1 Avy akeo Jesosy nitaritin'ny Fagna ho aigny an'efitra mba halain'ny devoly fagna. 2 Rafa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, de nôna. 3 Nagnantona ny mpaka fagna ka nitaré tam'Azy hoe: "Ra zanak'Andriamanitra Enao, de taravo ho tonga mofo reto vato reto. 4 Fa Jesosy namaly ka nagnano tam'azy hoe: "Vôsoratra hoe: Tsy ny mofo fôgna no hiveloman'ôla fa ze teny daôly alôkan'ny vavan'Andriamanitra." 5 Avy akeo ny devoly nitondra an'Azy taigny an-tanàna masina ka nametraka an'Azy takeo amin'ny faratampon'ny tempoly. 6 Ary nitaré tam'Azy hoe: "Ra zanak'Andriamanitra Enao de milavô aigny ambany aigny fa vôsoratra hoe: "Izy handidy 'reo anjeliny hiaro anao sy hanandratra Anao akeo amin'ny tagnan-jareo ka tsy ho tofoka amin'ny vato ny tongotrao." 7 Jesosy nitaré tam'azy hoe: "De mbola vôsoratra ndre hoe: "Tsy tokony hitsapa ny Tompo Andriamanitra Enao." 8 Ndesin'ny devoly takeigny amin'ny tôrana agnambo ndre Izy ary nampibôgna an'Azy ny fanjakana daôly am-zao tontolo 'zao sy ny hatsaran-reo. 9 Ozy izy tam'Azy hoe: "Reo daôly reo de ameko an'nao, ra ôtra ka menkoka anketo agnatrehako sy midera anà Enao. 10 Avy akeo Jesosy nitaré tam'azy hoe: "Miala anketo enao, ry satana! fa efa vôsoratra hoe: "Enao de hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary Izy irerika no tompoinao." 11 Avy akeo nandaosa an'azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga ka nanompo an'Azy. 12 Ary nony reign'i Jesosy fa vôsambotra Jaona de niverina ankeigny Galilia Izy. 13 Nandaosa an'i Nazareta Izy ka nande ka nipetraka takao Kapernaomy, ze akeo amoron-dranomasin'i Galilia, akao amin'ny zara-tanin'i Zeboloina sy Naftaly. 14 Zany no nibôgna mba ahatanteraka ze nambaran'i Isaia mpaminagny hoe: 15 "Ny tanin'i Zeboloina sy Naftaly, mankeigny amin'ny ranomasina aigny andafin'i Jordana, Galilia an'ireo Jentilisa! 16 'Reo ôla nipetraka tamin'ny maizigna de natazagna fazavàna gedabe ary 'reo ze mipetraka tamin'ny faritra sy ny aloky ny fafatesana de takeo am-jareo no niposan'ny mazava. 17 Ary tam-zany fotôgna zany Jesosy de nanomboka nitory teny sy nilaza hoe: "Mibebaha fa efa ankeiky ny fanjakan'ny lagnitra." 18 Ra nande nankeigny amoron'ny ranomasin'i Galilia, de natazagna mpirahalà roey, Simona ze antsovina hoe Petera ary Andrea rahalany nanipy ny aratony taigny amin'ny ranomasina mpagnarato zareo. 19 Ozy Jesosy tam-jareo hoe: "Andao, hagnaraka Anà, fa hataoko mpagnarato ôla anareo." 20 Teo no eo iany de nandaosa ny aratony zareo ka nagnaraka an'Azy. 21 Ary ra mbola niroso Jesosy de natazagna mpirahalà roey hafa, Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona rahalany nagnambôtra ny aratony takao an-tsambo ry zareo niaraka tamin'i Zebedio dadan-jareo. Nagnantso an'jareo Izy. 22 Ka teo no eo iany de nandaosa ny sambokeliny sy ny dadany zareo ka nagnaraka an'Azy. 23 Nande eran'i Galilia Jesosy, nampianatra takao amin'ny synagogan-jareo, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nagnasitrana 'reo karazagn'aretina daôly mbamin'ny rofy daôly takeo amin'ny ôla. 24 Niely eran'ny Syria ny laza mahakasika an'Azy, ka de nentin'ôla takeo amin'Azy 'reo ze marary daôly, mararin'ny karazagn'aretina sy ny fangirifiriana sy 'reo demoniaka, sy ze mararin'ny androbe sy mararin'ny paralysisa. Nositranin'i Jesosy izy reigny. 25 Vahôka betsaka avy taigny Galilia, Dekapolisy, Jesoralema, Jodia ary avy aigny an-dafin'i Jordana no nagnaraka an'Azy.