Toko faha 3

1 Nanopo an'i Yaveh teo aminigny fagnatrahan'i Ely i Samoela zaza. Keliky reo zakan'i Yaveh tamireo andro reo; sy dra nisy fahita ara-paminania matetiky. 2 Tamizay fota zay, Ely,ze fa nanomboky pahina masony dra sy mahita soa, dra nandry teo apandriany. 3 Bo sy maty gny fanilon'agnahary, dra nandry tao aminigny tepolin'i Yaveh i Samoela, tao amize nisy gny fiaran'agnahary. 4 Yaveh nitoka an'i Samoela, nanao anizahoky ho: " tihoky zaho." 5 Nihazakazaky nagnagny amin'i Ely i Samoela nizaka ho: "Tihoky zaho, fanitoka anahy hanao." Hoy i Ely: "Sy nitoka anao zaho, miheregna mandry." Dra nandeha i Samoela dra nandry. 6 Nitoka ndraiky i Yaveh ho: "Ry Samoela." Dra nisanga ndraiky i Samoela dra nagnagny amin'i Ely, nanao anizahoky ho: "Tihoky zaho, fa nitoka anahy hanao." Dra namaly i Ely ho: "Sy nitoka anao zaho, ry zanako, miheregna mandry." 7 Samoela dra bo sy mahafatasy loasy an'i Yaveh, na nisy hafasy boak'amin'i Yaveh bo zinaka taminazy. 8 Nitoka an'i Samoela fagnitelony ndraiky i Yaveh. Nisanga ndraiky i Samoela dra nagnagny amin'i Ely vo nizaka nanao anizahoky ho: "Tihoky zaho, fa nitoka anhy hanao." Dra fatas'i Ely fa i Yaveh gny nitoka gny zazalahy. 9 Dra hoy i Ely tamin'i Samoela: "Mandehana dra miheregna mandry; raha bo mitoka nao ndraiky izy, dra sy maisy mizaka hanao ho: "Mizaka, ry Yaveh, fa miteno gny panoponao."' Dra nandeha i Samoela dra nandry taminigny teorany ndraiky. 10 Avi i Yaveh dra nisanga; nitoka manahaky gny tamireo fotoa hafa ho: "Samoela, Samoela." Dra hoy i Samoela ho: "Mizaka, ry Yaveh, fa miteno gny panoponao." 11 Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Ingo, hanao raha amin'Israely zaho dra gny sofonize mahare anizay aby dra hangory. 12 Amizay andro zay dra hagnatateraky gny raha aby fa nizakako tamin'i Ely momba gny akohonany, hatraminigny farany zaho. 13 Nizaka taminazy zaho fa hisara gny havany ndray mandeha sy mihery gny amireo fahota ze fatany, akory reo zanany dra ninday ozo taminigny vatan'ereo dra sy nanakan'anereo izy. 14 Noho zay dra niay taminigny havan'i Ely zaho fa reo fahotan'io havany io dra sy ho voaonisy aminigny soro na fagnatisy mihisy." 15 Nandry mandra maray i Samoela; dra nanokaky gny vatrangaranigny tragnon'i Yaveh izy. Fa natahosy gny hizaka tamin'i Ely momba gny fahita i Samoela 16 Boak'eo dra nitoka an'i Samoela i Ely dra nanao taminazy ho: " Ry Samoela, zanako." Dra hoy i Samoela ho: "Tihoky zaho." 17 Hoy izy: "Ino gny zaka nizakany taminao? Ka avony anahy re zay. Hanao anizay aminao anie zagnahary, dra mihoasy noho zay aza, raha magnavony raha aminahy gny amireo zaka aby ze nizakany taminao hanao." 18 Dra nizakan'i Samoela taminazy gny raha aby; sy nagnavony na ino na ino taminazy izy. Hoy i Ely: "Izy gny Yaveh. Angao Izy hanao ze mety ho soa aminazy." 19 Nihalahibe i Samoela, vo i Yaveh dra nindray taminazy, dra sy nangany hisy tamireo zaka faminaniany sy ho tateraky. 20 Gny Israely aby hatragny Dana dra hatragny Beri-sheba dra nahafatasy fa i Samoela dra viatendry ho paminanin'i Yaveh. 21 Niseho tao silo ndraiky i Yaveh, akory nitalily gny vatany taminigny zakany tamin'i Samoela tao Silo Izy.