Toko faha 13

1 Telopolo tao i Saoly no nanomboky nazaka; gny fa nazaka efapolo tao teo amin'Israely izy, 2 dra nifaty lahibe telo arivo teo amin'Israely. Rao arivo gny nindray taminazy tagny Mikmasy vo tagny amigny havoanigny tananan'i Betela, raha gny arivo koa nindray tamin'i Jonatana tagny Gibean'i Benjamian. Reo miaramila sisa tavela dra nalefa noly, gny lelahy sirairay samby ho agny an-dainy aby. 3 Nandresy gny toby maramilanigny Filistina i Jonatana zay tagny Geba vo nahare anizay reo Filistina. Dra nisioky tropetra nanera gny tany aby i Saoly, nizaka ho: ''Aoka hahare reo hebreo.'' 4 Renigny Israely aby fa i Saoly dra nandresy gny miaramilanigny Filistina, vo gny Israely avo koa dra avy embo lo ho an'ireo Filistina. Vo reo miaramila dra napitokava hivondro hindray an'i Saoly agny Gigala. 5 Nindray nivory reo Flistina ba hialy hanohisy gny Israely: Kalesy telo arivo, lelahy enina arivo hinday reo kalesy, vo atoko maro an'isa manahaky gny fasy egny amoron-dranomasy. niakasy ereo vo nitoby tagny Mikmasy, atsinanan'i Betavena. 6 Gny fa hitan'ireo lelahin'Israely fa nisavoritaky ereo___fa ory gny vahoaky, dra nivony tao amireo zohy, tao amigny ala kitiky, tao amireo haram-bato, tao amireo famorian-drano, vo tao agnaty lavaky gny vahoaky. 7 Gny ilany tamireo Habreo nisaky an'ny Jordana ho agny amigny tanin'i Gada vo Gileada. Fa i Saoly koa dra bo tagny Gilgala, vo gny vahoaky aby nindray aminazy tamim-patahora 8 Nandigny nandrisy gny fito andro izy, gny fotoa ze namen'i Samoela. Fa Samoela sy avy tagny Giligala,vo gny vahoaky dra niparitaky niala teo amin'i Saoly. 9 Hoy Saoly: ''Andeso aminahy atiky gny fagnatisy oroa vo gny fagnati-pihavana.'' Dra natolony gny fagnatisy oroa. 10 vatany vo voatolony gny fagnatisy oroa dra avy i Samoela. Niboaky niseza vo nanalama anazy i Saoly. 11 Vo hoy Samoela: ''Ino gny nataonao?'' Namaly i Saoly ho: ''Gny fa hitako fa nialoha taminahy gny vahoaky, vo sy avy teto aminahy tamigny fotoa name hanao, vo reo Filistina fa nivory tagny Mikmasy, 12 dra hoy zaho ho: 'Amizao reo Filistina dra hizoso hanohisy anahy ao Gilgala, vo izaho sy nitalia gny fakahasitrahan'i Yaveh.' Ko nanery gny vatako hanolosy gny fagnatisy oroa zaho.'' 13 Vo hoy Samoela tamin'i Saoly: '' Nanao hamola hanao. Sy nitandry gny didin'i Yaveh zagnahary zay nameny anao hanao. Fa tamizay gny nanobian'i Yaveh gny fanapahanao eo amin'Israely mandrakiazy. 14 Fa amizao dra sy hitohy gny fanapahanao. Nitalia lelahy raiky araky gny fony avo Yaveh, vo Yaveh nanendry anazy ho andriana eo aminigny vahoakiny, akory sy nakato ze nandidiany anao hanao.'' 15 Boak'eo dra nagnenga iSamoela dra niakasy boak'agny Gilgala ho agny Gibeanigny Benjamina. Vo Saoly nanisa gny vahoaky ze avy nindray taminazy teo, teo ho eo aminigny enizato lahy teo. 16 Saoly, Jonatana zanadahiny, vo gny vahoaky ze avy nindray tamin'ereo, dra nitoby tao Gibeanigny Benjamina. Fa reo Filistina ko nitoby tagny Mikmasy. 17 Niboaky boak'ao amigny tobin'ireo Filistina tamigny vondro telo reo panafiky. Ny vondro raiky nagnagny Ofra, agny aminigny vondro raiky hafa nagnagny Beti-horona, vo vondro raiky hafa nagnagny aminigny sisin-tany ze hahitava gny lahasakan'i Zeboina magnatriky gny tany efisy 19 Sy nahita panefy nanera gny Israely aby, akory hoy reo Filistina: ''raha sy zay reo Hebreo dra hagnamboasy mesa na lefo honereo.'' 20 Fa reo lelahin'Israely aby dra fa zasy nizoso nagnagny amireo Filistina, gny sirairay ba handragnisy gny loha-pangaliny, gny fihalia taniny, gny famakiny, vo gny asim-boliny. 21 gny sarany dra ro apahatelonigny sekely gny loha-pangaly, vo gny fihalia-tany, vo raiky apahatelonogny sekoly gny fandragnita gny famaky vo gny fagnisia gny fanindro. 22 Ko taminigny andronigny aly, dra sy nahita mesa na lefo teo atagnan'ireo maramila zay nindray tamin'i Saoly vo Jonatana; i Saoly vo Jonatana zanadahiny gny nana anizay. 23 Ireo maramilanigny Filistina dra niboaky nagnagny aminigny lalan'i Mikmasy.