Faha 14

1 Tamin-zany fotôna zany, Heroda mpanapaka nareigny ny laza momba an'i Jesosy. 2 Ozy izy tamin-jareo mpanompony hoe: "Jaona mpagnano batisa zany: nitsangana tamin'ny maty izy. No zany de miasa akao aminy reo hery reo." 3 Fa Heroda nisambotra an'i Jaona, namatotra an'azy, ary nandefa an'azy takeigny an-dragnomaizigna noho i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny. 4 Fa ozy Jaona tamin'azy hoe: "Tsy ara-dalàna ho an'nao no managna an'azy ho vadinao." 5 Magniry ny hamono an'azy Heroda, saingy natatra ireo vahôka izy, satria noraisin-jareo salan'ny mpaminagny izy. 6 Fa rafa tonga ny tsingerin'ny andro nateran'i Heroda, de nandihy teo am-povôn-jareo vahiny nasaina ny zanakavavin'i Herodiasy ka nafinaritra an'i Heroda. 7 Ho tambin'zany, de nampagnategna tamin'i fianianana izy hangome ze angatahiny na ino na ino. 8 Rafa avy notoroan'ny reniny marika, de ozy izy hoe: "Ameo anà aketo ambony vilia, ny lôn'i Jaona mpagnano batisa, 9 nalaelo mafy non'ny fangatahany ny mpanjaka, saingy non'ny voadiny sy no reo daôlo nihinana niaraka tamin'azy de nagnome baiko izy fa tokony ho vita zany. 10 Nagniraka nanapaka ny lôn'i Jaona takao an'dragnomaizina izy. 11 Avy akeo nentina tamin'ny vilia ny lôny ary namena an'le zaza vevavy ary nentina takeo amin'ny reniny izany. 12 Avy akeo de tonga reo mpianagny, naka le faty, ary nandevigna izany. Tafaran-zany, de nande zareo ary nilaza tamin'i Jesosy. 13 Ary rafa nareigny an-zany Jesosy, de niala avy tam-le sambokely raika Izy, hankeigny amin'ny tôrana mitokana raika. Rafa nareigny an-zany reo vahôka, de nagnaraka an'Azy an-tongotra avy taigny amin'ireo tanan-dehibe. 14 Avy akeo Jesosy nankeo alôn-jareo ary natazagna reo vahôka betsaka be. Nangôraka an-jareo Izy, ary nagnasitragna ny aretin-jareo. 15 Rafa tonga ny hariva, de nankeo amin'Azy reo mpianatra ary nitaré hoe: "Ty de tany fôgna, ary efa tapitra sady ny andro. Alefaso reo vahôka mba afan-jareo mande aigny amin'ireo tagnàna, ary hividy hanina ho hanin-jareo. 16 Fa Jesosy nitaré an-jareo hoe: "Tsy azo avela mande lavitra zareo. Amenareo ra hoanin-jareo." 17 Ozy zareo tamin'azy hoe: "Mofo dimy sy hazan-dragno roey fôgna no agnananay aketo." 18 Ozy Jesosy hoe: "Ndeso mankaty aminà zany." 19 Avy akeo Jesosy de nibaiko an'ireo vahôka mba hipetraka akeo amin'ny bozaka. Nalainy reo mofo dimy sy hazan-dragno roey. Niandrandra takeigny an-dagnitra, de nisôtra Izy ary nanapaka reo mofo ka nameny an'ireo mpianatra, ary reo mpianatra nagnome izany an'ireo vahôka. 20 Nihinana daôly zareo ka voky. Avy akeo de nangonin-jareo ny sisan'ny potin-kanina ka nafeno rombefolo sobika. 21 Teo amin'ny dimy arivo lahy teo reo nihinana akôtran'reo zaza am-bevavy. 22 Avy hatraigny de nasainy nankao amin'ny sambokely ary nandeha hialô an'Azy ho aigny am-pita reo mpianagny, ra mbola nandefa reo vahôka Izy. Tafaran'ny nandefasany reo vahôka, 23 de nande niakatra taigny an-tanety rerika Izy hande hivavaka. Rafa tonga ny hariva de Izy rerika no takeo. 24 Ary ny sambo de efa lasana lavitry ny tanety, natopatopan'ny onja satria nitsoka nanohitra an'azy ny rivotra. 25 Tamin'ny fiambesana faefatry ny alina de nagnantona an-jareo Jesosy, nandeha teigny ambony ranomasina. 26 Rafa natazagna an'Azy nande teo ambony ranomasina ireo mpianatra, de natatra ka nitaré hoe: "Matotoa io", ary de niaikaika tamin-tatra zareo. 27 Fa Jesosy nitaré tamin-jareo avy hatrany hoe: "Mahereza, Za ty! Aza matatra." 28 Namaly an'Azy Petera ka nagnano hoe: "Tompo ra Enao io, de asaivo magnantona an'nao aigny ambony rano za." 29 Ozy Jesosy hoe: "Magnantona" ka de niala avy takao amin'ny sambokely Petera ary nande teo ambony rano mba hagnantona an'i Jesosy. 30 Fa rafa natazagna rivotra Petera, de lasa natatra. Ra iny izy nanomboka nilentika iny, de nikika mafy izy sady nitaré hoe: "Tompo, vonjeo za!" 31 Avy hatrany Jesosy nagninjitra ny tagnany, nitana an'i Petera ary nitaré tamin'azy hoe: "Enao ry kely finona, fa magnino enao no miahiahy?" 32 Avy akeo Jesosy sy Petera nande namonjy ny sambokely, nijanona nitsoka ny rivotra. 33 Avy akeo reo mpianatra takao agnaty sambokely nidera an'i Jesosy ary nikoragna hoe: "Enao marina no Zanak'Andriamanitra." 34 Rafa avy niampita zareo de tonga takeigny an-tanety tao Genesareta. 35 Rafa nahay an'i Jesosy reo leila takao amin'zany tôrana zany, de nandefa hafatra taigny amin'ny faritra magnodidina daôly, ary nentin-jareo tamin'azy ze marary daôly. 36 Nitalao tamin'Azy ry zareo mba afan-jareo mikasika ny sisin'ankajony fôgna, ary betsaka reo nikasika an'zany ka sitragna.