Toko 1

1 Tame voalohany gne zaka, sady gne zaka tsamin'Andriamanitra, gne zaka da Andriamanitra. 2 Izany da tamin' Andriamanitra tame voalohany. 3 Gne raha agnaby da avy amin'Azy aby, sady raha tsy nohony gn'Aminazy da tsy misy ndre ino ndre ino. 4 Noho ny gn'Aminazy gne nisian'e fiainagny, sady io fiainagny io gne fahazavan'e gn'olo marobe. 5 Gne hazavagny da mamiratry agnatin'e mizy, da gne mizy tsy nandresy anazy. 6 Nisy lelelà raiky nirahin' Andriamanitra, Jaona gnagnarany. 7 Tonga izy mba ho vavolombelogny nagnambara the momba gne fahasoavagny, mba hinoan' e marobe ame gn'alalany. 8 Tsy Jaona gne vahazavagny, f'izy Tonga nagnambara e momba gne vahazavagny izy. 10 Teto amin'izao tontolo Izy. sady izy gne nahariagny am'izao tontolo izao, sady izao tontolo izao tsy hahafantatry an'Azy. 11 Avy tame gn'olony Izy, da gn'olony tsy nandray an'Azy. 12 Fa gne maro nandray an'Azy, gne natoky gn'agnarany, da moment fahefagny ho Tonga ho zanak'Andriamanitra. 13 Indreo da tsy nateraky tame rà, na gne sitrapon' e mofo, na gne sitrapon' olo, fa gn'Anandriamanitra. 14 Da gne zaka Tonga nofotry ka nonigny tamitsika. Hitanay gne voninahitriny, voninahitry nitovy tame Raiky sy tokagny izay tonga avy tame Ray, feno fahasoavagny sy fagnamarinagny. 15 Jaona nagnambara the momba an'Azy ka nikiaky mafy, hagnano hoe: "Izy gne raiky nizakaiko hoe: "Izy gne Tonga hafarako da zakabe noho iao, satria talohako Izy." 16 Fa avy ame fahafenoagny gne nazahoantsika marobe fahasoavagny hagnampy fahasoavagny. 17 Fa gne lalàgny da nomeny tamy gn'alalan'i Mosesy. Gne fahasoavagny sy fahamarinagny da avy tamy gn' alalan' i Jesosy Kristy. 18 Tsy nisy nahita an'Anandriamanitra na ovia na ovia na ovia. fa gn'Andriamanitra iray saady tokagny, iao eo an-tratran'ilay Ray, gne nampafantatry an'Azy. 19 Da izao gne fagnambaran'i Jaona rehefa nagniraky gne mpisorona sy Levita ta Jerosalema handea amin' indreo Jiosy mba hagnontany anazy hoe: "Ia me anao?" 20 Nizaka tsotra izy, sady tsy nandà, fa Namaly hoe: "Tsy Kristy iao." 21 Da nagnontany andreo hoe: "Ino zany anao? Elia me anao?" Nizaka izy hoe: "Tsy izy iao" hoy indreo hoe: "Tsia". 22 Avy eo indreo nizaka taminazy hoe: "Ia anao, mba ahafahanay magnome valin-teny an-dreo nagniraky anay? Ino gn'ambaranao momba gne tegnanao? 23 Hoy izy hoe: "Iao gne feo,mangaiky mafy agn'efitry hoe: "Anio mahitsy gne lalan'e Tompo, araky gne nozakain'Isaia mpaminany." 24 Da nisy iraky sasany avy amindreo fariseo nalefa, 25 da nagnontany anazy indreo da nizaka taminazy hoe: "Nagnino me anao magnano batisa raha tsy Kristy anao no sady tsy Elia sady tsy e mpaminany?" 26 I Jaona namaly an-dreo, nagnano hoe: "Mambôtry batisa ame rano iao. Fa ategnategnanareo eo da misy olo raiky mitsangagny izay tsy fantatrareo. 27 Izy e raiky avy afarako, sady tsy mendriky ana gne hanataky gne tady kapany." 28 E raha marobe zany da natao ta Betania andafin'i Jordana, sady nagnamboaran'i Jaona Batisa. 