Toko 1

1 Simona Petera, mpanompo sy apostolin'i Jesôsy Kristy, hoa an'ireo ijay nahajo ny finoana sarobidy hôtra ijay noresinay, finoana ao amin'ny fahamarinan'ny Andriamanintsena sy Jesôsy Kristy Mpamonjy. 2 Hampitomboina anie ny fahasoavana sy fiadanana nohon'ny fahalalana an'Andriamanitra sy Jesôsy Tompontsena. 3 Ny raha aby makasika ny herin'Andriamanitre ho an'ny fiainana sy toe-panahy die nomena antsena tamin'ny alalan'ny fahalalana an'Andriamanitra, ijay nangaike antsena tamin'ny alalan'ny voninahiny sy ny fahatsarany manokana. 4 Tamin'ny alalan'ireo, nomeny jaka fikasana tsara sady lehibe indrindra antsena, mba ho tonga mpizara amin'ny fomban'Andriamanitra anareo, raha milefa ny fahalotoana ijay eto an-tany noho ireo filàn-dratsy. 5 Noho ijany, manaova ny tsara indrindra mba hagnampiana fahatsarana amin'ny alalan'ny finoanareo, die amin'ny alalan'ny fahatsaranareo, ny fahalalana. 6 Amin'ny alalan'ny fahalalanareo, nagnampia fahononam-po, die amin'ny alalan'ny fahononam-ponareo, magnampia fieretana, die amin'ny alalan'ny fiaretanareo, magnampia toe-panahy. 7 Amin'ny alalan'ny toe-panahinareo, magnampia fitiavana rahalahy, die amin'ny alalan'ny fitiavana rahalahy, magnampia fitiavana. 8 Raha ao aminareo die mitombo ao aminareo, die tsy hamoa natsy tsy hamokatre amin'ny fahalalana an'i Jesôsy Kristy Tompontsena anareo. 9 Fa na ija na ija tsy ampy ny raha reo die tsy mahita afa-tsy ijay mariny; jamba ijy. Nadinoiny ny fanadiovana ajy tamin'ny fahotany taloha. 10 Noho ijany, ry rahalahy, ataovy ny manontolo mba hahazahoana antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Raha manao ireo raha reo anareo, die tsy ho vôfingana. 11 Amin'ijay die malalake ho anareo ny fidirana ao amin'ny fanjakana mandrakijay ijay an'ny Tompontsena sy Jesôsy Kristy mpamonjy. 12 Noho ijany die vonona fehijay iaho hampatsiahy anareo ny raha reo, nadie fantatrareo ajy reo, ary na die mantanjaka ao amin'ny marina aja anareo ankehitriny. 13 Iaho mieritritra fa rariny aminahy ny mamoha anareo amin'ny fampahatsahivana ny raha reo, raha mbola eto amin'ity tragno-lay ty iaho. 14 Satria fantako fa tsy ho ela die ho alaiko ny tragno-laiko, hôtra ijay nabôkan'i Jesôsy Kristy Tompontsena anahy. 15 Die ho ataoko ijay farany vitako mba hahatsiarovanareo mandrakariva ireo raha reo rehefa lasa iaho. 16 Fa ahay die tsy nagnarake angano tsara rafitra jay noforognona rehefa nivoria taminareo ny momban'ny hery sy ny nisehoan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Fa koja, ahay die vavolombelogna nahita ny fiandrianany. 17 Fa Ijy die nahavôray laza amam-boninahitra laha tamin'Andriamanitra Iaba rehefa nisy feo tonga teo Aminajy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra hoe: ''Ity no Janako malalako, jay sitrako indrindra.'' 18 Naharegny ijany feo laha tagny an-dagnitre ijany ahay, rehefa niaraka taminajy teny an-tendrombohitra masina. 19 Antsena die magnana ity jaka faminaniana jay efa natao mafy orina ity. Tokone hitandrina ijany tsara anareo. Ijany die hôtra ny jiro mazava ao anaty haizigna mandra-pahatongan'ny maraina sy ny kintan'ny maraina miposaka ao am-ponareo. 20 Fantatro aloha ijao, fa tsy misy faminaniana laha tamin'ny famoahan-kevitry ny olo. 21 Fa tsy misy faminaniana laha tamin'ny sitrapon'ny olo. Fa koja, notarihin'ny Fanahy Masina ijy reny mba hijaka ijay nijakain'Andriamanitra.