Toko 1

1 Tamign'andro nanampahan'ireo mpitsara la nisy gny mosary teo amin'ny gny tany , ka la nisy johary raiky bakao Bettleheman'i Joda nadeha tagny amin'ny gny tanin'i Moaba niaraky tamin'ny valiny voho ireo anany roe lahy. 2 Gnagnaran'ny johary raiky la Elimeleka, voho gnagnaran'ny gny valiny Naomy. Gnagnaran'ny anany roa lahy reo Malona voho Kilona, zay Efratita bakagny Betleheman'i Joda. Niavy tao amin'ny gny tanin'i Moaba rozy la nipetraky tao. 3 Ka ny maty i Elimeleka, valin'i Naomy, ka ie avao ro tavela niaraky tamin'ny gnanany roe lahy. 4 Reo anany roe lahy reo la nangalaky valy tamin'ireo ampelan'i Moaba; gnagnaran'ny gny raiky Orpa, ka gny raiky Rota. Nipetraky tao tagnatin'ny gny folo tao rozy. 5 Bakeo la nimaty Malona voho Kilona, nanjary tsy nanambaly voho tsy nanagnanaky i Naomy. 6 Bakeo Naomy nanapa-kevitsy gny hagnenga an'i Moaba miaraky amin'ny gny vignatony ampela ka nompoly tagny Joda fotony fa nahare ie tao amin'ny gny faritsy Moaba fa fanagnampy gn'olony zay nila fagnampea i Yaveh ka nagnomea hany androzy. 7 La nienga gny toera zay niarahany tamin'ny gny vinantony roe vavy ie, ka nandeha nijotson'ny gny lala rozy mba himpoly amin'ny gny tanin'i Joda 8 Hoy Naomy tamin'ny vonantony roe vavy reo hoe: "Mandenà, mimpoly, agny amin'ny gny tragnodraenareo, nareo kiraikiraky iaby. Yaveh anie hagnaboaky gny hasoany aminareo, manahaky gny nagnaboahanareo gny hasoam-pagnahy tamin'ny gny maty voho tamiko. 9 Gny Tompo anie hagnomea anareo ka hahitanareo fiadana, nareo kiraikiraiky bakao amin'ny gny tragnon'izay valy hafa. "ka la nagnoroky azy rozy, ro nanandratsy gny feondrozy la nitagny. 10 Hoy rozy taminy hoe: " Tsia! hiaraky himpoly aminao ho agny amin'ny gnolonao rahay." 11 Nafa Naomy nivola hoe: "Mandena mimpoly, ry anakam-pelako! Nagnino nareo ro handeha hagnoriky ahy? Mbo hana anakilahy an-troko ato va aho ho anareo, ka ho valinareo ndraiky? 12 Mimpolia, nareo ry anakam-pelaka, zoro gny lalanareo, fa faantitsy aho ndra hanambaly. Laha mivola aho hoe: " Mitamà aho fa hahazo valy androany haly, hiteraky anakilahy, 13 la mbo holigninareo va gny hahabe azy? Hahaligny tsy hanambaly va nareo henany zao? Tsia, re anakam-pelako! Mahaferignay ahy mare zay mihoatsy noho ny gnalahelonareo amin'izay, fotony gny tagnan'i Yaveh ro namango ahy." 14 Ka nandratsy gny feony vinantonireo ro nitagny ndraiky. Nagnoroky nanao veloma gny rafozany ampela Orpa, fa Rota nifikitsy aminy eo. 15 Hoy Naomy hoe: " Njanjigno, noly tagny amin'ny gnireo olony voho gny ndragnahariny gny rahavavinao. Mompolia miaraky amin'ny gny rahavavinao." 16 Nefa Rota nivola hoe: " Ka enga hagnalavitsy anao aho, fa ze andehananao, ro andehanako; ze hiegnenanao, ro hiegnenako; gnolonao la ho oloko, ka gny Ndragnaharinao la ho Ndragnahariko. 17 Zay toera hifatezanao, la hifatezako, ka agny ro handevegna ahy. Yaveh anie hagnasazy ahy, ka mihoatsy aza, laha gny fahafatesa fa tsy gny raha hafa avao ro mampisaraky antsika." 18 Lafa nihitan'i Naomy fa tapa-kevitsy ngy handeha hiarak'aminy Rota, la naegniny gnalihevitsy aminy. 19 La nandeha rozy roa mandra-pahavindrozy tao an-tanàn'i Betlehema. Zao gny nitranga lafa viavy tao Betlehema rozy, gny tantanà ao iaby la nitaitsy tamindrozy. hoy sevaky reo hoe: Naomy va toy? 20 Fe hoy tamindrozy hoe: " ka kaihy hoe Naomy aho. Atavo hoe Mara aho, fotony nampanday ahy gny mafaitsy mare gny Tsitoha. 21 Niboaky atsiky aho, fe i Yaveh nanday ahy nimpoly antagnam-polo tantragno ao. Nohon'izay nagnino nareo ro mikaiky ahy hoe Naomy, amin'ny gny fahita gny nihelofan'i Yaveh ahy, fa gny Tsitoha la nampijaly ahy?" 22 Ka Naomy voho Rota zay Moabita, vinantony ampela la nimpoly tagny amin'ny gny tanin'i Moaba. Niavy tao Betlehema rozy tamin'ny gny fanombohan'ny gny filam-bary.