Toko faha 11

1 Ary ny finôna no antoka amin'ireo javatra nandiasana tamim-pahatokisana. Io no porofon'ireo java-nitranga ijay bola tsy hita. 2 Fa noho ijany ireo rajam-be die nankatoavina nohon'ny finôn-dreo. 3 Amin'ny finôna no hahafantarantsena fa ny didin'Andriamanitra no namorognana ijao tontolo ijao, ka ijay hita maso die natao tamin'ny raha ijay hita maso. 4 Tamin'ny finôna no nanoloran'i Abela fagnatitra tsara kokoa hôn'Andriamanitra noho ny an'i Kaina, tamin'ny alalan'ijany no nagnambarany an'ajy ho marina, ary Andriamanitra nijaka tsara an'ajy noho ireo fagnatiny, ary amin'ny finôna no bola hijakan'i Abela, na die efa maty aja ijy. 5 Tamin'ny finôna no namindrana an'i Enoka ba tsy ahitany ny fahafatesana. "Tsy hita ijy, satria nalain'Andriamanitra." Fa talohan'ny nangalana an'aje, die nitsanganana vavolombelogna fa nankasitrahan'Andriamanitra ijy. 6 Ary laha efa tsy misy finôna die tsy mety ho ankasitrahany. Satria ilaina hoe ijay magnantogna an'Andriamanitra die tsy mentsy mino fa misy ijy ary ijy no mamaly tsara an'ireo ijay mitady an'Ajy. 7 Tamin'ny finôna Noa, no namena ny hafatra avy amin'Andriamanitra momba ireo raha ijay tsy mbola hita, niaraka tamin'ny fagnajana an'Andriamanitra no nagnamboarany ny sambo ijay namonjeny ny ankohonany. Fa tamin'ny fanôvana ijany, no nagnamelohany ijao tontolo ijao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araky ny finôna. 8 Tamin'ny finôna Abrahamq, laha efa nantsoina, no nankatò sy nandeha nenga amin'ilay toerana ijay hajahôny ny lova. Nandeha ijy, tsy nahalala ijay tany nombane. 9 Tamin'ny finôna no niaignany tagny amin'ilay tany nampanantenaina hôtran'ny vahiny. Niaigna tao agnaty tragno lay ijy niaraka tamin'Isaka sy Jakoba, ireo mpiara-mandova amin'ilay fampagnantenana mitove. 10 Fa ijy nandremby ilay tanàna ijay managna ireo fagnamboarana, ilay tanàna ijay Andriamanitra no mpamari-tragno sy mpambôtra tragno. 11 Tamin'ny finôna, na die Saraha ijy tegnany ijay momba aja, no najahôn'i Abrahama ny fahafahana ho raike. Nitranga ijany na die efa tena antitra aja ijy, satria niherina hôtran'ilay matoky namena ilay fampagnatenana ijy. (Fagnamarihana: Misy fagnotanena momban'ny hoe ny finôn'i Abrahama sa finôn'i Saraha no navohitre. "Tamin'ny finôn'i Saraha, na die efa antitra aja ijy, no najahôny hery hanagn'anake, na die efa tena antitra aja ijy hitondra jaja, satria nihevitra ilay nagnome ilay fampagnantenana an'ajy ho matoky.") 12 Noho ijany, avy amin'ijany lelahy ijany, ijay efa ho faty, no nahaterahan'ireo ijay hôtran'ireo kintagna egny an-andagnitra ny habeny sy hôtran'ny fasika magnamorogna ny ranomasina, ijay tsy vôïsa. 13 Tao amin'ny finôna ireny rehetra ireny no maty tsy nandray ireo fampagnantenana. Fa koja, tafaran'ny nahitana sy niarahabana an-dreo avy egny alavitra, die nagneky areo fa vahiny sy sesi-tany ety an-tany. 14 Ho an'ireo ijay mijaka hôtran'ijany javatra ijany die magnajava fa mitady tanindrajagna areo. 15 Laha nieritreritre ny firenena ijay nelany areo, die mety nanagna fahafahana hiverigna. 16 Fa tahaka ijany, nagniry firenena tsaratsara kokoa areo, ka ijany, ilay agny an-dagnitra. Noho ijany tsy mahamegnatra an'Andriamanitra ny vôantso hoe Andriamanin-dreo, ka nagnomagna tanàna hôn-dreo ijy. 17 Tamin'ny finôna Abrahama, laha efa nitsapaina, die nanolotra an'Isaka. Io no janagny lahy tokagna ijay natolone, ijy ilay nahajo ireo fampagnatenana. 18 Tamin'i Abrahama no nilajana hoe: "Amin'ny alalan'Isaka no hanondrôna ireo taranakao." 