Faha 24

1 Nivôka ny tempoly Jesosy ary lasana nandeha. Nagnantona an'Azy reo mpianagny mba hagnatorona an'Azy ny rafitry ny tempoly. 2 Nefa namaly Izy ary nitaré tam-jareo hoe: "Tazagnareo ma reo ra daôly reo? Lazaiko aminareo, tsisy vato ho tavela amin'ny raika hafa ze tsy ho ravàna." 3 Ra nipetraka takeo an-tanetin'Oliva Izy, de nagnantona an'Azy mangingina reo mpianatra ary nitaré hoe: "Lazao aminay, vena reo ra daôly reo no hitranga? Ino no famantarana amin'ny fatongavanao sy ny fara-andro?" 4 Namaly Jesosy ary nikoragna tam-jareo hoe: "Mitandrema mba tsisy hamitaka an'nareo. 5 Fa betsaka ny ho avy amin'ny agnarako. Ary hitaré zareo hoe: "Za no kristy, ary betsaka no ho vôfitaka. 6 Hareigny ady sy filazan'ady nareo. Mitandrema mba tsy hitebiteby nareo, fa tsy maintsy hitranga zany ra daôly zany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 7 Fa hisy firenena hitsangana hanoitra firenena, ary fanjakana hanoitra fanjakana. Hisy hagnoanana sy horohoron-tany amin'ny tôrana samihafa. 8 Nefa zany ra daôly zany de fendoan'ny fanaintainan'ny fiterana fôgna. 9 Ka ho atolotr'izy reo ho amin'ny fahoriana nareo ary ho vonoiny, ho halan'ny firenena daôly nareo non'ny Agnarako. 10 Ary betsaka no ho tafitoina, ary hifamadika sy hifankahala ny tsiraikaraika. 11 Mpaminagny sandoka betsaka no hitsangana mba hamitaka ny ôla daôly. 12 Satria ny faharatsena de hitombo, ary hia-mangatseka ny fitiavan'ny ôla daôly. 13 Fa le raika ze miaritra hatramin'ny farany de ho vôvonjy. 14 'Ty filazantsaran'ny fanjakana 'ty de ho toriana erak-zao tontolo zao ho vavolombelona amin'ny firenena daôly. Avy akeo de ho tonga ny farany. 15 No zany, ra matazagna ny fahavetavetan'ny fandravana nareo ze nolazain'i Daniela mpaminagny de hitsangana akeo amin'ny tôrana masina nareo (ôka ny mpamaky hatakatra). 16 Ôka reo ze aigny Jodia hilefa ho aigny an-tanety. 17 Ôka ze akao an-tampon'ny trano tsy hidigna haka ra avy akao an-dragnony, 18 Ary ôka ze aigny an-tsaha tsy hiverina haka ny lambany. 19 Fa loza ho an-reo bevoka sy mampinono am-zany andro zany. 20 Mivavaha mba tsy ho amin'ny rirignina na amin'ny sabata no hitranga ny filefasanareo. 21 Fa hisy fahoriana gedabe, ze tsy mbola nisy salan-zany hatraigny am-pendohan-zao tontolo zao mandraky gniany, tsia, ary tsisy tsony. 22 Ra tsy afoizina reo andro reo, de tsisy nofo novonjena. Fa noon'ny olom-bôfidy de nafoizina reo andro reo. 23 Fa ra misy ôla mitaré aminareo hoe: "Indro! 'Ty le Kristy na iry le kristy de aza mino an-zany. 24 Fa ny Kristy sandoka sy ny mpaminagny sandoka de ho avy ary ampibôgna famantarana gedabe sy ra mahagaga, mba hamitaka raha azo atao, iôny fa na ny olom-bôfidy aza. 25 Indro! Efa nolazaiko taminareo melôn'ny fotôgna. 26 No zany, ra mitaré aminareo zareo hoe: "Indro! Aigny an-efitra Izy, de aza mankeigny an'efitra. Na 'indro, aigny agnaty efitragno de aza mino an-zany. 27 Fa salan'ny varatra ze mitselatra avy aigny ambony ka mazava hatraigny andrefana, de ôtran-zany ny fiavian'ny Zanak'Ôla. 28 Na aiza na aiza misy biby maty de aigny no hitangoronan'ny voltora. 