Faha 2

1 Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'i Moaba, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana Za satria izy reo de nandoro ny taolagn'ny mpanjakan'i Edoma ho sokay. 2 Handefa afo akeo amin'i Moaba Za, ary ho levoniko ny fiarovana mafin'i Kiriotan ho foaty akao agnatin'ny kotaba sy hiaka ary ny feon'anjomara i Moaba. 3 Ho ravako ny mpitsara akao aminazy, ary ho vonòko miaraka aminazy ny andriana daôly," ozy i Yaveh. 4 Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'Israely, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana za, zatria namidin-jareo volafotsy ny tsy manantsigny ary ny mahantra ho kapa. Nampandeha anzareo tamy lalan-diso ny vandin'zareo, de nandeha nanaraka izany koa ireo razany. 5 Handefa afo eo amin'i Joda za, ary ho levoniko ireo fiarovana mafin'i Jerosalema." 6 Zao no lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'Israely, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny famaizana Za. Satria namidin-jareo volafotsy ny tsy manantsigny ary ny mahantra ho kapa. 7 Nagnitsaka ny lôhan'ny mahantra salan'ny fagnitsan'ny ôla ny jofo amin'ny tany zareo; nandrôka ny ory zareo. Ny leila sy ny rainy de samy mandry amin'ny veivavy raikan ary mandoto ny agnarako masina. 8 Mandry akeo agnilan'ny alitara amin'ny akanjo azo tamin'ny antoka zareo, ary akao an-dragnon'Andriamanitr'zareo no hisotrny ny divay ze avy am'reo voasazy. 9 Nefa efa noravako teo agnolônan-jareo ny Amorita, ny halavany de salan'ny halavan'ny kakazo sedera natanjaka be salan'reo Ôka. Efa noravako ny voany agnambo sy ny fakany ampidigna. 10 Ary kô, nitondra an'areo nivôka avy taigny amin'ny tany Egypta Za ka nitarika an'nareo efapolo taona taigny agn'efitra mba handovanareo ny tanin'ny Amorita. 11 Nanandratra mpaminany avy tamin'ireo zanakalahinareo sy Nazirita avy tamin'ireo zatovonareo Aho. Moa tsy izany ve, ry vahoakan'Israely? —Izany no fanambaran'i Yaveh. 12 Nefa ianareo dia nandresy lahatra ireo Nazarita hisotro divay ary nandidy ireo mpaminany tsy haminany. 13 Indro, hagnitsaka an'nareo salan'ny fagnitsan'ny sarety feno vary ny ôla Za. 14 Tsy afaka hilefa ny ôla kinga; tsy hampitombo ny heriny ny matanjaka, ary ny mahery tsy havonjy ny tegnany. 15 Tsy tafatsangana ny mpandefa tsipika; tsy afaka milefa ny mpihazakazaka mahery, tsy havonjy tegna ny mpitikina soavaly. 16 Na de ny mpiady be herimpo aza de hilefa matanjaka am'zany andro zany_ zany no lazain'i Yaveh."