19 Abrahama die nihevitra fa Andriamanitra die hahavita hanangagan an'Isaka amin'ireo mate, ary amin'ny heviny amin'ny ohatre, avy tamin-dreo no hajahôny an'ajy indraike. 20 Tamin'ny finôna momban'ireo raha ho avy koa no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. 21 Tamin'ny finôn'ny Jakoba, tamin'ijy efa ho faty, no nitso-drano ireo janak'i Josefa kiraidray avy. Nivavaka Jakoba, nitehigna tamin'ny lohan'ny fiokane. 22 Tamin'ny finôna Josefa, laha efa narivo ny fefarany, no nivoria ny fengan'ny janak'Israely avy agny Egypta ary nagnafarany ny amin'ny tôlagne. 23 Tamin'ny finôna Mosesy, laha efa teraka ijy, die navonin'ireo ray aman-dreniny nandritry ny telo volagna satria hitan-dreo fa jaja tsara ijy. Tsy natahotra ny didin'ny mpanjaka areo. 24 Tamin'ny finôn'ny Mosesy, tafaran'ny nahalehibe an'ajy, no nandà ny hangihana an'ajy ho janaka lahin'ny janaka vavin'i Farao. 25 Fa koja, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahôkan'Andriamanitra ijy, hôtran'ijay hankafy ireo fahafinaretan'ny fahotana mandritry ny fotôgna fohike. 26 Nilaja ijy hoe ny fahafaham-baraka amin'ny fagnarahana an'i Kristy die harena angeja hôtran'ireo haren'i Egypta. Satria nampifantoka ireo masony tamin'ny valisoany ijy. 27 Tamin'ny finôna no nengan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy natahotra ny havigniran'ny mpanjaka ijy, fa niaritra ijany hôtran'ny nahitany ilay tsy hita maso. 28 Tamin'ny finôna no nitandremany ny Paska sy ny famafajana ny râ, ba tsy hikasika ny janaka lahimatoan'ireo Israelita ny mpandringagna ny janaka lahimatoa. 29 Tamin'ny finôna no nempitan-dreo ny Ranomasina Mena hôtran'ny mandia tany maigna. Laha efa nagnandragna nagnano ijany ireo Egyptiana, die vôteligna areo. 30 Tamin'ny finôna no nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, laha efa avy nihodidigna nandritry ny fito andro areo. 31 Tamin'ny finôna no tsy nahafaty an'i Rahaba ilay mpivarotegna niaraka tamin'ireo mpaniasia, satria nandray ireo mpisafo tany tamin'ny fiadagnana ijy. 32 Ino mandy koa no afaka Ilajako? Fa ho lany ny fotônko laha mivoria momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ary momban'ireo mpaminagny aho. 33 Tamin'ny alala'ny finôna no najahôn-dreo ny fanjakana, niasa ara-drarine, ary nandray ireo fampagnantenana. Nagnakombogna ny vavan'ireo liogna areo, 34 namono ny herin'ny afo, nilefa ny lelan'ny mesa, nahafaka tamin'ireo aretigna, lasa nahery agn'ady, ary nandresy ireo tafika vahiny. 35 Nitsangagna tamin'ny maty tamin'ny fananganan-ko velogna ireo viave. Ireo hafa die nampijalina, tamin'ny tsy fagnekena ny famotsorana ba hajahôn-dreo fitsanganana tsara kokoa. 36 Ny hafa die nitsapaina tamin'ny fagnesôna sy ireo famihana, eka fa na die ny fehy sy ny fagnagadrana aja. 37 Nitilina vato areo. Nitsifaina hijara rolahiteo areo. Nirenireny tamin'ny hoditr'ondry sy hoditr'osy areo. Nahantra areo, nampihorohoroina, nampahorina. (Fagnamarihana: ny dikan-teny sasagny taloha die mivaky hoe: " Nitilina vato areo. Nitsifaina hijara rolahiteo. Nampandalovina fitsapana. Nivonina tamin'ny mesa.") 38 Ijao tontolo ijao die tsy mendrika an-dreo. Nirenireny tagny agn'efitra, tagny amin'ireo tendrombohitra, tagny amin'ireo lava-bato, ary tagny amin'ireo lavaka ambanin'ny tany areo. 39 Kanefa ireny olo rehetra ireny die neken'Andriamanitra hôtran'ny finôn-dreo, tsy nandray ny fampagnantenana areo. 40 Nanomagna javatra tsara kokoa hôn-tsena Andriamanitra, ba tsy ho lavorary areo, raha tsy misy antsena.