Toko faha 13

1 Ôka hitohy ny fitiavana ara-pirahalahina. 2 Aja magnadigno ny fampetragnona ny vahiny. Fa tamin'ny alalan'ijany, no naharegnesan'ny sasane fampetragnoana ny anjely nefa tsy fantany ijany. 3 Tsarovy ny vôgadra, hôtra ny hoe niara-nifatotre tamin-dreo anareo. Tsarovy ny ijay nampahoriana , hôtra ny hoe an-dreo mandy koa anareo amin'ny vatagna. 4 Ôka ho hajain'ny tsiraidraike ny fanambadiana. Ôka ny fandren'ny fanambadiana mba hadio, fa Andriamanitre die hitsara ny mpangala-badin'olo sy ny mpijangajanga. 5 Apetrahy ny fitondran-tegnareo ho afake amin'ny fitiavam-bola. Mifalia amin'ny raha je agnanareo, satria Andriamanitre tokôtre die nijaka hoe: ''Iaho die tsy handao mihitsy, na hafoy anareo akory.'' 6 Aleo tsena ho faly mba ha saky hijaka hoe: ''Ny Tompo no Mpamonjiko; ka tsy hangoaigna iaho. Ino no ajon'olo atao aminahy?'' 7 Hevero ny mpitarike anareo, ny je nijaka ny Tenin'Andriamanitre taminareo, die hevero ny vokatrin'ny fihetsikan-dreo. Alay hôtra ny finoan-dreo . 8 Jesôsy Kristy die tsy miova maly, sy androany, die mandrakizay. 9 Kaja magneka tômina amin'ny karazana fampenarana hafahafa. Fa tsara raha tokone hamafisina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina ijay tsy magnampy ny je mandeha miarake amin-dreo. 10 Atsena die managna alitara jay tsy agnanan'ireo je manompo ny tabernakely fahefana hihinagna. 11 Fa ny ràn'ny biby nivonoina atao fagnatitre ho an'ny ota die nindaon'ny mpisoronabe tao amin'ny toerana masina, mandritr'ijany ny vatagnan-dreo die nirôna tagny ivelan'ny toby. 12 Noho ijany Jesôsy mandy koa die nijaly tagny ivelagn'ny vavahadin'ny tanàna, mba hanamasinany vahôke amin'ny alalan'ny ràne manokana. 13 Andao antsena noho ijany ho agny Aminajy agny ivelan'ny toby, hitondra ny fahafaham-barakane. 14 Fa tsy managna tanàna maharite antsena ety. Fa koja, mandigny ny raike ijay ho avy antsena. 15 Amin'ny alalane, ary, die andao antsena hanolotre ny fanati-piderana ho an'Andriamanitre hatrany, fiderana vokatry ny molotra ijay magneke ny agnarany. 16 Aleo tsy adinointsena ny manao ny tsara sy manampy ny tsiraidraike aby, fa amin'ny fanatitre hôtra ijany no tena mahafaly an'Andriamanitre. 17 Mankatoava sy magneke ny mpitarike anareo, fa an-dreo no miahy ny fanahinareo, hôtra ny ijay hanao tatitre. Mankatoava mba hanao ijany am-pifalina ny mpitondra anareo, fa tsy am-pisentoana, ijay lasa tsy misy dikany ho anareo. 18 Mivavaha ho anay, fa ahay die nino fa manana feon'ny fieritreretana madio die magniry hiaigna am-pahamarinana ny raha abiaby. 19 Manosike anareo bebe kokoa aja iaho mba hanao ijany, ka mba hiverina malaky aminareo iaho. 20 Die ny Andriamanitry ny fiadanana, ijay nanangana tamin'ny maty ny mpiandry ondry angeza, ny Tompontsena Jesôsy, tamin'ny alalan'ny ràn'ny fanekena mandrakizay, 21 die hanatsara anareo amin'ny asa tsara aby mba hanôvana ny sitrapone. Ijy anie hiasa ao agnatintsena ijay tena ankasitrahana eo anatrehany, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, ijay homena ny voninahitre mandrakizay. Amena. 22 Die mankahery anareo iaho, ry rahalahy, mba hijaka ny tenin'ny fampaherezana ijay nosoratako fohy ho anareo. 23 Fantaro fa efa nafahana Timoty rahalahintsena, ijay hiarake aminahy hijaha anareo laha avy aloha ijy. 24 Atôvy veloma ny mpitarile anareo abiaby sy ny mpino manontolo. Ny jay avy agny Italia die manao veloma anareo. 25 Ho aminareo abiaby anie ny fahasoavana.