Toko faha 14

1 Ndray andro, i Jonatana zanak'i Saoly nizaka tamigny zatovo pinday gny fialia ho: ''Andao, andeha sika hisaky egny amigny toby maramilanigny Filistina egny apita.'' Nefa sy nizakany gny babany 2 nitoby teo aminigny magnodidy an'i Gibea ambaninigny hazon'aponga-ben-dagnisy zay tao Migrona i Saoly. Teo ho eo amigny lelahy enizato teo gny nindray taminazy, 3 agnisanizay Ahia, zanak'i Ahitoba (rahalahin'i Ikaboda) zanak'i Finehasa zanak'i Ely, gny pisoron'i Yaveh tao Silo, zay nekazo efoda. Sy fatasy gny vahoaky ho nandeha i Jonatana. 4 Teo aminigny lafa siraray amigny fitana ze nirian'i Jonatana handehana ba handehanaa'agny amireo maramilanigny Filistina, dra nisy haram-bato teo aminigny andagniny vo haram-bato hafa teo aminigny agnilany. Gny harambato raiky natao ho Sena. 5 Gny haram-bato raiky nizoro teo avarasy nagnoloa an'i Mikmasy, vo gny hafa teo asimo teo agnoloan'i Geda. 6 Hoy Jonatana taminigny zatovo pinday gny felia: ''ndao, handeha sika hepita egny aminigny maramilan'ireohava sy voafora reo. Vasa Yaveh ba hiasa hosika, fa sy misy na ino na ino mahasaka an'i Yaveh aminigny famoze amigny maro na amigny olo keliky.'' 7 Namaly gny pinday gny felia ho: '' Atovy gny raha ze ao aponao. Mandrosoa, ingo, mindray aminao zaho, ba hakato reo baikonao aby.'' 8 Dra hoy Jonatana ho: ''Hisaky ho egny amireo lelehy sika, vo hiseho eo amin'ereo. 9 Gny mizaka amisika ereo ho: ''Mandignisa egny mandra pahaviany egny amindrareo'___dra hizano eo amigny toerasika sika dra sy hisaky egny aminereo. 10 Kanefa raha mamaly ereo ho: ' Mandehana aminay atiky', dra hisaky sika; akory fa natolos'i Yaveh ho eo atagnasika ereo. Izay gny ho famatara hosika.'' 11 Koa samby niseho teo amigny toby maramilanigny Filistina ere. Hoy reo Filistina: ''Ingo, miboaky boakao amireo lavaky zay nagnavonia ereo gny vatany reo Hebreo.'' 12 Dra nitoka an'i Jonatana vo gny pinday gny felia reo lelahinigny maramila, dra nanao anizahiky ho: ''mekara aty aminay, dra hatoironay raha handrareo.'' Hoy Jonatana tamigny pinday gny felia: ''Mindresa aminahy boak'afara, akory fa natolos'i Yaveh eo atagnanigny Israely ereo.'' 13 Nihanika taminigny tagnany vo gny tombony i Jonatana, vo nindray tao afara gny pinday gny felia. Nivono teo alohan'i Jonatana reo FIlistina, vo gny panday gny felia namono gny ilany tao afara. 14 Zay fanafiha volohany zay nataon'i Jonatana vo gny pinday gny felia zay, dra nahafaty tokony ho lelahy ropolo tao amigny farisy gny asasa-hektara. 15 Nisy savoritaky lahibe tao atoby, tagny asaha, vo teo amireo vahoaky. Na dra gny maramila vo reo panafiky aza dra natahosy. Nihovisovisy gny tany, vo nisy tahisy lahibe. 16 Vo reo pitilin'i Sovaly tagny Gileanigny Benjamina nagnety; niparitaky gny vahoakinigny maramila Filistina, dra nagnatoa nagnaroa ereo. 17 Dra hoy Saoly tamigny vahoaky ze nindray taminazy: ''Isaho vo atio ze sy eto gny avy amisika.'' Gny fa nanisa ereo, dra i Jonatana vo gny pinday gny felia gny sy teo. 18 Hoy Saoly tamin'i ahia: ''Andeso atiky gny fiaran'agnahary,'' fa tagny aminigny vahoakinigny Israely zay tamin'izay fotoa zay. 19 Raha bo nizaka taminigny pisoro i Saoly, dra nitohy vo nitimbo gny tabataba tao atobinigny Filistina. Dra hoy Saoly taminigny pisoro: ''Ahemoro gny tagnanao.'' 