Toko faha 18

1 Gny fa boak'agny nizaka tamin'i Saoly izy, dra nifamatosy tamigny fagnahin'i Davida gny fagnahin'i Jonatana gny fagnahiny avo koa. 2 Nalan'i Saoly ho amigny fanopoan'anazy i Davida tamin'io andro io; sy nangany hihery agny atragnon-drany izy. 3 Boak'eo Jonatana vo Davida nanao fagneken-pinamana akory nitiavin'i Jonatana manahaky gny akazo gny fagnahiny avo izy. 4 Nagnala gny akazo lava zay nanovany i Jonatana vo nagnome anizay an'i Davida nindray tamigny ferovany,vo gny mesany gny sipiky, vo Fehitroky. 5 Dra nandeha tagny amizay toera nagnirahan'i Saoly anazy i Davida, vo nahomby izy. Nanoby anazy teo amireo lelehin'aly i Saoly. Nakasitrahany teo amasonigny vahoak'aby zay vo teo amasonireo panopon'i Saoly avo koa. 6 Gny fa nandeha noly boaky nandresy reo Filistiny ereo, dra avy boak'amireo tanan'Israely aby reo apela, nihira vo nisizaky, ba hiseza an'i Saoly pazaka, nindray tamigny aponga tapaky, hafalia, vo raha magneno. 7 Nifandimby nihira reo apela gny fa nihira ereo. Nihira ereo ho: ''Nivonon'i Saoly reo Agnarivony, vo Davida koa reo agnaliny.'' 8 Ory vatany i Saoly, vo sy nahafaly anazy zay hira zay. Hoy izy ho: ''Fa nagnome agnaliny ho an'i Davida ereo, nefa agnarivony avo gny namen'ereo honahy. Ino avo koa gny afaky hanagnany afasy gny fitondra-pazaka ?'' 9 Nagnety an'i Davida tami-fiahiahia i Saoly nanomboky tamin'io andro io. 10 Gny andro magnaraky dra nisy fagnahy mapidi-daza boak'amin'Agnahary nizoso teo amin'i Saoly vo nirediredy tao atragno izy. Noho izay dra nihira gny raha-magneno manahaky gny ataony isan'andro i Davida. Vo nana lefo tegny atagnany i Saoly. 11 Narian'i Saoly gny lefo, akory nieriserisy izy ho: ''Ho sindrogniko ho eo amigny rindry i Davida.'' Kanefa ingo tafala gny fagnatrehan'i Saoly tamizay fomba zay i Davida. 12 Natahosy an'i Davida i Saoly, akory, nomba anazy Yaveh, fa sy nomba an'i Saoly sasy. 13 Ko nalan'i Saoly teo amigny fagnatrehany izy vo nitendreny ho pifehy gny arivo. Zay gny fomba niboahan'i Davida vo nandehanany teo anoloanigny vahoaky. 14 Nambiny tamigny lalany aby i Davida, akory nomba anazy Yaveh. 15 Gny fa hitan'i Saoly fa nambinina izy, dra talazo taminazy izy. 16 Fa tia an'i Davida gny Israely vo Joda aby, akory niboaky izy vo nagneo agnoloan'ero. 17 Vo hoy i Saoly tamin' i Davida ho: ''Itihoky i Meraba zanako apela zokiny volohany. Hameko anao ho valy izy. Fa mana Heri-po honahy vo melia gny alin'i Yaveh.'' Fa nieriserisy Saoly ho: ''Ka angan' amigny tagnako, fa aoky gny tagnan'ireo Filistina gny ho eo aminazy.'' 18 Hoy i Davida tamin'i Saoly ho: ''Iza moa zaho, vo iza moa reo havako, na gny fianakavianigny rako agny am' Israely, gny tokony ho vinato lahinigny pazaka zaho?'' 19 Fa tamigny fotoa takony nagnomeza an'i Meraba, zanak'apelan'i Saoly hon'i Davida, dra nameny an'i Adriela Meholatita ho valy izy. 20 Kanefa i Mikala, zanak'apelan'i Saoly, dra tia an'i Davida. Nizaka tamin'i Saoly ereo, vo nahafaly anazy zay. 21 Boak'eo i Saoly nieriserisy ho: ''Hameko anazy izy, ba ho fandriky honazy, vo ba hanohisy anazy gny tagnan'ireo Filistina.'' Dra nizaka fagnindrony an'i Davida ndraiky i Saoly ho: ''Ho vinato lahiko hanao.'' 22 Nandidy reopanopony i Saoly ho: ''Mizaka manoka amin'i Davida, vo Zakao ho: ' Ingo, makasitraky anao gny pazaka, vo tia anao reo panopony aby. Ko amizao, meteza ho vinato lahinigny pazaka.'' 23 Ko nizaka reo zaka reo tamin'i Davida reo panopon'i Saoly. Boak'eo Davida nizaka ho: ''Raha masaiky honao ra gny ho vinatonigny pazaka, akory olo mahatra zaho, vo atao sinosino?'' 24 Nitatisy taminazy reo zaka ze nizakan'i Davida reo panopon'i Saoly. 25 Vo hoy i Saoly ho: ''Zakao an'i Davida zao: 'Sy magniry vodiondry gny pazaka, fa loha'sisy zaton'ireo Filistina avo, ba hamalifaty reo fahavalonigny pazaka.''' Dra nieriserisy Saoly handavo an'i Davida tamigny tagnanireo Filistina. 26 Gny fa nizaka reo zaka reo tamin'i Davida reo gny panopony, dra nahafaly an'i Davida gny ho vinatonigny pazaka. 27 Talohanigny nahadila an'ireo andro reo, dra nandeha nindray tamireo olo Davida vo namono Filistina rozato. Nandesin'i Davida gny loha-sisin'ereo, vo namen'ereo ho anigny pazaka avokoa reo, ba ho lasa vinatonigny pazaka izy. Ko namen'i Saoly anazy ho valy i Mikala zanakapelany. 28 Gny fa hitan'i Saoly, vo fatany fa nomba an'i Davida i Yaveh, vo Mikala zanakapelan'i Saoly, dra tian'anazy, 29 dra natahosy fatrasy kokoa an'i Davida i Saoly. Vo fahavalon'i Davida hatragny i SAoly. 30 Boak'eo reo andrian-dahin'ireo Filistina niboaky hialy, vo ararkaraky gny niboahan'ereo matetiky, gny nahombiazan'i Davida bebe kokoa naho reo panopon'i Saoly aby, Ko dra nalaza gny agnarany.