Toko faha 9

1 Ary na die ny fagnekena vôlohany aja die nanagna fitsipim-pivavahana sy fitobohana masina eto an-tany. 2 Fa nisy Taberinakely ijay nomagnina. Ny efitra vôlohany, ijay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, ary ny mofon'ny fagnatrehana, die nangihina hoe fitoerana masina. 3 Ao ambadiky ny lamba faharoa die nisy efitra raika hafa, angihina hoe toerana Masina indrindra. 4 Nisy alitara volamena hôn'ny ditin-kajo magnitra ijany.Nisy ny fiaran'ny fagnekena mandy koa, ijay feno volamena tanteraka. Tao agnatin'ijany die nisy sihô volamena ijay nisy ny mana, ny tehign'i Arona ijay naniry, ary ireo vato fisaky ny fagnekena. 5 Egny ambonin'ny fiaran'ny fagnekena, die Kerobima be voninahitra rahabe no magnaloka ny sarogna fandrakofana, ijay tsy afaka jakainay amin'ny antsipiriany ankehitriny. 6 Laha efa vôomagna ireo raha ireo, die niditra tao amin'ny efitra ambohon'ny tabernakely fahijay ireo mpisorogna ba hambôtre ny fanopôndreo. 7 Fa ny mpisorom-be mandy no niditra indraimandeha isan-taogna tao amin'ny efitra faharoa, ary niaraka tamin'ny rà ijay natolony hôn'ny régnany sy hôn'ireo fahotana tsy niegnan'ireo olo. 8 Nasehon'ny Fagnahy masina fa ny lalagna mandeha ao amin'ny toerana masina indrindra die bola tsy naseho laha bola mitsangangna ny tabernakely vôlohany. 9 Ijany die fagnoharana hôn'ijao fotôgna ankehitriny ijao. Ireo fagnomejana sy ireo sorogna ijay atolotra ankehitriny die samy tsy afaka hahatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka raike. 10 mifantoka amin'ny rahanina sy raha finomina sy karajagna fomba fidiovana rahabe fotsiny ireo. Ireo manontolo ireo die fitsipika hôn'ny nofo manontolo ijay namena mandram-bagnamboarana ny fandaminana vôvao. 11 Kristy die niavy hôtran'ny mpisorognaben'ireo raha tsara ijay avy. Nandeha tamin'ny alalan'ny taberinakely angeja kokoa sy lafatra kokoa ijay tsy namboarin'ny tagnan'olombelogna Ijy, ijay tsy an'ijao tontolo vôjagnahary ijao. [Fagnamarihana: ireo dika teny sasagny die mivaky hôtran'ijao: "Jesôsy die avy hôtran'ny mpisorognaben'ireo raha tsara ijay ho avy.''] 12 Tsy tamin'ireo ràn'osy lahy sy vantotra aomby vavy ijany, fa tamin'ny ràny manokagna ijay niditra tao amin'ny toerana masina indrindra indraimandeha monja ho an'ny manontolo ary niaro ny famonjetsiena mandrakijay. 13 Fa laha ny ràn'ireo osy sy ireo aomby lahy ary ny famafajana ny lakevognin'ny vantotr'aomby vavy eo amin'ireo ijay lasa maloto no manokagna anajy ireo eo amin'Andriamanitra ho fagnadiovana ny nofon'ijy ireo, 14 hôtran'ny akory ny fihoaran'ny ràn'i Kristy, ijay manolotra ny tegnany tsy misy kilema hôn'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fagnahy mandrakijay, hagnadio ny fieritreretantsena hiala amin'ny asa maty ba hanompôna ilay Andriamanitra velogna? 15 Noho ijany antony ijany, die Ijy no mpambôtre lalàna ny fagnekena vôvao. Ijany die, satria nisy fahafatesana raika nitranga ba hagnafaka ireo ijay ambanin'ny fagnekena vôlohany ami'ny fahotany dreo, handray ny fampagnatenan'ny lova mandrakijay ireo ijay vôantso. 16 Fa laha misy didim-panagnana, ny fahafatesan'ilay olo ijay nagnano ijany die tsy mentsy vôporofo. 17 Fa laha efa misy fahafatesana mandy jay vôha manan-kery ny didim-panagnana, satria tsy manan-kery ijany laha ohatra ka bola velogna ilay olo ijay nagnano anijany. 18 Koa na die ny fagnekena vôlohany aja tsy namboarina laha tsy ny rà. 19 Fa laha efa nagnome ny didy manontolo tao amin'ny lalàna tamin'ireo olo manontolo i Mosesy, die nangala an'ireo ràn'ireo aomby sy ireo osy, niaraka tamin'ny rano, volon'ondry jaky mena, hysopa ijy, ary namendraka teo amin'ny boky sy ny olo!manontolo. 20 ary ijy nijaka hoe: Itoy ny ràn'ny fagnekena ijay nandidien'Andriamanitra hônareo.'' 21 Hôtran'ijany koa, die namendrika ny rà teo amin'ny taberinakely sy ireo fitoeran-draha manontolo hampesaina amin'ny fanonpôna ijy. 22 Araka ny lalàna, die saika ny raha manontolo no vôdio tami'ny rà. Laha tsy misy fandatsahan-drà die tsy misy famelan-keloka. 23 Noho ijany die nilaina ny tandindognireo raha agny an-dagnitra ba ho vôdion'ireo sorogn'ireo biby ireo. Na die ijany aja, irao rahan'ny lagnitra mihitsy no nila nidiovina tamin'ny sorogna tsara kokoa. 24 Fa Kristy die tsy niditra tao amin'ny toerana masina indrindra ijay namboarin'ny tagnana, ijay tandindogn'ilay iray ijay tena ijy fotsiny mandy. Fa koja niditra tagny an-dagnitra mihitsy Ijy, ba hiseho eo amin'ny fagnatrehan'Andriamanitra ho antsena ankehitriny. 25 Tsy nenga tao ba hanolotra ny tegnany imbetsaka Ijy, hôtran'ny famboarin'ny mpisorom-be, ijay miditra ao amin'ny toerana masina indrindra isan-taogna niaraka tamin'ny ràn'ny hafa. 26 Fa laha ijany ny raha nitranga, die nila nijaly imbetsaka nanomboka tamin'ny fagnorenana ijao tontolo ijao Ijy. Fa ankehitriny die indraimandeha mandy no nampisehôny Anajy ba hangala ny fahotana amin'ny alalan'ny sorogna ny tegnany manokagna. 27 Efa namboarina ho maty indraimandeha ny olomanontolo, ary afaran'ijany no ho avy ny fitsarana. 28 Hôtran'ijany mandy koa, Kristy, ijay natolotra indraimandeha ba hangala ireo fahotan'ny rahabe, die hiseo mpagnindroany, tsy handraharaha ny ota, fa hôn'ny famonjena ireo ijay mandigny Anajy amim-paharetana.