20 Nivondro v o nandeha tagny agnaly i Saoly vo gny vahoaky aby ze nindray taminazy. Gny mesanigny Filistina sirairay dra namely gny piray tana taminazy, vo nisy fifazavogna lahibe vatany. 21 Vo reo Hebreo ze nindray tamin'ireo filistina taloha reo, vo zay nandeha nindray tamin'ereo tagny atoby aza dra ba nikamba tamireo Israely ze nindray tamin'i Saoly vo Jonatana. 22 Gny fa renigny olon'Israely ze nivony tagny amireo havoa agnilan'i Efraima fa nienga reo Filistina, dra nezehin'ereo hatr'agny agnaly reo. 23 Ko tamizay andro zay dra nagnavosy gny Israely i Yaveh, vo nihoasy hatargny Betavena gny aly. 24 Ory gny olonigny Israely tamizay andro zay akory i saoly nanoby gny vahoaky tao ambany fiegna vo nanao anizahoky ho: ''Voaozo gny olo ze mihina sakafo mandra-pahariva vo zaho dra hamaly faty eo amireo fahavaloko.'' Dra sy nisy olo boakao aminigny atoko nanendry sakafo. 25 Vo nidisy tao agnala gny vahoak'aby vo nisy tately teo aminigny tany. 26 Gny fa nidisy tao agnala gny vahoaky, dra nikoria gny tately, nefa sy nisy olo nanao gny tagnany tao am-bavany akory natahosy gny fiegna gny vahoaky. 27 Nefa sy ren'i Jonatana fa namehy gny vahoaky taminigny fiegna gny babany. Dra nanandrasy gny lohanigny tehiny ze teny atagnany izy vo nanasoboky zay tao amigny toho-tately. Napiakasy gny tagnany teo ambavany izy, dra nazava gny masony. 28 Vo gny raiky tamigny vahoaky, namaly ho: ''Novesarinigny ranao tamigny fiegna henja vatany gny vahoaky, taminigny nizakany ho: 'Voaozy gny olo ze mihina sakafo amity andro ty ,' na dre maleminigny haresea aza gny vahoaky.'' 29 DRa hoy Jonatana: ''Nagnakorota gny tany gny raiky. Atio fa lasa nazava gny masoko akory nagnadra kely tamity tately ty zaho. 30 Magneky raha nihina am-pelalaha tamin'ereo ze hitany androany gny olo? Akory sy lahibe teo amireo Felistina gny famonoa amizao. 31 Tamiio andro io dra nanafiky reo Filistiny nanaomboky tao Mikmasy hatragny Aialona ereo. Gny fa tateraky gny vahoaky. 32 Nihazakazaky fatrasy tamireo voaroba gny vahoaky dra nangalaky agnondry, agnomby vo zanak'agnomby, vo namono reo teo aminigny tany. Nihinanan'izay nindray tamigny lio gny vahoaky 33 Dra hoy ereo tamin'i saoly: '' Ingo, nanota tamin'i Yaveh taminigny fihinana nindray taminigny fihinana nindray taminigny lio gny vahoaky.'' Hoy i Saoly: ''Nanao izay sy matoky handrareo. Amizao, manakodiava vato lahibe eto honahy.'' 34 Hoy i Saoly: ''Miboaha boak'ao aminigny vahoaky, vo zakao ereo ho: 'aoky gny olo sirairay hinday gny agnombiny vo gny agnondriny, vonoy eto reo, vo hano. Ka manota amin'i Yaveh aminigny lio.''' Ko gny sirairy taminigny vahoaky dra dra nanday gny agnombiny nindray taminazy tamy hariva io vo namono anizay teo. 35 Namboasy alitara ho an'i Yaveh i Saoly, ze alitara volohany namboarany ho an'i Yaveh. 