29 Ary ra vô afaka ny fahoriana amin-reo andro reo de ho maizigna ny masoandro, tsy hagnome ny hazavagna ny volana, hilatsaka avy aigny an-dagnitra ny kintana, ary hiozongozogna ny herin'ny lagnitra. 30 Avy akeo de hibôgna eigny amin'ny lagnitra ny famantarana ny Zanak'Ôla, ary ny foko daôly ambonin'ny tany hisôgna. Hatazagna ny Zanak'Ôla tonga amin'ny rondron'ny lagnitra miaraka amin'ny hery sy voninahitra gedabe zareo. 31 Handefa reo anjeliny Izy miaraka amin'ny feon'ny trompetra mafy, ary hanangona ny olom-bôfidiny avy aigny amin'ny vazan-tany efatra zareo, manomboka amin'ny fara-vodilagnitra ka hatraigny amin'ny hafa. 32 Menara ny lesona avy amin'ny aviavy. Ra vô hitanareo matoy ny sampana ary mamôka ravina, de fantatrareo fa manakeiky ny favaratra. 33 Salan-zany fôgna kô, ra matazagna an-zany ra daôly zany nareo, de tokony ho fantatrareo fa efa akeiky Izy. Akeo amin'ny vavahady miitsy. 34 Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho lany 'ty taranaka 'ty mandra-pibôgnan-zany ra daôly zany. 35 Tsisy tsony ny lagnitra sy tany, fa ny teniko de tsy mba ho levona mandrakizay. 36 Kanefa ny makasika izany andro sy ora zany de tsisy mafantatra, na ny anjelin'ny lagnitra aza, na ny Zanaka là aza, fa ny Ray iany. 37 Salany tamin'ny andron'i Noa, de ôtran-zany fôgna kô ny fiaven'ny Zanak'Ôla. 38 Fa salany tam-reo andro melôn'ny safo-drano de nignana sy nisotro zareo, nagnam-bady sy nampakarina mandra-patongan-le andro nidirana takao agnatin-le sambo fiara, 39 ary tsy nafantatra na ino na ino ry zareo mandra-patongan'ny safo-drano ka nandringana an'azy daôly, de ôtran-zany ny feven'ny Zanak'Ôla. 40 Avy akeo de hisy leila roey aigny an-tsaha, ny raika raisina ary ny raika avela. 41 Vevavy roey no hitoto vary, ny raika raisina ary ny raika avela. 42 No zany, de membena, fa tsy fantatrareo ze andro heven'ny Tomponareo. 43 Fa fantatrareo zao, ra fantatry ny tompo-tragno hoe amin'ny firy alina no heven'ny mpangalatra, de niambina izy ary tsy namela ny tragnony ho vaky. 44 No zany, de tsy maintsy mivognona fôgna kô nareo fa ho avy ny Zanak'Ôla amin'ny ora tsy ampoizinareo. 45 Ka iza ma le mpanompo matoky sy hendry ze notendren'ny tompony hanapaka ny ankohonany mba hanomezana an-jareo amin'ny fotôgna manjary. 46 Sambatra zany mpanompo izany ze tazagn'ny tompony fa magnano an-zany rafa tonga izy. 47 Lazaiko marina aminareo fa tsy tompony no hanapaka an'azy ho ambonin'ny ra daôly ze agnanany. 48 Fa ra misy mpanompo ratsy mitaré am-pony hoe: "Ela fiavy ny Tompo", 49 ka manomboka mamono reo mpanompo namany, sy mignana ary misotro miaraka am-reo mpimamo. 50 De ho avy ny tompon-le mpanompony amin'ny fotôgna ze tsy ampoiziny ary amin'ny ora ze tsy fantany. 51 De ho tetitetehan'ny tompony izy ary hatôny salany an'ny mpetsaravelatsy ny anjarany, ze hisy fitomagnéna sy fikotroha-nify.