1
De ozy Yaveh tam'Josoa: "Aza matàtra, na mivadi-po; ka ndeso miaraka aminao ny vahôka daôly mpiady. Mandiana miaraka aigny Ay. Fa efa natolotro akeo am-pelatagnanao ny mpanjakan'ny Ay, ny vahôkany sy ny tanànany, ary ny taniny.
2
Hatôvo ôtran'ny nagnanôvanareo an'i Jeriko sy ny mpanjakany ny hagnanôvanareo an'i Ay sy ny mpanjakany, kanefa alainareo ho an'nareo ny babo sy ny biby tareziny. Ametrao mpanafika misitrika akao ambadiky ny tanàna."
3
Ka de nitsangana i Josoa ary nialaka an'reo leilà mpiady daôly hiakatra ho aigny Ay. Avy teo Josoa nifidy leilà telo alina --- leilà mahery be herim-po --- ary nalefany nande zareo ny alina.
4
Ary de nibaiko an'azy reo izy: "Mba hagnano fanafiana misitrika ny tanàna ambadik'izany anareo. Aza magnalavitra ny tanàna, fa same mivognona anareo daôly.
5
Za sy reo leilà reo miaraka aminà de hagnankeky ny tanàna, ary rafa mivôka hanafika antsika zareo, de hilefa an'njareo salan'ny teo alô ntsika.
6
Hagnenjika avy afarantsika zareo mandrapa itaritaritantsika an'azy reo alavitra ny tanàna. De hilaza zareo hoe: 'Milefa alavitra an'ntsika zareo salan'ny nataon-njareo tam'farany.' Ka de hilefa hagnalavitra an'njareo ntsika.
7
Avy akeo de hivôka am'tôram-pirenenareo anareo, ary hambabo ny tanàna. Hagnome an'zany aigny am-pelatagnanareo Yaveh Andriamanitrareo.
8
Rafa azonareo ny tanàna, de ho dorônareo zany. Hataonareo zany rafa mankatô ny didy ze namena tam'tenin'i Yaveh. Fa efa nandidy an'nareo za."
9
De nalefan'i Josoa zareo, ka lasana taigny am'tôram-pisitrina zareo, ary de nisitrika takeo agnelagnelan'i Betela sy Ay takao andrefan'i Ay. Fa natory takeo am'vahôka i Josoa ny alin'igny.
10
Nifô tampolakeka i Josoa ka nagnomagna an'reo maramilany, Josoa sy reo loholon'Israely, ka de nanafika an'reo vahôkan'i Ay zareo.
11
Niakatra reo leilà mpiady daôly ze niaraka taminazy ka nagnatogna ny tanàna. Tonga nagnankeky ny tanàna zareo ary nitoby takeo avaratr'i Ay. Ary nisy lôsaha raika no magnelagnelana an'njareo sy Ay.
12
De nialaka leilà tokony ho dimy arivo takeo izy ary nagnandefa an'njareo takao am'le fisitrina andrefan-tanàna takeo agnelagnelan'i Betela sy Ay.
13
Nalatran-jareo ny maramila daôly, ny tafika geda nankao avaratry ny tanàna, ary ny mpiambina vodi-lalana tao andrefan'ny tanàna. Nagnandefa takao an-dôsaha i Josoa ny alin'igny.
14
Ary raha vô natazana an'zany ny mpanjakan'i Ay, de nifô tampôlakeka izy sy ny maramilany ary nivôka mbo hanafika an'Israely taigny am'tôrana fanjò ny lôsahan'ny Reniranon'i Jordana. Tsy fantany fa nisy fandrika nandigny hanafika avy akao ambadiky ny tanàna izy.
15
Nagnamela ny tegnan-njareo ho resy teo agnolônanjareo i Josoa sy ny Israely daôly, ary nilefa taigny am'tany efitra zareo.
16
Ny ôlà daôly ze takao an-tanàna de nifagnantso hagnenjika an'azy reo, ka de nagnenjika tafaran'i Josoa zareo ary vôrôka taigny alavitry ny tanàna.
17
Ary tsisy leilà tavela taigny Ay sy tao Betela ze tsy nivôka nagnenjika an'Israely ary de nandôsa ny tanàna zareo ka namela an'zany hivôha raha nagnenjika an'Israely.
18
Ozy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Atondrò akeo amin'i Ay ny sabô ze akeo an-tagnanao, fa atolotro akeo am-pelatagnanao i Ay." Nitanan'i Josoa fanjò ny tanàna le sabô ze tan-tagnany.
19
Reo maramila nisitrika takao am'fandrika de nitoròtra nivôka nalaky niala tam'tôrany izy raha nagninjitra ny tagnany. Nihazakazaka zareo ary niditra takao an-tanàna ary niaka an'zany. Ka de nodorôn-jareo farany ze nalady ny tanàna.