29 Gn'omarain'igny I Jaona nahita an'i Jesosy hagnantogny anazy da nizaka hoe: "Hiteo, ity gne zanak'ondrin'Andriamanitra izay nangala gne fahotan' izao tontontolo izao! 30 Ity gne Raiky nizakaiko hoe: 'Gne raiky Tonga avy tafarako da zakabe noho iao, satria talohako Izy.' 31 Sady iao tsy tsy nahafantatry an'Azy, fa mba hambarany ame gn'Isiraely izy gne niaviako hambôtry batisa ame rano." 32 Jaona nagnambara, magnano hoe: "Nahita gne Fagnahy nidigny avy t' andanitra akô gne voromamanga iao, sady nidoboky tamboniny izany. 33 Tsy mahalala Anazy iao, fa Izy izay nagniraky ana hambôtry batisa amin'e rano nizaka taminà hoe: 'Ambonin' e raha hitanao hidignan'e Fanahy sy hipetrahany amin'azy, Izy e raiky izay mambôtry batisa ame Fanahy Masigny.' 34 Nahita iao sady nagnambara fa Izy e Zanak'Andriamanitra." 35 Gn'omaray, koa, raha nitsangagny niaraky tame roy tamin'e mpianatriny Jaona, 36 da nahita an'i Jesosy nandeha indreo, da hoy I Jaona hoe: "Iteo, ilay Zanak'Andriamanitra!" 37 Naharegny sady nizaka an'izany gne mpianatriny roy da nagnaraky an' I Jesosy indreo. 38 Avy eo Jesosy da mitodiky ka nahita andreo nagnaraky Anazy da nizaka anazy hoe: "Ino gne ilainareo?" 39 Namaly anazy indreo hoe: "Raby (izay midika hoe mpampianatra), aia anao nipetraky?" Namaly anazy indreo hoe: "Magnantogna da Iteo." Da nagnantogny indreo da nahita gne toeragny izay nipetrahany; nipetraky niaraky taminazy tao indreo tamin'io andro io, fa tokony efa ho ora fahafolo tam'izay. 40 Raiky tamin-dreo mpianatry roy naregny an'i Jaona nizaka da nagnaraky an'i Jesosy avy teo da I Andre, ralahin'i Simona Petera. 41 Nitadia an'i Simona ralahiny eky izy sady nizaka taminazy hoe: "Hitanay e Mesia"(izay adika hoe Kristy) 42 Ninday anazy tam'i Jesosy da nizaka hoe: "Anao da Simona zanak'i Jaona, anao da hangiagny hoe Kefasy" (izay midika hoe: Petera). 43 Gn'omaray, Raha te-hiala ho e Galilia Jesosy, da nahita an'i Filipo Izy da nizaka taminazy hoe: "Magnaraha anà." 44 Filipo da tonga ta betsahida, tanànan'i Andrea sy Petera. 45 Nahita an'i Natanaela i Filipo da nizaka taminazy hoe: "Izy izay nosorata 'i Mosesy tame lalàgniny,da indreo mpaminany, Hitanay Izy, da Jesosy zanak'i Josefa, avy te Nazareta." 46 Natanaela nizaka taminazy hoe: "Izy io me ko hisy Raha tsara avy a Nazareta?" Filipo nizaka taminazy hoe: "Magnantogna da Hiteo." 47 Jesosy nahita an'i Natanaela nagnantogny anazy da nizaka e raha mombamomba anazy hoe: "Iteo, izany e tena isiraelita, izay tsy misy fitaky gn'aminazy!" 48 Natanaela nizaka Taminazy hoe: "Akognaia gnafantaranao ana?" Jesosy namaly da nizaka taminazy hoe: "Taloahan'ny nagnangihan'i Filipo anao, Raha tambanin'ny kakazon' e aviavy anao, ta tazako." 49 Natanaela namaly hoe: "Raby, Anao e zanak'Andriamanitra! Anao e mpanjakan'Isiraely!" 50 Jesosy namaly da nizaka hoe: "Satria me Iao nizaka taminao hoe: 'Nahita anao tame kakazony gne aviavy Iao,' me hinoanao? Nahita raha tsara mihoatry an'izany anao." 51 Avy teo Izy nizaka hoe: "Zakaiko aminareo, marigny, da marigny tokôtry, fa nahita gne lagnitry hisokatry anareo, da gn'anjelin'Andriamanitra hiakatry sy nidigny ambonin'e Zanak'olo."