Volohany

1 Sambatsy gny olo zay tsy magnaraky gny torohevitr'ireo raty fagnahy,na mitsanga ami-gny lalan'ny gny reo mpanota,na mifitaky eo amin'ireo mpikizaky. 2 Fa lalagnan'i Yaveh ro teany,voho ami-gny lalagnany ro vetsevetseny ndre maray ndre haly 3 Hanahaky gny hazo namboolea tamin'ny riakin'ny gny rano zay mamokatry reo voany amin'ny gny fotoany ,zay tsy malazo gny raviny,ze raha hataony la ho tahy. 4 Ro raty fagnahy la tsy manahaky an'izay,fa la manahaky gny fako zay andesin'ny tsioky. 5 Ka tsy hitsanga ho ami-gny fitsara reo raty fagnahy,na reo mpanota ho amin'ny fivorian'ireo marina. 6 Fa i Yaveh la magneky gny lalan'ireo mariny,fa gny lalan'ireo raty fagnahy koa la ho levogny