20
De nitodika reo mponina takao Ay ka nijery. Ary natazagna setroka avy tao an-tanàna zareo ze niakatra nankaigny an-dagnitra, ka tsy afaka nilefa tarÿ sy tatÿ zareo. Fa reo maramilan'Israely ze nilefa taigny an-tany efitra de niverigna hiatrika an'reo ôlà ze nagnenjika an'njareo.
21
Rafa hitan'i Josoa sy ny Israely daôly fa efa azon'le tafika misitrika ny tanàna niaraka tam'setroka miakatra, de niverigna takeo zareo namono ny ôlà takao Ay.
22
Reo maramilan'Israely hafa, sy reo ze nivôka ny tanàna de nivôka hanafika an'azy reo. Ka takatra akao agnelagnelan'ny tafik'Israely reo mponin'i Ay, ny sanagny avy andaniny ary ny sanagny avy ankilany. Notafian'Israely ny ôlon'i Ay; tsisy na de raika taminjareo afaka nilefa na velona.
23
Nalainjareo ny mpanjakan'i Ay, ze nosamborinjareo velona, ary nindesinjareo tam'Josoa izy.
24
Rafa tapitra namono an'reo mponina takao Ay daôly taigny an-tsaha akaikin'ny tany efitra ze nagninjenjareo an'azy Israely, ary rafa maty tam'lelan-tsabatra izy daôly, hatram'farany indrindra, de niverigna taigny Ay ny Israely daôly. Notafinjareo tam'lelan-tsabatra zany.
25
Reo daôly ze maty tamin'io andro io, leilà sy veivavy mitambatra, de roa arivo sy iray alina, ze vahôka daôly takao Ay.
26
Tsy nampihemotra ny tagnany ze nahinjiny rafa nitana an'le sabôny i Josoa, mandra-pandringany tanteraka ny vahôka daôly takao Ay.
27
Ny biby fitariziny sy ny ra babo takao an-tanàna fôgna no nalain'Israely ho an'njareo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Josoa.
28
Nodorôn'i Josoa i Ay ary nivadika tragno rava mandrakizay sy nanjary ho tanàna hôlo zany hatram'zao.
29
Ary nahantogny tam'kakazo ny mpanjakan'i Ay mandra-paharivan'ny andro. Rafa nilentika ny masoandro, de nagnome didy Josoa ka nampidininjareo tam'kakazo ny fatin'ny mpanjaka ary natsipinjareo takeo agnolônan'ny vavahadin'ny tanàna. Ary nitsindrenjareo antontam-bato be teo amboniny. Mbôla mipetraka akeo zany antontam-bato zany hatram'zao.
30
Avy takeo Josoa nagnambôtra alitara ho an'i Yaveh, Le Andriamanitr'Israely, takao an-tendrombotran'i Ebaka,
31
araka ny nandidin'i Mosesy mpanompon'i Yaveh ny vahôkan'Israely, araka ny efa vôsoratra tam'bokin'ny lalànan'i Mosesy hoe: "Alitara raika ho an'ny vato vômbôtra, ze tsisy na iza na iza nampiasa fitaovana vy tam'zany." Nanolotra sorogna dorôna ho an'i Yaveh takeo ambony alitara izy, ary nagnano sorom-pihavanana zareo.
32
Takeo, takeo agnatrehan'ny vahôkan'Israely, de nanoratra ny dika mitovy tam'lalàn'i Mosesy takeo am'vato izy.
33
Reo Israely daôly, reo loholona, reo manam-pahefana, sy reo mpitsaranjareo de nitsangana takeo am'lafin'le fiara rôy takeo agnolônan'reo mpisorogna sy Levita ze nitondra ny fiaran'ny fifagniken'i Yaveh --- ny vahiny salan'ny tompon-tany --- de nitsangana takeo agnolônan-tendrombotran'i Gerzima ny atsasak'zareo ary nitsangana takeo agnolônan'ny tendrombotr'i Ebala ny atsasagny raika hafa. Nitso-drano ny vahôkan'Israely zareo, araka ny nandidin'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anjareo tam'volôny.
34
Tafaran'zany, de novakin'i Josoa reo tenin'ny lalàna daôly, reo fitahiana sy ozogna, arak'ze efa vôsoratr'zareo akao ama'bokin'ny lalàna.
35
Tsisy na de teny raika aza tsy novakin'i Josoa tam'reo nandidin'i Mosesy takeo agnatrehan'ny fiangonan'Israely, agnisan'zany reo veivavy, reo zazakely, ary reo vahiny ze nipetraka takeo aminjareo.