'i Saoly fa nagnagny Keila i Davida. Hoy i Saoly: "Fa namen'agnahary anahy ho eo apelatagnako izy. Dra voahily ao izy akory nidisy tao amigny tana misy vavahady vo fefy." 8 Napitoka gny tafiny aby i SAoly ba hialy, hizoao ho agny Keila, dra hanao fahirano an'i Davida vo reo lelahiny. 9 Dra fatan'i Davida fa manao teti-drasy hanoheran'anazy i Saoly. Dra hoy izy tamin'i Abiatara pisora ho: "Andeso atiky gny efoda." 10 Dra hoy i Davida: "Ry Yaveh, Zagnahariny gny Israely, fa renigny panoponao vatany fa i Saoly dra mitalia hagnegny Keila, ba handringa gny tana nohonigny aminahy. 11 Hanolosy anahy ho eo atagnany ra gny olonigny Keila? Hizoso ra i Saoly, araky gny reny panoponao? Ry Yaveh, Zagnahariny gny Ysraely, mitalaho aminao zaho, miangavy re ba zakao gny panoponao." Dra hoy Yaveh ho: "Hizoso izy." 12 Dra hoy i Davida ho: " Hatolosy gny olon'i Keila ho eo atagnan'i Saoly ra zaho vo reo lelahiko? Dra hoy Yaveh ho: "Hanolosy anao ereo>" 13 Dra nengavy i Davida vo reo lelahiny, ze tokony ho teo amigny enizato, dra niala boak'ao Keila, dra nandeha nifindrafindra toera . Nambara tamin'i Saoly fa nienga boak'ao Keila izy, dra nazanony gny fagnezeha. 14 Nizano tao agnaty ferova fatrasy tagny agnefisy i Davida, tegny amigny tany havoa tany agnefis'i Zifa. Nikaroky anazy isanandro i Saoly, nefa Zagnahary sy nanolosy anazy teo atagnany. 15 Dra hitan'i Davida fa nifofo gny ain'i Saoly; Dra tagny agnefisy gny Zifa agny Horesa i Davida. 16 Dra Jonatana, zanadahin'i Saoly, nienga dra nagnagny amin'i Davida tagny Horesa, dra nakahery gny tagnany tao amin'Agnahary. 17 Hoy izy taminazy ho: "Ka matahosy. Fa sy ho hitanigny tagnan'i Saoly rako hanao. Hanao gny ho pazaka eo amigny Israely, vo zaho dra ho eo agnilanao. fatas'i Saoly rako zay." 18 Nanao fagneke teo anoloan'i Yaveh ereo. Dra nizano tao Horese i DAvida, Jonatana noly tagny anigny fonenany. 19 Dra nagnatonan'i Saoly tao Gibea reo Zifita dra nizaka ho: "SY i Davida ra gny mivony agny aminay ao agnatinigny batery ferova fatrasy agny Horesa, agny amigny havoa Hikila, ze agny asimon'i Jesimona? 20 Amizao mizosoa, ry pazaka! Araky gny sitrakao, mizosoa! Honolosy anazy ho eo apelatagnanigny pazaka gny azarany." 21 Dra hoy i Saoly: "Yaveh anie hitahy andrareo. Fa nangoraky anahy handrareo. 22 Mandehana, atovy azo atoky kokoa. Fataro vo taliavo gny toera ze hivoniany vo ze nahita anazy tagny. Zinaka taminahy fa sy fesy vatany izy . 23 Dra atio, dra fataro reo toeran'aby ze hagnavonia gny vatany. Dra miheregna aminahy atiky ndraiky hizaka marimary kokoa, dra hindray amindrareo hihery zaho. Raha agny amigny tany izy, dra hokarohiko amireo Joda agnarivony aby." 24 Boak'eo nisanga ereo dra nagnagny Zifa melohen'i Saoly. Dra tagny amigny efisy gny Maona i Davida vo reo lelahiny, tagny Araba Asimon'i Jesimona. 25 Nandeha nitalian'anazy Saoly vo gny lelahiny. Fa zinaka tamin'i Davida zay, dra nizoso tagny amigny tany havoa be vato izy vo nony tagny amigny tagny agnefisy Maona. Gny fa nahare anizay i Saoly, dra nagneziky an'i Davida tagny agnaty afis'i Maona izy. 26 Dra i Saoly nandeha tamigny ilanigny loham-bohisy raiky, Davida vo reo lelahiny koa tamigny ilany reiky hafa. Nandeha malaky i Davida ba hagnalavisy an'i Saoly. Raha fa nagnodidin'an'i Davida vo gny lelahiny i Saoly vo gny lelahiny ba hangalaky anazy reo, 27 dra nisy pinday zaka nagnaton'an'i Saoly dra hoy izy taminazy ho: "Malaky dra avia, fa manao fanafiha hanohisy gny tany reo Filistina." 28 Dra nihery boak'amigny fagnezehan'an'i Davida i Saoly dra nandeha nifanandry tamireo Filistina. Noho zay gny nitokavanan'io toeran'io ho: Vatolapinigny Fenga. 29 Niakasy boakagny Davida dra nony tao amireo ferovafatras'i En-jedy.