Toko faha 3

1 Tainô zao teny ze lazain'i Yaveh aminareo zao, ry zanak'Israely, de ny am'reo taranaka daôly ze nentiko niôka ny tany Egypta: 2 "Anareo rerika fôga no nofidiko am'reo firenena daôly aketo ambon'ny tany. Noho zany, de ho faiziko anareo noho reo otanareo daôly. 3 Fa anga ma hiaraka mande ny rôy rahatsy efa nifagneky zareo? 4 Fa anga ma hitrerogna aigny agn'ala ny liona raha tsy matazagna haza izy? Fa anga ma hitrerogna akao andavagny ny liona tanora raha tsisy ra azony izy? 5 Fa anga ma afaka mivarigna agnaty fandrika ety amin'ny tany ny vorogna raha tsy misy tadivaravarana voapetraka ho an'azy? Fa anga ma hikatogna ny fandrika aty amin'ny tany raha tsisy ra azony izy? 6 Hagneno akao an-tanana ma ny trompetra ka tsy hangitakitaka ny ôla? Ho tonga akao antanana ma ny loza raha tsy i Yaveh no nandefa an'zany? 7 Aza antoka fa tsy hagnano na ino na ino i Tompo Yaveh raha tsy milaza an'reo fikasany am'reo mpaminagny mpanompony Izy. 8 Iza no tsy hatatra; raha nitrerogna ny liona? Efa niteny ny Tompo Yaveh, iza no tsy haminagny? 9 Lazao aigny am'reo fiarovana mafin'i Asdoda zany, ary aigny amin'ny fiarovana mafin'i Egypta; lazao hoe: "Mitangorògna anareo aigny am'reo tendrombotran'i Samaria ary tazagno ny salahôka be ze misy akao aminazy, ary ny fahorena akao aminazy. 10 Fa tsy mafantatra ny fagnanôvana ny marina zareo_ zany no lazain'i Yaveh. Mitahiry herisetra sy faharavana akao amin'ny mandany zareo." 11 Noho zany, zao no lazain'ny Tompo Yaveh hoe: "Hiodidigna ny tany ny fahavelo. Handrava an'reo fiarovana mafy Izy ary handroba an'reo mandanao. 12 Zao no lazain'i Yaveh: "Salan'ny famonjen'ny mpiambina ondry ny tongotra ondry rôy amin'ny vavan'ny liona na n sofigny rôy, no hamonjena ny zanak'Israely ze monigna aigny Samaria, akeo anjoron-tseza na anjorom-parafara." 13 Mitaignô ka lazao ny hanoherana ny taranak'i Jakoba. Zao no lazain'i Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro: 14 Fa amin'ny andro ze hamaizako ny Israely nohon'ny fahotany de ho faiziko kô ny alitaran'i Betela. Ho tapana reo tandroky ny alitara ary ho roba amin'ny tany. 15 Ho ravako ny tragno rirignina sy fahavaratra. Ho rava ny tragno ivory ary reo tragnobe hanjavona, zany no lazain'i Yaveh."