TOKO faha 9
1
Niditry tagnaty lakagny Jesosy, niampita, da tonga tamin'gne tanagniny.
2
Igny, nisy lela mararin'gne paralysisa natory tamin'gne fandriany noentin-dreo taminAzy. Rehefa naita gne finoany indreo, da hoy Jesosy tamin'e lela mararin'gne paralysisa hoe: "Anaky, aoka anao hifaly. Efa voavela gne helokao."
3
Gne sasany tamin'gne mpanora-dalagny nagnano anakampo hoe: "Mizaka ratsy io lela io."
4
Fantatr'i Jesosy gne eritreritrin-dreo da nizaka hoe: "Nagnino anreo gne mieritreritry ratsy am-ponareo?
5
Fa ia gne moramora kokoa gne mizaka anazy hoe: 'Voavela gne helokinao,' sa gne mizaka hoe: 'mitsangana ka mandiana?
6
Fa mba ho fantatrinareo fa gne zanak'olo da managny fahefagny hamela heloky eto ambonin'e tany,...." hoy Izy tamin'e mararin'gne paralysisa hoe: "Mitsangana, batay gne fandrianao, da mandiana an-dragnonao."
7
Aveo nitsangagny e lela da nandea an-dragnony.
8
Rehefa naita anizany gne fokonolo, da gaga indreo sady nidera an'Andriamanitry, izay nagnome fahefagny ako izany an'gne olo.
9
Da ra niala avy tao Jesosy, da nahita lela natsoigny hoe Matio Izy, izay nipetraky tamin'gne lain'e famorian-ketra. Hoy Izy taminazy hoe: "Magnara Ana."Nitsangagny izy sady nagnaraky Anazy.
10
Da ra nipetraky hihinagny tandragnony Jesosy,igny, mpamory hetra sy olo mpanota maro tonga sady niara-nihinagny tamin'i Jesosy sy gne mpianatrany.
11
Rehefa naita izany gne fariseo, da nizaka tamin'gne mpianatrany indreo hoe: "Nagnino gne mpampianatry nareo no miara-mihinagny amin'gne mpamory hetra sy gne olo mpanota?
12
Rehefa naharegny anizany Jesosy, da hoy Izy hoe: "Gne olo matanjaky ara-batagny da tsy mila mitsabo, fa gne marary avao.
13
Tokony mandea mianatry anareo gne dikan'e hoe: 'Famondram-po e iriako fa tsy sorogny.' Fa tonga Iao, tsy hangaiky gne marina hibebaky, fa gne mpanota."
14
Aveo nagnotany andreo mpianatr'i Jaona da nizaka hoe: "Nagnino iay sy gne fariseo e mifady hanigny matetika, fa gne mpianatrinao nefa tsy mba mifady?
15
Hoy Jesosy tamin-dreo hoe: "Mety alahelo me anareo havan'gne mpampakatry, ra mbola miaraky amin-dreo gne mpampakatry? Fa hoavy gne andro hangalagny gne mpampakatry amin-dreo, da amin'izay indreo vo hifady hanigny.
16
Tsymisy olo manampigny akanjo tonta amin'gne tapa-damba vaovao, fa gne tampigny handrovitra gne lamba, da hisy rota ratsy lavitry.
17
Tsy misy olo magnisy divay vaovao agnaty siny hoditry tonta. Ra magnano anizany indreo, da ho triatry gne siny hoditry, ho raraky gne dovay da ho potiky gne siny hoditry. F'izy, magnisy divay vaovao agnaty siny hoditry indreo, da voampirigny izy roy."
18
Ra mbola nizaka n'io ra io tamin-dreo Jesosy, da igny, nisy mpanampahefagny raiky tonga da niankohoky taminazy. Nizaka izy hoe: "Maty amin'isika mizaka zao gne zanako viavy, fa tongava da apetray aminazy gne tagnanao, da velogny izy."
19
Aveo da nitsangagny Jesosy da nagnaraky anazy, da nagnano ako izany koa gne mpianatrany.
20
ny, nisy viavy efa nandeha rà nanditran'e roa ambin'ny folo taogny, nagnaraky hafaran'i Jesosy sady nikasiky gne moron'gne akanjony.
21
Fa hoy tamin'e tegnany hoe: "Ra mahavokasiky gne lambany fotsiny iao, da ho sitragny."
22
Fa nitodiky Jesosy ka naita anazy, da nizaka hoe: "E zanako viavy, mahereza; gne finoanao gne nahasitragny anao." Da sitragny e viavy nanomboky tamin'io lera io.
23
Rehefa tonga tame tragnon'gne manam-pahefagny Jesosy, da nahita gne mpitsoky sodina sy gne fokonolo nitabataba be Izy.
24
Da hoy Izy hoe: "Mandiana fa tsy maty e zazaviavy, fa matory izy."Fa niome Anazy tamin'gne fagnesoagny indreo.
25
Rehefa navoky atokotany gne fokonolo, da niditry tagnefitry Izy da nandray anazy tamin'e tagnany, da nitsangagny e zazaviavy.
26
Niely nagneragny gne faritry marobe gne vaovao momba izany.
27
Ary ra niala teo Jesosy , da nisy jamba roy lahy nagnaraky Anazy. Tsy nisahatry nangaiky indreo sady nizaka hoe: "Mamindra fo aminay, ry zanak'i Davida!"
28
Rehefa tonga tan-dragno Jesosy, da nagnotany Anazy gne lela jamba. Hoy Jesosy tamin-dreo hoe: "Mino me anareo f a mahay magnano anizany Iao?" Da hoy indreo taminazy hoe: "Eka, Tompo."
29
nikasin'i Jesosy gne mason-dreo da nizaka hoe: "Ho tanteraky aminareo araky gne finoanareo anie izany,"
30
da nahiratry gne mason-dreo. Aveo Jesosy nandidy mafy andreo da nizaka hoe: "Aoka mba tsy hisy olo ahafantatry gne momba izao."
31
Fa nandea gne roy lah da nampiely gne vaovao momba izany nagneragny gne faritry.
32
Da ra nandea gne roy lah, da igny, nisy lela moagny nipetran'gne demonia noentigny tamin'i Jesosy.
33
Da navoky gne demonia, da nizaka e lela moagny. Gaga gne fokonolo da nizaka hoe: "Tsy mbola fahita hatraminizay tamin'Israely izao!"
34
Fa hoy gne fariseo hoe: "Tamin'gne fanpahan'gne demonia, e namoahany gne demonia."
35
Nandea nitety gne tanàn-dehibe sy gne vohitry maro Jesosy. Hanohy mpampianatry tany amin'gne synagogan-dreo Izy, nitory gne filazantsaran'e fanjakana, sady nagnasitragny gne karazan'aretigny maro sy gne karazana fahararina marobe.
36
Rehefa naita gne fokonolo Izy, da nanagny fangoraham-po tami-dreo, satria nisalasala sy kivy indreo. Akogne ondry tsy misy mpiandry indreo.
37
Da hoy izy tamin'gne mpianatrany hoe: "Maro gne vokatry, fa gne mpiasa e vitsy.
38
Noho izany mivavaha malaky amin'gne Tompon'e vokatry, mba andefasany mpiasa amin'e vokatrany."