Faha 1

1 Reto ra momba an'Israely reto no hitan'i Amosa, raika tam'reo mpiambina ondry tao Tekoa, takao am'fanambarana. Nandray am'reto ra reto izy tamin'ny andron'i Ozia mpanjakan'i Joda, ary kô tamin'ny andron'i Jerosalema zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely roa taona mialôan'le horohoon-tany. 2 Ozy izy hoe: "Hitrerogna avy aigny Ziona i Yaveh hampiakatra ny feony avy aigny Jerosalema Izy. Ho maigna ny ahitr'reo mpiambina ondry; ary halazo ny tampon'i Karmela." 3 Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Damaskosy, eny na efatra aza, de tsy hagnala ny sazy Za, satria fitaovana vy no nivilezan-jareo an'i Gileada. 4 Handefasako afo ny taranak'i Hazaela, ary handevona an'reo fiarovana mafin'i Beni-Hadada Za. 5 Ho tapako ny vy akeo amin'ny vavahadin'i Damaskosy ary handringana an'le leila ze monigna akao Bikata Avena Za, ary le leilà ze mitana ny tehinam-panjaka akao Bet-Edena. Ny vahôkan'i Syria de hande ho amin'ny fahababôna aigny Kira," ozy Yaveh. 6 Aringako le leilà ze monigna akao Asdoda sy le leilà ze mitana ny tehinam-panjakana avy aigny Askelona. 7 Hanotra an'i Ekrona ny tagnako, ary ho foaty reo filistina tavela," ozy ny Tompo Yaveh. 8 Ho aringako le leilà ze monigna akao Asdoda sy le leilà ze mitana ny tehinam-panjakana avy aigny Askelona. Hanotra an'i Ekrona ny tagnako, ary ho foaty reo filistina tavela," ozy ny Tompo Yaveh. 9 Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Tyro, eny, na efatra aza, de tsy hagnalany sazy Za, satria nanolotra ny vahôka daôly an'i Edona izy reo, ary nandikany ny fifagnikem-pirahalahiny zareo. 10 Handefa afo am'reo rindrign'Tyro Za, ary handevona an'reo fiarovana mafiny zany." 11 Zao no lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Edoma, eny na efatra aza de tsy hagnala sazy an'azy Za, satria nagnenjika ny rahalany tamin'ny sabatra izy ary nagnary ny famindram-po daôly. Ny hasoseny de mitohy mandrakariva, ary maharitra mandrakizay. 12 Handefa afo akeo Temana Za, ary handevona ny lapan'i Bozra Izany." 13 Zao no lazai'ny Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'ny vahokan'ny Amona, eny, na efatra aza, de tsy hagnala sazy Za, satria nanataka an'reo veivavy bevohoka tao Gileada izy reo, mba hagnitaran-jareo ny faritaniny. 14 Hampiretra afo akeo amin'ny riandrign'i Raba Za, ary handevona an'reo lapa zany, miaraka amin'ny haika amin'ny andron'ny ady, miaraka amin'ny tafio-drivotra amin'ny andron'ny tadio. 15 Hande amin'ny fahababôna ny mpanjakan-jareo, sy reo manamboninatra," hoy Yaveh.