36 DRa hoy Saoly: ''Handeha sika hagneziky reo Filistina gny hariva vo handrava anereo zisiky maray ; andeha sy angasika hisy ho velo dre raiky aminereo aza.'' Namaly ereo ho: ''atovy gny raha aby ze mety ho soa aminao.'' Nefa hoy gny pisoro: ''Handeha sika hagnato an'agnahary eto.'' 37 nagnotany an'agnahary i Saoly ho: ''Tokony hegeziky reo Filistina se zaho?'' Hanolosy anereo eo atagnanigny Israely se Hanao? Nefa sy namaly anazy zagnahary tamin'io andro io. 38 Dra hoy i Saoly: '' Avia eto; handrareo pitariky gny vahoak'aby; fataro vo atio gny fombanitrangan'izao fahota zao androany. Fa, raha bo velo koa Yaveh, ze magnavosy gny Israely, na dre ao amin'i Jonatana zanako aza zay, dra ho maty vatany izy.'' Nefa sy nisy tamireo olo teo amigny vahoak'aby namaly anazy. 40 Dra hoy izy taminigny Israely aby: ''misangana eo amigny agnilany, zaho vo Jonatana zanako dar hoeo amigny andagniny.'' Hoy gny vahoaky tamin'i Saoly: ''Atovy ze mety ho soa aminao.'' 41 Dra hoy saoly tamin'i Yaveh, Zagnahariny Israely: ''asehoy gny Tomima. ''Jonatana vo saoly gny azo tamigny filoka, fa tafiala syu voafily koa gny vahoaky. 42 Dra hoy Saoly: ''Manova filoka aminahy vo Jonatana zanako.'' Dra i Jonatana gny voafily taminigny filoka. 43 Dra hoy Saoly tamin'i Jonatana: ''Zakao anahy ze nataonao.'' Hoy Jonatana taminy: ''Nagnandra kely taminigny tately teo aminigny volinigny hazo ze tety atagnako zaho. Tihoky zaho; ho maty zaho.'' 44 Hoy Saoly: ''Hanao anizay zagnahary vo hanao mihoasy aminahy avo koa, raha sy maty hanao, ry Jonatana.'' 45 Dra hoy gny vahoaky tamin'i Saoly: ''Tokony ho maty ra i Jonatana, ze nahatateraky anizao fandrese lahibe ho anigny Israely zao? Sagnatria anie zay! Raha bo velo koa i Yaveh, dra sy hisy singa raiky aminigny volon-dohany hilasaky aminigny tany, fa niasa nindray tamin'agnahary izy androany.'' dra nagnavosy an'i Jonatana gny vahoaky gny zay dra sy maty izy. 46 Dra nisahasy sy nagneziky gny Filistina i Saoly. vo nandeha tagny aminigny toeran'ereo gny Filistina. 47 GNy fa nanomboky nanapaky gny Israely i Saoly, dra nialy tamireo fahavaoly aby tegny aminigny lafiny maro izy. Nialy taminigny Moaba, reo Amonita,Edoma, reo pazakan'i Zoba, vo reo Filistina izy. Na teza na teza nihodihany, dra napandesiny sazy izy reo. 48 Niasa tamin-kerim-po lahibe izy dra nandresy reo Amalekita. Namozy gny Israely ho afaky tamigny tagnan'ireo ze nanola anereo izy. 49 Reo zanadahin'i Saoly dra i Jonatana, Jisvy, vo Malkisa. Gny agnaran'ireo zanany ro vavy dra i Meraba, vavimatoa, vo MIkala,faravavy. 50 Ahinoama gny agnaranigny valin'i Saoly; zanak'abelan'i Ahimaza izy. Ny agnaranigny kapiteninigny tafiny dra Abnera zanak'i Nera, rahalahin'dran'i Saoly. 51 Kisy gny baban'i Saoly; vo Nera, baban'i Abnera, gny zanadahin'i Abiela. 52 Nisy aly fatrasy teo amireo Filistiny taminigny andron'i Saoly aby. Gny fa nahita olo mahery, na olo mahery fo i Saoly, dra nahainy honazy.