Toko faha 10

1 Fa ny lalàna die alok'ireo raha tsara ho avy fotsiny, fa tsy tena endrik'ireo raha ireo. Ireo ijay magnatona an'Andriamanitra die tsy afake ny ho tsara amin'ny alalan'ny sorogna mitovy amin'ijay indôsin'ireo mpisorogna isan-taogna. 2 Laha ijany tsy efa nijanogna nanolotre iregne sorogna iregne areo? Amin'ijany tranga ijany, laha efa nodiovina indraike mandeha fotsiny areo, die tsy mba hahafantatre ny ota koa ireo mpivavaka. 3 Fa amin'ireo sorogn ireo die misy fampahatsiahivana ireo ota isan-taogna. 4 Satria ny ràn'ny omby lahy sy osy lahy die tsy mahavita mangala ireo ota. 5 Laha avy teto amin'ijao tontolo ijao Kristy, die nijaka Ijy hoe:' Tsy sorogna na koa fanatitra no nirianareo. Fa koja, vatagna ijay efa nomaninareo ho an'Ahe. 6 Ny fanatitra nodorana na sorogna ho an'ny ota die tsy nifalianao. 7 Ary hoy aho hoe:" Jereo, itoy Iaho, arak'ijay vôsoratre momba an'Ahe ao amin'ny Soratra Masina, mba hanao ny sitrakareo." 8 Vôlohany nijaka ijy hoe:" Tsy sorogna, na koa fanatitra, na fanatitra nodorana, na sorogna ho an'ny ota no nirinareo. Ary Ianao tsy nifale tao amin'ijy iregne." Iregne die sorogna ijay atolotre araka ny lalàna. 9 Ary nijaka ijy hoe:"Jereo, itoy Iaho hanao ny sitrakareo.'' Ijy die nangala ny fampiharana vôlohane mba hametrahana ny fampiharana faharoa. 10 Tamin'ijane sitrake ijane, antsena die nohamasinina tamin'ny alalagn'ny fanatitry vatagn'i Jesôsy Kristy indraike mandeha mandy. 11 Amin'ny lafiny raike, ny mpisorogna abiaby die mitsangagna isan'andro manompo an'Andriamanitra. Ijy die manolotra sorogna mitovy fehijay, na ijany aja areo die tsy afake mangala ireo ota mihintsy. 12 Amin'ny lafiny raike hafa, Kristy die nanolotre sorogna raike ho an'ny ota mandrakijay, nidoboke teo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitra Ijy. 13 Ijy die mandigny mandra-panôvana ireo fahavalony ho fitoeran-tongotre ho tongony. 14 Fa tamin'ny fanatitra raike ijy die nahalavorary mandrakijay ireo ijay nohamasignina. 15 Ny fanahy Masina koa die mitsagagna vavolombelogna ho antsena Fa tamin'ny vôlohane Ijy nijaka hoe: 16 ''Ity no fagnekena ijay ho ataoko miarake amin-dreo afaran'ireo andro ireo, hoy ny Tompo. Hapetrako ao am-pon-dreo ny làlako, ary hanoratre an'ijany ao an-tsain-dreo Iaho. 17 Tsy hahatadidy ny ota sy ireo helo-dreo koa aho.'' 18 Ary na aia misy famelana an'ijany, die tsy misy sorogna ho an'ny ota koa. 19 Noho ijany, ry rahalahy, antsena die managna fahatokiana ny hiditre ao amin'ny toerana masina indrindra tamin'ny ràn'i Jesôsy. 20 Ijany no lalana vaovao sady velogna ijay nosokafane ho antsena tamin'ny alalan'ny lamba, ijany hoe, tamin'ny alalan'ny nofone. 21 Satria antsena die magnana mpisorogna lehibe mitandrigna ny tranon'Andriamanitra, 22 ôka antsena hagnatogna amin'ny fo madio amin'ny finôna feno fahatokiana, mba hanagnatsena fo vôdio amin'ny fieritreretana ratsy ary hanagnatsena vatagna vôdio tamin'ny rano madio. 23 ôka antsena hitajogna mahare ny fagnekegna ny fiandrandrana mahatokintsena, tsy am-pihojongonjognana, satria Andriamanitra, ijay nampagnategna, die mahatoky. 24 ôka antsena handinike ny fomba handrisihana ny kiraidraike amin'ny fitiavana sy ireo asa tsara. 25 ôka antsena tsy hagnajanona ny fiarahagna miangogna, hotran'ny nataon'ny saragne. Fa koja mifankahereja fehijay fehijay, ary meke fa hitanareo fa marivo ny andro. 26 Fa laha hôtran-tsena minia magnota laha avy nandrae ny fahalalana ny marina, die tsy misy fanatitra ho an'ny ota koa. 27 Fa koja, raike mandy ny fandignasagna mahatahotry ny fitsarana, ary havigniragna mirehitre ijay hamotike ireo fahavalon'Andriamanitra. 28 Na ija na ija nandà ny lalàn'i Mosesy die ho fate tsy misy indrafo amin'ny fitsanganagna vavolombelognan'ireo roa na telo iay nagnatri-maso. 29 Fagnasajiana ratsy lavitre hôtrin'ny akore no eritreretinareo fa mendrike ireo ijay nagnitsaka ny Janak'Andriamanitra, ijay nagnano ny ràn'ny fagnekena ho tsy masina__Ilay rà ijay nagnamasignana an'Aje__ary naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana? 30 Fa antsena mahafantatre ilay raike ijay nijaka hoe:" an'Ahe ny valifate; Iaho no hamale." Ary koa:" Ny Tompo die hitsara ny olone." 31 Raha mahavaka no hilatsake eo an-tagnan'ny Andriamanitra velogna! 32 Fa tadidio ireo andro taloha , laha nohajavaina anareo, ny fomba niaretanareo ny ady mafy tamin'ny fijaliana. 33 Anareo die nalain barake ampahibemaso tamin'ny fangnejehana, ary anareo die niarake nijara tamin-dreo ijay nandalo fijaliana hôtran'ijany. 34 Satria anareo die nanagna fangoraham-po tamin'ireo ijay nigadra, ary anareo die nagneke tamim-pifaliana ny fangalàna ny fanagnanareo. Die nahafantatre anareo fa ny tegnanareo die managna fanagnana tsara loholoho sy maharitre mandrakijay. [ Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha die tsy ahitana ny fehejanteny hoe:" Fa anareo die nanagna fangoraham-po tamin'ny gadrako."] 35 Noho ijane die aja ariana ny fahatokisanareo, ijay managna valisoa lehibe. 36 Fa anareo die mila faharetagna, mba hahajahoanareo ijay nampagnantenain'Andriamanitra, laha nagnano ny sitrapone anareo. 37 Fa tsy ho ela akore. ilay raike, ijay ho avy die ho avy tokôtre ary tsy ho tara. 38 Ny oloko marina die hivelogna amin'ny finôna. Laha mihemotra ijy, Iaho die tsy ho faly amin'ajy. 39 Fa antsena die tsy agnisan'ireo ijay mihemotre ho amin'ny faharavana. Fa koja, antsena die agnisan'ireo ijay managna finôna ho amin'ny fitanjognana ny fanahintsena.