Toko 1

1 Paoly,mpanompon'i Jesosy Kristy,la vaokaiky ho apostoly,sady voatoka ho mpitory gny hafatsy soa-Ndranagnahary. 2 Io gny hafatsy soa ze fa nampanantenany taloha tamin'ny alan'ireo mpanday hafatsy tamin'ny tao amin'ny Soratsy Masy. 3 Zay la momban'ny gn'Anakilahiny,ze teraky bakamin'ny havorohotan'i Davida araky gny nofo. 4 Tamin'ny fitsangana tamin'ny maty,la voambara ho azy anaky maherin-Ndranagnahary tamin'ny herin'ny Fanahin'ny fagnamasina Ie la Jesosy Kristy Tompontsika. 5 Tamin'ny alalany ro nandrambesantsika hasoava voho gny maha-apostoly amin'ny fankatoava gny finoa eo amin'ny firenena iaby,nohony gny Agnarany. 6 Amin'ireo ferenena reo,nareo avao koa la voakaiky ho gnan'i Jesosy Kristy. 7 Toy taratasy toy la ho gnan'ireo iaby ao Roma,ze tean-Ndranagnahary,ze voakaiky ho olo-masy.Ho agnaminareo lahy gny hasoava,voho gny fiandana bakamin-Ndranagnahary Babantsika voho Jesosy Kristy Tompo. 8 velohany,isaorako gny Ndranagnahariko amin'ny alalan'i Jesosy Kristy nohony agnaminareo iaby,fotony gny finoanareo la fa nambara manera gnan'izao tontolo zao. 9 Fa Ndranagnahary ro vavolombelo,ze tompoeko amin'ny fanahiko ao amin'ny hafatsisoan'ny gnanany,fa tsy miegny misafa agnaminareo Zaho. 10 Mangataky avao Zaho amin'ny vavaky ataoko gny mba hahombiazako amin'ny fomba iaby araky gny sitrapon-Ndranagnahary mba avy agnaminareo. 11 Fa zaho la magniry gny hahita gnanareo,mba hahafahako magnome fagnomezam-panahy sasantsasany ho gnanareo,mba hampahery gnanareo. 12 Zay,la magniry Zaho gny mba hifanakaherezantsika agnivontsika eto,amin'ny alalan'ny finoan'ny kiraikiraiky iaby,gnanareo voho gnahy. 13 Henanizao tsy teako nareo tsy hahay,ry rahalahy,hoe matetiky zaho ro mana fikasa hamonjy gnanareo,(fe Zaho la voasaka la traky henanizao),mba hahazoa vokatsy agnaminareo eo,manahaky gny fa nahazoako gny ambin'ireo jentilisa avao koa. 14 Zaho la mpitrosa amin'ireo Grika voho amy reo vahiny,amin'ny hedry voho gny adala. 15 Noho zay,agnamiko,la vonona avao koa zaho hitory gny hafatsisoa ho gnareo ze agny Roma. 16 Fa zaho la tsy megnatsy gny hafatsisoa,fa zay ro herin-Ndranagnahary ho famonjea reo iaby ze mino,ho gnan'ny Jiosy aloha voho gnan'ny Grika. 17 Fa amin'izay ro agnatoroa gny fahamarinan-Ndranagnahary bakamin'ny finoa ho amin'ny finoa,araky ze voasoratsy hoe:"Gny to ro ho velo amin'ny finoa." 18 Fa gny fihelofan-Ndranagnahary la natoro bakan-dagnitsy agny manohitsy gny haratiam-pagnahy voho gny tsy hamarinan'ny gn'olo,zay manaka gny fahamarina amin'ny alalan'ny tsy fahamarina. 19 Zay la fotony,ze hay mikasiky gnan-Ndranagnahary la hitan-drozy maso.Fa nihazavan-Ndranagnahary rozy. 20 Fa reo endrikiny ze tsy hita maso,ze heriny tsy misy fetra voho maha-Ndranagnaharery Azy,la hita nazava soa,namototsy tamin'ny famorogna gnan'izao tontolo zao,tamin'ireo raha ze niforogniny.Noho zay la tsy mana fialantsiny rozy. 21 Zay la fotony,ndra la fa nahay gny mikasiky gnan-Ndranagnahary aza rozy,la tsy nagnome voninahitsy amin'ny manha Ndranagnahary Azy,na koa nisaotsy Azy.Fa koa ,nanajary alada tan-tsainy tao rozy,voho nihanaiky gny fon-drozy. 22 Rozy la nivola gnan-drozy ho hendry,fe la nilasa adala. 23 gny voninahitsin-Ndranagnahary tsy mety lo la natakalon-drozy sarin'ny tarehin'olombelo mety lo,voro,biby manan-tomboky efatsy,voho reo raha mikisaky. 24 Noho zay la natolotsy Ndranagnahary ho amin'ny filan-drozy ho amin'ny halotoa rozy,mba ho afa-boninahitsy amin-drozy eo avao gny vatan-drozy. 25 Rozy ro nanakalo gny fahamarinan-Ndranaganahary tamin'ny vandy,sady ze mandrengy voho manompo gny zava-boary fa tsy Azy Nahary,ze rengea latraky farany.Amena. 26 Noho zay,natolotsy gnan'Ndranagnahary ho amin'ny filan-draty mamoafady rozy,fa gny sevakin-drozy la nanakalo gny fifandraisa voajanahary tamin'ny ze tsy voajanahary. 27 Manahaky gnanizay koa,reo johary la nagnenga gny fifandraisan-drozy voajanahary misondry amin'ny gny sevaky ka nampirehitsy gny filan'ny gny nofo ho gnan-drozy .Reo la johary ze nanao fihatsiky mahamegnatsy misondry ami-gny johary voho nandramby tamin-drozy gny sazy ze tandrify gnan-drozy nohony gny fahotan-drozy. 28 Fotony tsy nagneky gny hana gnan-Ndranagnahary amin'ny vetsivetsiny tao rozy,la nameany say raty rozy,mba hanao raha tsy mety. 29 Rozy la feno gny tsy fahamarina, haratia,fagniria,voho lolom-po iaby.Rozy la feno fialogna,famonoa,fialia,fitaky voho fagniria raty. 30 Rozy la mpitsiko,mpagnaratiraty voho mpalay gnan-Ndranagnahary.Rozy la mahery setra,miavognavo voho mibohaboha.Rozy la mpamoro raha raty sady rozy la tsy magnaja gny ray aman-dreniny. 31 Rozy la tsy mana hihitsy;rozy la tsy azo atokisa,tsy misy fitiava voajanahary ,voho tsy mandefitsy. 32 Hain-drozy gny lilin-Ndragnahary,fe reo ze manao raha manahaky gnan'izay la maeva gnazy gny faty.Fe tsy reo raha reo avao ro ataony,fa magneky gny hafa ze manao gnan'ireo koa.