Toko 1

1 Gny tognon-kira reo Tognokira, gnan'i Solomona. Gny zampela mirehaky amin'ny gny teany, 2 ao mba hagnoroky ahy amin'ny gny fagnorohany gny vavanao iha, fotony soa mare nohon'ny gny divay gny hateanao. 3 Gny menaky fagnosoranao la magnim-pofo; gnagnaranao la manahaky gny ranomagnitsy voaily, ka teany gny zampela reo iha. 4 Andeso miaraky aminao aho, ka hilay tsika. Gny zampela mirehaky amin'ny gny vatany fa nandesin'ny gny mpanjaka agnefitragnony ao aho. Gny zampela mirehaky amin'ny gny vatany hoe mazoto aho; mazoto amin'ny gny momba anao aho; ao aho mba hankalaza gny hateanao; soa mare nohon'ny gny divay zay. Voajagnahary amin'ireo ampela hafa reo gny mitea anao. Gny zampela mirehaky amin'ireo ampela hafa. 5 Mivalomainty aho fa maha-ta ho tea, nareo ry anak'ampelan'ireo joharin'i Jerosalema ___ mivalomainty manahaky gny lain'ny Kadera, maha-ta ho tea manahaky gny sikin'i Solomona. 6 Ka manenty ahy fa mivalomainty aho, fotony azon'andro. Nasiaky tamiko anakilahin-dreniko reo; nataondrozy mpiamby gny tanim-boaloboky aho, fe tsy niamby gny tanim-boaloko aho. Hoy gny zampela mirehaky amin'ny gny teany. 7 Ambarao ahy, lahy teako,aia ro hagnomezanao hany ho an'ireo aondry voho aosinao? Aia ro hampandreanao aondry voho aosinao reo lafa atandro? Nagnino aho ro manahaky gn'olo zay mivezivezy agnilan'ny gn'aoandry voho gn'aosin'ny gny namanao? Mamaly azy gn'olo teany. 8 Laha tsy hainao, gny soa tarehy mare amin'ampela reo, la oriho gny lalany gn'aoandry voho gn'aosiko, ka fahano agnilan'ireo lain'ireo mpiarak'aondry gn'anak'aosinao. 9 Ampitoviziko amin'ny gny sovaly vaviny eo amireo sovaly mpitariky gny kalesan'i Farao iha, ry teako, 10 Mahasoa gny tarehinao gny ravaky reo, gny vozonao aminireo ravaky reo voatohy. 11 Hanaovako ravaky volamena misy kitrony volafoty iha. Gn'ampela mirehaky amin'ny gny vatany. 12 Laha mbo nandry tam-pandreany eo gny mpanjaka, la namerovero gny nardako. 13 Amiko gny malako la manahaky gny miora am-pehea zay mandany gny matognaly an-tratrako eo. 14 Amiko gny malalako la manahaky gny vogninin'ny gny kofera eo an-tanim-boalobok'i En-jedy. Gny teany mirehaky aminy. 15 Ingo, soa tarehy iha, ry teako, ingo, soa tarehy iha; manahaky gny voromailala gny masonao.Gn'ampela mirehaky amin'ny gny teany. 16 Ingo, soa tarehy iha, ry malalako, la vatany soa tarehy. Gny raha tomiry maitso mava la atao fandreantsika. 17 Gn'andrin'ny gny tragnon-tsika la sampan-kazo sedera, ka sampan-kesiky sakamandimbin'ny gny tragnon-tsika.