Toko faha 16

1 Hoy Yaveh tamin'i Samoela ho: ''Mandrak'ombia hanao gny handala an'i Saoly, akory Nilaviko sy ho pazaka manera any Israely izy? Fenoy daloilo gny tandrokao vo mandehana. Hirahiko ho agny amin'i Jese boak'agny Betlehema hanao, fa nifily pazaka honahy amireo zanadahiny zaho.'' 2 Hoy i Samoela ho: ''Ino gny fomba andehanako? Raha mahare anizay Saoly, dra ho vonony zaho.'' Hoy Yaveh ho: ''Mindesa agnomby vaviny masaiky miaraky aminao vo zakao ho: 'Avy hano soro ho an'i Yaveh zaho.' 3 Tokavo ho amigny soro i Jese, dra hasehoko anao ze hataonao. Hagnososy gny raiky ze ho zakako aminao honahy hanao.'' 4 Nanao araky ze nizakan'i Yaveh i Samoela vo nandeha tagny Betlehema. Natahosy reo loholo teo amigny tana gny fa avy hihao aminazy izy reo vo nizaka ho: '' Avy ba hihava ra hanao?'' 5 Hoy izy ho: ''Hihava; avy hanao soro ho an'i Yaveh zaho. Miomana handrareo hanoka gny tagnandrareo vo mindresa aminahy ho agny amigny fanova soro.'' Dra nanoka an'i Jese vo reo zanadahin'ereo nanasa anereo ho agny amigny fanova soro. 6 Gny fa avy ereo, dra nagnety an'i Eliaba izy vo nizaka tamigny vatany ho nijoro nagnoloan'anazy vatany gny voahosos'i Yaveh. Feseky hoy i Yaveh tami'i Samoela ho: "Ka magnety gny andriky ivelany, na gny ahabonigny fisanganany; akory fa nandan'anazy zaho. 7 Fa Yaveh dra sy magnety manahaky gny fagnatianigny olombelo; gny olombelo magnety gny endriky ivelany, fa i Yaveh koa magnety gny ao apo.'' 8 Boak'eo dra nitoka an'i Abinabada i Jese vo napandeha anazy teo alohan'i Samoel. Dra hoy i Samoela ho: '' sy nifily aniraik'ihoky avo koa i Yaveh.'' 9 Boak'eo dra napandeha an'i Sama i Jese, fe seky hoy i Samoela ho: '' Sy nifily an'io avo koa Yaveh.'' 10 Napandalovin'i Jese teo agnoloan'i Samoela gny fito tamireo zanadahiny. Dra hoy i Samoela tamin'i Jese ho: ''Sy nifily an'iza na iza tamireo Yaveh.'' 11 Vo hoy i Samoela tamin'i Jese ho: ''Andeso aby ra reo zanadahinao aby?'' Na maly izy ho: ''Bo misy zanadahiko faralahy tavela, fa miarakandro izy.'' Hoy i Samoela tamin'i Jese ho: ''Mandehana vo alao izy, akory sy hitoby sika mandrapahaviany eto.'' 12 Nandeha i Jese vo ninday anazy nilisy. Vo io tovolahy io dra mena volo vo baribary maso vo soa endeiky ivelany. Hoy Yaveh ho: ''Misangana, hosory izy; fa io gnizy 13 Vo dra nitakarin'i Samoela gny tandroky misy diloilo vo nitakariny teo agevon'reo rahalahiny izy. Nirosaky tamin'i Davida gny Fagnahimasin'i Yaveh tamizay andro zay. Boakeo dra nisanga i Samoela vo nandeha tagny Rama. 14 Vo nagnenga an'i Saoly gny Fagnahin'i Yaveh, dra nisy fagnahy rasy boakamin'i Yaveh napihorohoro anazy. 15 Hoy reo panopon'i Saoly taminazy ho: ''Ingo, misy fagnahy rasy boak'amin'agnahary papikorotanan'anao. 16 Aoka gny toponay handidy reo panoponao ze eo anoloanao ba hitalia lelahy raiky ze feno traik'efa amigny fitendre lokanga. Vo gny fa eo aminao gny fagnahy rasy boak'aminagnahary, dra nitendry anizay izy vo ho sao hanao.'' 17 Hoy i Saoly tamireo panopony ho: ''Italiavo lelahy ze afaky mitendry soa zaho vo andeso aminahy atiky izy.'' 18 Dra namaly gny raiky tamireo tovolahy , vo nanao anizahoky ho: ''Fa nahita gny zanadahin'i Jese gny Betlehemita zaho, zay tena mahay mitendry, matazaky, lelahi-be hipo, lelahinaly, mahay mahay mandaha zaka, lelahy soa tarehy; vo momba anazy i Yaveh.'' 19 Ko dra nandefa pinday hafasy tagny amin'i Jese i saoly, vo nizaka ho: ''Alefaso aminahy i Davida zanakoa lahy, ze mindray amigny agnondry.'' 20 Nangalaky boriky raiky nitariky mofo, divay raiky sisa, vo zanak'osy i Jese, vo nandefa anazy reo nindray tamin'i Davida zanadahiny ho agny amin'i Saoly. 21 Boak'eo dra avy teo amin'i Saoly i Davida vo nanomboky gny fanopoany. Tian'i Saoly loasy izy, dra lasa pinday gny fialiany. 22 Nagniraky an'i Jese i Saoly nanao anizahoky ho: ''Aoka i Davida hizoro eto alohako, akory nahita fitia teo imasoko izy.'' 23 Isaky gny teo amin'i Saoly gny fagnahy rasy boak'aminagnahary, dra nangalaky gny lokanga i Davida vo nitendry anizay. Dra velombelo vo soniky i Saoly, vo niala teo aminaz'eo gny fagnahy rasy.