Toko 1

1 Zao ro safan'i Yaveh zay avy tamin'i Zefania anaky lahin'i Kosy anaky lahin'i Gedalia anaky lahin'i Amaria anaky lahin'i Hezekia, tamin'ny andron'i Josia anaky lahin'i Amona, mpanjakan'ny Joda. 2 Hamotiky gny raha iaby tsy ho eo ambanin'ny velaran-tany tokoa Aho_io ro fagnambaran'i Yaveh. 3 Handringa gny olo voho gny biby Aho;handringa gny voron'ny lagnitsy voho gny fian-driaky Aho, ho eo amin'ireo raty fagnahy gny faharava. Fa haringako tsy ho eo agnabon,ny tany gny olo_io ro fagnambaran'i Yaveh. 4 Haninjitsy gny tagnako eo amin'i Joda voho amin'ireo olon'ny Jerosalema manontolo Aho. Haringako tsy ho amy toy tany toy reo sisan'i Bala voho reo agnaran'olo mpanompo sampy eo amin'ireo mpisoro, 5 reo olo zay manompo reo tena egny amin'ny lagnitsy eo an-tampon-tragno, sady reo olo manompo voho miay amin'i Yaveh kanefa sady miay amin'ny mpanjakan-drozy. 6 Handringa reo zay fa niodaky tamin'ny fagnaraha gnan'i Yaveh avao koa Aho, reo zay tsy nikatsaky gnan'i Yaveh na tsy nagnontany gny tari-dalany." 7 Ka misafa eo agnatrehan'i Yaveh Tompo! Fa fa marikitsy gny andron'i Yaveh, fa nagnoma fagnatitsy voho fa nanoka reo vahiny Ie. 8 " Io la hitranga amin'ny andron'ny soron'i Yaveh, hagnasazy reo andrian-dahy voho reo anaky mpanjaka, sady reo iaby manao fisikina vahiny Aho. 9 Amin'io andro io la hagnasazy reo zay mandinga gny tokona Aho, la reo zay mameno gny tragnon'ny tompony amin'ny heriloha voho fitaky. 10 Ka amin'io andro io__ zao ro fagnambaran'i Yaveh__ fa hisy feo mitaray bakeo am-Bavahadin-kazandrano, fidradradradra bakeo amin'ny tana Ambany, sady fidaboha bevata bakamin'ireo havoa. 11 Midradradradra, ry olon'ny Maktesy, fa ho ringa reo mpandrato manontolo, ho lany ringa reo zay nivesatsy volafoty. 12 Sady amin'io andro io la hila gan'i Jerosalema amin'ny fanilo Aho sady hagnasazy reo olo babon'ny divainy voho manao ankam-po hoe:" Tsy hanao na ino ino i Yaveh, ndra soa ndra raty." 13 Ho lasa babo gny fanagnan-drozy, sady ho lao gny tragnon-drozy! Hagnory tragno rozy kanefa tsy hipetraky amin'io , sady hamboly voaloboky kanefa tsy hino gny divan'io. 14 Fa marikitsy gny andro bevatan'i Yaveh, marikitsy sady mihamalaky tokoa! Gny feon'ny andron'i Yaveh la hanahaky gny mpialy mitaray mare! 15 Io andro iola ho andron'ny fahatezera, andron,ny fijalia voho faharava, andron,ny tafio-driovotsy voho fahafoagna, andron'ny fahamaiza voho fanjombonana, andron'ny rahona voho haizim-pito. 16 Io la ho andron'ny trompetra voho fanaira hanohitsy reo tana mimanda voho reo tilikambo abo. 17 Fa handay fahoria eo amin'ny olombelo Aho, ka hirenireny manahaky olo jiky rozy fotony fa nanota tamin'i Yaveh, hararaky manahaky gny vovoky gny ran-drozy, sady gny ao agnatin-drozy la hanahaky gny zeziky. 18 Ndra gny volafotin-drozy na volamenan-drozy la tsy afaky hamonjy an-drozy amin'ny androm-pahatezeran'i Yaveh. Ho ravan'ny bolon'ny fahasarotam-piaro gny tany manontolo, fa handay fahafongana feno, mampangaroharo amin'ny olon'ny tany manontolo Ie