Toko faha 22

1 Vo niala tagny Davida dra nienga tao an-dava-baton'i Adolama. Raha nahare anizay reo rahalahiny vo gny havan'drany aby, dra nizoso tagny aminazi izy reo. 2 Gny olon'aby ze tao agnaty fahoria, gny olon'aby ze tao agnaty trosa, dra gny olo'aby ze sy faly___ereo aby dra niango tao aminazy. Lasakapiteninigny piamby teo amin'ereo i Davida. Nisy teo amigny efa-zato lahy teo gny nindray taminazy. 3 Dra niala teo hognagny Mizpa ao Moaba i Davida. Hoy izy tamigny pazakan'i Moaba ho: "Ba mengavy re aoka gny rako vo gny reniko hiboaky hindray aminao mandra-pahafatarako anizay hataon'Agnahary honahy." 4 Nangany nindray tamigny pazakan'i Moaba ereo. Gny raka vo gny reniko nitoby nindray taminazy tamigny fotoan'aby naha-toa amigny ferova an'i Davida. 5 Dra Gada paminany nizaka tamin'i Davida ho: "Ka mizanon'ao amigny ferova fatrasy . Misangana vo mandehana agny amigny zakan'i Joda." Dra niala tao Davida vo nandeha tao amigny alan'i Hareta. 6 Ren'i Saoly fa hita nindray tamireo lelahy ze nindary taminazy i Davida. Dra nitoby tagny Gibea tambaninigny hazo tamariska tao Rama i Saoly, nindray tamigny lefo tegny atagnany, vo gny panopony aby nizoro nagnodidin'aanazy. 7 Hoy i Saoly tamireo panopony nisanga nagnodidin'anazy: "Tenoy zao, ry vahoak'i Benjamina, moa se hagnome saha vo tanim-boaloboky ho anigny siraray aby amindrareo gny zanadahin'i Jese? Moa se hanao andrareo aby ho kapiteninigny tafiky agnarivony vo azatony, 8 ho takalonigny tetindrareo aby hanohisy anahy? Sy nisy tamindrareo gny napahafatasy anahy gny fa nanao fagneke tamigny zanadahin'i Jese gny zanadahiko. Sy nisy tamindrareo nalahelo anahy. Sy nisy tamindrareo napahafatasy anahy fa gny zanadahiko dra napirisiky an'i Davida panopoko hanohisy anahy. Amizao dra mivony vo miambin'anahy ereo mety hanafiky anahy." 9 Dra i Davida Edomita, ze nisanga teo amireo panopon'i Saoly, namaly ho: "Hitako nagnagny Noba gny zanadahin'i Jese, tao amin'i Ahimeleka zanadahin'i Ahitoba. 10 Nivavaky tamin'i Yaveh izy ba hagnapian'anazy gny vasy va gny mesan'i Goliata Filistina". 11 Dra gny pazaka nagniraky olo ba hitoka an'i Ahimeleka pisoro zanadahin'i Ahitoba vo gny havan-drany aby, reo pisoro ze tao Noba. Izy aby ero avy teo amigny pazaka. 12 Hoy i Saoly: "Tenoy zao, ry zanadahin'i Ahitoba." Dra namaly izy ho: " Tihoky zaho, topoko." 13 Dra hoy i Saoly taminazy: "Nagnino hanao gny nitetiky hanohisy anahy, hanao vo gny zanadahin'i Jese, tamigny nagnomezanao anazy mofo, vo mesa, dra nivavaky tamin'agnahary ba hagnapian'anazy, ba hisanganany hanohisy anahy, ba hivony agny amigny vatany, manahak'izao ataony androany zao?" 14 Dra i Ahimeleka namaly gny pazaka dra nanao anizahoky ho: "Iza tamireo panoponao aby moa gny mahatoky fatrasy manahaky an'i Davida, zay vinato lahinigny pazaka vo meraky piambin'anao avo koa, dra ome voninahisy ao atragnonao? 15 Androany vasa gny fotoa volohany nivavahako tamin'agnahary ba hagnapian'anazy? Akory aminahy anie zay! Ka magnenga gny pazaka hagnisy na ino na ino amigny panopony na amigny vandrako aby. Fa gny panoponao dra sy mahay mahalala na ino na ino gny amizao raharah aby zao." 16 Namaly gny pazaka ho: "Sy maisy ho maty vatany hanao, ry Ahimeleka, hanao vo gny havan-dranao aby." 17 Dra nizaka tamigny piamby nisanga nagnodidin'anazy gny pazaka nanao anizahoky ho: "Mitoliha vo vonoy reo pisoron'i Yaveh. Akory gny tagnan'ereo avo koa dra mindray amin'i Davida vo akory nahafatasy anereo fa nienga izy, kanefa sy nitalily anizay taminahy. Fa reo panoponigny pazaka nefa dra sy te-hanizisy gny tagnany hamono reo pisoron'i Yaveh. 18 Dra nizaka tamin'i Doega gny pazaka ho:"Mitoliha vo vonoy reo pisoro. Dra nitoliky vo namely reo pisoro i Doega Edomita; namono olo dimy ambiy valopolo zay nekazo efoda rongomy fosy tamizay andro zay izy. 19 Tamigny lela mesa, gny nanafihany an'i Noda, tananireo pisoro, na lelahy na apela, mota na zaza, vo reo agnomby vo reo apondra vo agnondry. Namono anazy aby tamigny lela mesa izy. 20 Fa raiky tamireo zanadahin'i meleka zanadahin'i Ahitoba, natao ho:Abiatara, nienga nindray an'i Davida. 21 Vo Abiatara nizaka tamin'i Davida fa nivonan'i Saoly reo pisoron'i Yaveh. 22 Hoy i Davida tamin'i Abiatara: "Fataso tamigny andro igny, fa raha tao i Doega gny Edomita, dra sy maisy nizaka tamin'i Saoly izy. Zaho gny tapon'andrekisy tamigny fahafatesan'aby tamigny havandraka! 23 Mizanogna mindray aminahy vo ka matahosy. Fa gny olo ze mifofo gny ainao dra mifofo gny aiko avo koa. Ho voaaro hanao vo zaho."