TOko faha 10

1 Dra nangalaky gny tavoara misy diloilo i Samoela, nandraraky anizay teo agnabolohan'i SAoly, vo nanoraky anazy. Hoy izy ho: ''moa se yaveh sy fa nanorasy anao ho panapaky gny lovany? 2 gny fa nagnenga anahy hanao amizao, dra hahita lelehy rolahy eo agnilanigny lolon-dRahely, ao amigny faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hizaka aminao ereo ho: 'reo boriky ze nitaliavinao dra fa hita. Amizao gny razambenao dra nisahasy sy namarahy gny amireo boriky vo dra ka matahosy gny momba anao,mizaka ho: ''Ino gny tokony hataoko mahakasiky gny zanadahiko?''' 3 DRa handeha lavidavisy vatany boakagny hanao, dra hoavy eo amigny hazo terebintan'i Tabara. Hihao amigny lelehy telo mandeha ho agny amin' agnahary agny Betele hanao, gny raiky minday zanak'osy telo, gny hafa manday mofa telo, dra gny hafa minday sinin-divay holosy. 4 hiarahaba anao izy dra hagnome mofo ro anao, halanao boak'eo atagnanereo. 5 Afaran'izay , dra hihery ho eo amigny havoan'i Zagnahary hanao, zay misy gny miaramilan'ny Filistina. Gny fa avy ao amigny tana hanao,dra hihao amigny paminany maromaro hizoso boakagny amigny toera abo miarak'amigny lokanga, aponga tapaky,sodina, vo valiha eo alohan'ereo ; haminany ereo. 6 gny Fanahin'i Yaveh hilasaky eo aminao, vo haminany mindray aminereo hanao, dra hiova ho lelahy hafa. 7 dra gny fa niavy aminao reo famatara reo, dra atovy ze hitanao fa tokony hatao, akory zagnahary momba anao. 8 Mizosoa eo alohako ho agny Gilgala. Dra hizoso agny aminao zaho hanolosy reo fagnatisy oroa vo hanao soro fanati-pihavana. mandignisa fito andro mandra-pandehanako ho eo aminao vo hasehoko anao ze tokony hatonao.'' 9 Gny fa nitili-damosy hagnenga an'i Samoela i Saoly, dra namen'i zagnahary anazy gny fo vaovao. Dra avy gny famataran'aby reo tamizay andro zay. 10 Gny fa avy tegny amigny havoa ereo, dra nisy paminany maromaro nitozy anazy ,dra gny Fagnahin' agnahary nizosy teo aminazy dra naminany nindray taminereo izy. 11 Gny nahita anazy nindray tamireo paminany gny olon'aby ze nahay anazy teo aloha, dra nifapizaka gny olo ho: ''Ino gny nahazo gny zanadahin'i Kisy? Agnisanigny raiky amireo paminany koa ra i Saoly? 12 Nisy lelehy nitoboky teo ami'io toera io namaly ho: ''Dra iza gny babanereo?'' Gny zay izy,dra lasa fizaka gny ho: '' agnatinigny paminany avo koa ra i Saoly?'' 13 Gny fa nahavita gny faminania izy dra nagnagny aminigny fitoboha abo. 14 Dra hoy gny dadatoan'i Saoly taminazy vo gny panopony ho: ''teza gny nandehanandrareoa?'' Namaly izy ho: ''nitalia gny boriky. ny fa hitanay fasimety hitanay reo, dra nagnagny amin'i Samoela izahay.'' 15 hoy dadatoan'i saoly hoa:'' ba zakao aminahy le ze nizakan'i samoela tamindrareo.'' 16 Namaly gny rahalahin-drany i Saoly ho: ''Nizaka taminay mazava soa izy fahita reo boriky. ''Fa sy nizaka taminazy gny momba gny zaka fazaka, zay fa nizakan'i Samoela izy. 17 Dra nitokavin'i Samoela hindray teo alohan'i yaveh tao mizpa reo vahoaky. 18 Hoy izy tamireo olon' Israely ho: ''Zahoky gny raha nizakan'i Yaveh, zagnahariny gny Israely: 'Napiboaky gny Israely hiala boakao Egipta Zaho vo nagnavosy andrareo teo amigny tanan ireo Egyptianina, vo tamigny tagnan'ireo fazakan'aby ze napahory anereo,' 19 Fa amizao nanda gny zagnaharindrareo, ze nagnavosy andrareo tamin'ireo loza va fahoriandrareo aby handrareo ; vo nizaka nizaka tamiazy handrareo ho: 'manobia pazaka eo aminay.' Amizao atolory eo alohan'i Yaveh arak'ireo fokondrareo vo reo vondrondreo gny vatandrareo,'' 20 Dra nagnariny an'i Samoela reo fokon'Israely aby, vo gny fokon'i Benjamina gny voafily. 21 Boak'eo dra nandesiny nagnariny gny vondron'ereo gny fokon'i Benjamina; vo gny fokonigny Matrita gny voafily, vo Saoly zanadahin'i Kisy dra voafily. Fa gny fa nandeha nitalia anazy ereo, dra sy nety hita izy. 22 Vo gny olo dra tehanoby fagnotania maromaro tamin'Agnahary ho: ''Bo misy lelshy hafa ho avy ra?'' Yaveh namaly ho: ''Nagnavony gny vatany eo amireo eta izy.'' 23 Dra nihazakazaky ereo vo nangalaky an'i Saoly boakao. Gny fa nisanga teo amireo olo izy,dra lava mihoasy gny olon'aby boak'eo asorony gny miakasy izy. 24 Dra hoy Samoela tamireo olo ho: ''Hitandrareo ra gny lelahy ze fa voafilin'i Yaveh? sy misy olo manahaky anazy eo amigny vahoak'aby!'' Gny olon'aby nitokatoka ho: '' Ho ela velo gny pazaka!'' 25 Dra nizaka tamigny vahoaky reo fomba vo reo fisipiky gny fazaka i Samoela, nanorasy reo tao agnaty boky, vo nanoby anizay teo agnatrehan'i Yaveh. Boakeo dra nalefan' i Samoela gny vahoak'aby, ho agny aminigny tragnony aby. 26 Noly tagny antragnony tao Gibea avo koa i Saoly, vo nindray tamireo lelahy matazaky ilany, ze nikasihin' agnahary gny fony. 27 Fa gny ilany tamireo olo sy misy dikany nanao anizahoky ho: ''Ino gny hahafahan'io lelahhy io magnavosy anay?'' Nagnaraby an'i Saoly reo olo reo vo sy ba ninday fagnomeza honazy. Fa nangina koa i Saoly.