Toko faha 12

1 Noho ijane, satria antsena vôdidigna vavolombelogna rahabe hôtran'ny rahogna, die andao antsena hagnavela ny vesatra abiaby sy ny fahotana mora magnodidigna antsena. Andao antsena hiajakajake am-paharetana ny fiajakajahana ijay natoboke talohakantsena teo. 2 Andao antsena hitandrigna amin'i Jesôsy, ny mpamôloha sy mpagnatontosa ny finôna. Fa lohon'ny hafaliena ijay natoboke talohane teo, die niaritra ny hajofijalena Ijy, tsy niraharaha ny hegnatr'ijane, ary nitoboke teo an-tagnan'ankavanan'ny seja fendrianan'Andriamanitra. 3 Noho ijane eritrereto ny mahakasika an'Aje, ilay raike ijay niaritre fanoherana hôtran'ijane avy tamin'ireo mpagnota hanohitra ny tegnane, mba tsy ho vijake ao am-ponareo anareo ka hilavo lefogna. 4 Tsy mbola nanohitre anareo na niejaka hanohitra ny fahotana hatramin'ny falatsahan-drà, 5 ary hadignonareo ny fampaherejana ijay nampenarina anareo hôtran'ny amin'ireo janake hoe: "Ry janako lahy, aja magnamevagna ny fitsipiky ny Tompo, na mihavijake laha aviline anareo." 6 Fa ny Tompo magnafay ny abiaby ijay tiane, ary Ijy magnasajy ny janaka kiraidraike ijay resine. 7 Miareta fijaliena hôtran'ny fitsipike. Andriamanitra die mitondra anareo hôtran'ny janake. Fa janaka ino no teo ka tsy nifejin'iabane? 8 Fa laha tsy managna fitsipika anareo, ijay anagnan'olo abiaby, die jajasary anareo fa tsy janagne. 9 Ary koa. nanagna an'iaba ara-nofo hôtran'ny mpagnafay antsena, ary magnaja an-dreo antsena. Tsy tokone hankatò loholohon' Iban'ny fagnahy ve antsena ary ho velogna? 10 Fa etsy andagnine, ireo iabantsena nagnafay antsena nandritra ny andro vitsy araka ijay marina tamin-dreo. 11 Nefa etsy ankilane, Andriamanitra nagnano ijane hôn'ijay tsara hôntsena mba ahafahantsena managna anjara amin'ny fahamasignane. Tsy misy famejana miseho ho mafinaritre, fa manaintaigna aja. Kanefa ijane afara kely die mamokatra ny vokatra feno fedagnan'ny fahamarignana hôn'ireo ijay nijarina tamin'ijane. 12 Noho ijane atanjaho ireo tagnanareo ijay misangevaheva sy ireo lohalikanareo maleme. 13 Manôva lalagna mahitsy hôn'ny hongotrareo, mba ijay malemy die tsy hipitsoke fa ho sitragna aja. 14 Magninjeha fedagnana miaraka amin'olo abiaby, ary ny fahamasignana mandy koa ijay tsy hitan'ija n'ija ny Tompo laha tsy miaraka amin'ijane. 15 Mitandrema mba tsy hisy n'ija n'ija tsy hanagna ny fahasoavan'Andriamanitra, ary tsy hisy vahan'ny fangidiana mitombo hiterake savorovoro, mba tsy ho rahabe no hanjary vôloto amin'ijane. 16 Mitandrema mba tsy hisy fijangajangana na olo tsy an'Andriamanitra hôtran'i Esao, ijay nivarotra ny fijokiane hôn'ny hanina raike. 17 Fa anareo mahafantatra fa laha afake ijane, laha nagniry ny handova ny fitahena ijy, die tsy nakena, satria tsy nahita hirike amin'ny fibebahana ijy, na die nandrembe ijane tamin-tomagne aja. 18 Fa anareo tsy avy teo amin'ny tendrombohitre ijay tsy ajo kitihina, tendrombohitry ny afo magnoro, hejigna, fahamejignana, ary tafiotre. 19 Anareo die tsy avy teo amin'ny trompetra magneno mahare, na teo amin'ny feo ijay mijaka ireo jaka ijay ny mpiheno ijane die nangatake mba tsy hisy jaka hafa ho vorianina amin-dreo. 20 Fa areo tsy afake niaritre ijay nididina hoe: "Fa na die ny biby mikitike ny tendrombohitra aja, die tsy mentsy hitilina vato ijane." [Fagnamarihana: Ireo dikanteny saragne talohaka die mivaky hôtran'ijao: "Fa na die biby raike ijay mikitike ny tendrombohitre aja, die tsy mentsy hitilina vato ijane na hivonina amin'ny jana-tsipike."] 21 Fa mampatahotre lôtre ilay fahitana ijay nivorianin'i Mosesy hoe: "Mangorohoro iaho sady magitakitake." 22 Fa anareo koja, die avy teo amin'ny tendrombohitre Jiona ary teo amin'ny tanànan'Andriamanitra velogna, ny Jerosalema agne an-dagnitre, ary teo amin'ireo anjely agn'align'aligna tamin'ny fankalajàna. 23 Anareo die avy teo amin'ny antokon'olon'ny vôlohan-terake, ijay vôsoratre agnarana agne an-dagnitre. Anareo die avy teo amin'Andriamanitra, ilay Mpitsara ny abiaby, ary teo amin'ireo fagnahin'ireo olon'ny fahamarignana ijay namboarina tonga lafatre. 24 Anareo die avy teo amin'i Jesôsy, ilay mpagnalalagna ny fagnikena vaovao, ary teo amin'ny rà latsake ijay tsara lavitre loholohon'ny ràn'i Abela. 25 Ôka anareo tsy handà ilay raike ijay mijaka. Fa laha tsy nilefa areo tamin-dreo nandà ny raike ijay nampitandrigna an-dreo tetiky an-tany, die kitike loholoho no hilefantsena laha mivadike amin'ilay raike ijay mampitandrigna antsena avy agne an-dagnitre antsena. 26 Tamin'ny fotôgna raike, ny feone nagnojongojogna ny tany. Fa amin'ijao fotôgna ijao Ijy nampagnantegna sy nijaka hoe: "Mbôla hagnojongojogna indraike mandeha tsy ny tany mady iaho, fa ny lagnitre mandy koa.'' 27 Ireo jaka ireo, ''Indraike mandeha koa", die midika ny famindrana ireo raha ijay afake hojongojognina, ijane die , ireo raha ijay niforognina, mba hitoboke ireo raha ijay tsy ajo hojongojognina. 28 Noho ijane, satria mandray fanjakana ijay tsy ajo hojongojognina, die ôka ho mpankasitrake antsena ary amin'ijane fomba ijane die hidera an'Andriamanitra am-pagnajàna fatratre sy amin-tahotre. 29 Fa ny Andriamanitrantsena die afo mandevigna.