Toko faha 12

1 Hoy i SAmoela tamigny Israely aby: ''Fa niteno gny raha aby nizakandrareo taminahy zaho, vo fananendry pazaka teo amindrareo. 2 Amizao, ingo mandeha eo alohandrareo gny pazaka; vo fa atisy dra fosy volo zaho; vo, reo zanako dra fa eo amindrareo. Fa nandeha teo agnatrehandrareo hatramigny fahatanorako dra mandrak'androany zaho. 3 Tihoky zaho; mizoro vavolombelo hanohisy anahy ao agnatrehan'i Yaveh vo eo agnatrehanigny voahososy. Agnombin'iza gny fa nalako? Apondran'iza gny fa nalako? Iza gny fa nambakako? Iza gny fa napizaliko? Boak'amigny tagnan'iza gny fa nitakarako kolikoly ba hahatapy gny gny masoko? Mizoroa vavolombelo hanohisy anahy, fa haheriko amindrareo zay.'' 4 Hoy ereo ho: ''Sy namitaky anay hanao, sy napizaly anay, na nangalaky inoino boak'ao atagnanolo.'' 5 dra hoy izy tamin'ereo ho: ''Yaveh gny vavolombelo amindrareo, vo gny voahosony gny vavolombelo androany, fa sy nahita na ino na ino teo atagnako handrareo.'' Ereo namaly ho: ''Yaveh gny vavolombelo.'' 6 Hoy i Samoela tamireo vahoaky ho: ''Yaveh gny nanendry an'i Mosesy vo i arona, dra nanday gny razambendrareo niakasy boakagny amigny tany Egypta. 7 Ko amizao, atolory gny vatandrareo, ba hahafako mifandahasy amindrareo eo agnatrehan'i Yaveh mahakasiky reo asa mari'i Yaveh, ze nataony ho handrareo vo gny razambendrareo. 8 Gny fa avy tagny Egypta i Jakoba, dra nitaray tamin'i Yaveh reo razambendrareo, dra nandefa an'i Mosesy vo i Arona i Yaveh, zay nitariky reo razambendrareo hiboaky agn'i Egypta dra nony tamity toera ty ereo. 9 Fa ereo nagnaligno an'i Yaveh zagnahary; dra namarosy anereo teo an-tagnan'i Sisera, ptariky reo tafik'i Hazora izy, teo atagnan'ireo Filistina, vo teo atagnanigny pazakan'i Moaba; reo aby reo gny nialy tamigny razambendrareo 10 Nitaray tamin'i Yaveh ereo vo nanao anizahoky ho: 'Fa nanota zahay, akory nahafo an'i Yaveh vo fa nanopo an'ireo Bala vo reo Astarta. Fa amizao magnafaha anay eo atagnan'ireo fahavalonay, dra hanopo anao zahay.' 11 noho zay dra nagniraky an'i Jerobala, Badana, Jefta, vo Samoela i Yaveh, vo nagnome fandrese andrareo teo amireo fahavalondrareo aby magnodidy andrareo,dra nahafahandrareo niay apilamina. 12 Gny fa hitandrareo fa avy hanohisy andrareo i Nahasa pazakanigny vahoakin'i Amona, dra hoy handrareo handrareo taminahy ho: 'Aha! Faaoky, ho pazaka koa gny hazaka eto aminay'___Fe i Yaveh zagnaharyindrareo, gny pazakandrareo. 13 Igno amizao gny pazaka ze nisafidindrareo, zay nagnatahindrareo, vo zay nitendren'i Yaveh ho pazaka eo amindrareo amizao. 14 Gny matahosy an'i Yaveh handrareo, dra manopoa Anazy, akatoavo gny feony,vo ka matahosy gny didin'i Yaveh, vo samby ho pagnaraky an'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo vo gny pazaka ze mazaka eo amindrareo. 15 Fa raha sy makato gny feon'i Yaveh handrareo, fa mikomy manohisy reo didin'i Yaveh, dra hamely andrareo gny tagnan'i Yaveh, manahaky gny nameleza reo razambendrareo. 16 Ko misangana amizao vo atia izao raha lahibe ze hataon'i Yaveh eto amasondrareo izao. 17 Moa se sy fotoa fiziza vary tritriky izao? Hitoky an'i Yaveh zaho, ba handefasany hotroky vo ora. Dra ho fatandrareo vo ho hitandrareo fa lahibe gny harasiam-pagnahindrareo, zay nataondrareo teo amason'i Yaveh, tamigny alalanigny fangatahandrareo pazaka.'' 18 Ko dra nitoka an'i Yaveh i Samoela; vo tamizay andro zay avo koa dra nandefa ora-barasy i Yaveh. vo dra natahosy fatrasy an'i Yaveh vo i Samoela gny vahoak'aby. 19 DRa hoy reo vahoaky aby tamin'i Samoela ho: ''Mivavaha ho an'reo panoponao amin'i Yaveh zagnaharindrareo, ba sy ho maty zahay. Akory fa nagnapy gny fahotanay aby tamizao raha rasy zao tamigny alalanigny fangataha pazaka zahay.'' 20 Dra namaly Samoela ho: '' Ka matahosy. Fa nanao zao rasy aby zao handrareo, kanefa ka miala amin'i Yaveh, fa manopo an'i Yaveh aminigny fondrareo manotolo. 21 Ka mivily mindray amireo zava-poa zay sy mahaso na mahavozy andrareo, akory dra sy misy italiavan'andrareo. 22 Fa nohonigny agnarany lahibe, dra sy handa gny olony i yaveh, akory mahafaly an'i Yaveh gny hanao andrareo ho vahoaky. 23 Raha gny aminahy, dra sagnatriaviko gny hanota amin'i Yaveh amin'i Yaveh amigny fisahara gny hivavaky ho andrareo. Fa koa hapianasy andrareo gny lala ze sao vo mary zaho. 24 Yaveh avo hatahorako vo manopoa anazy amigny fahamarigna amigny fondrrareo manotolo. Hevero reo raha lahibe zay fa nataony tamindrareo, dra samby ho ringa handrareo vo gny pazakandrareo.''