Toko faha 15

1 Vao maraim-be, la nivory gny mpisoronabe niaraky tamin'ireo loholona voho reo mpanora-dalagna voho gny Synedriona Jiosy raiky manontolo. Nifehen-drozy Jesosy sady nandesin-drozy niboaky Ie. 2 Nagnontany Gnazy Pilato hoe:" Iha va ro mpanjakan'ny Jiosy?" Nivaliany hoe:" Voalazananao." 3 Nanolotsy fiampanga maro manohitsy gnan'i Jesosy reo lohan'ny mpisoro. 4 Nagnontany Gnazy ndraiky Pilato:" Tsy magnome valin-teny va Iha? Jereo gny hamarony gny fiampanga andesin-drozy manohitsy Gnanao!" 5 Fa tsy namaly gnan'i Pilato sasy Jesosy, la nahatseriky gnazy io. 6 Sady tamin'ny andro firavoravoa, la namotsotsy gadra raiky ho gnan-drozy avao Pilato, gasra zay angatahin-drozy . 7 Niaraky tamin'ireo mpikomy tao am-ponja, teo amin'ireo mpamono olo zay voatanjaky nohon'ny fandraisan-drozy anjara tamin'ny fikomia, la nisy johary raiky atao hoe Barabasy. 8 La nandeha teo amin'i Pilato gny vahoaky ka nanomboky nangataky taminy mba hanao ho gnan-drozy araky gny fataony taloha tagny. 9 Pilato namaly gnan-drozy ka nanao hoe:" Tianareo va laha gny Mpanjakan'ny Jiosy ro halefako ho gnanareo?" 10 Fotony hainy fa fialogna ro nanoloron'ny lohan'ny mpisoro gnan'i Jesosy taminy. 11 Fa nanentana gny vahoaky reo lohan'ny mpisoro mba hikoraky fa tokony ho Barabasy koa ro habototsy. 12 La namaly gnan-drozy ndraiky Pilato ka nanao hoe:" Ino ary io ro tokony hataoko amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?" 13 La nikorakoraky rozy hoe " Homboy Ie!" 14 Hoy Pilato tamin-drozy hoe:" Ino ro raty nataony?" Fa nikoraky mare avao rozy hoe:" Homboy Ie." 15 Te-hanao zay mahafapo gnan-drozy Pilato, ka la nafahany ho gnan-drozy Barabasy. Nivangoa Jesosy voho bakeo natolony mba homboa. 16 Nandesin-drozy miaramila ho eo an-kianja Ie( zay ivon-toeran'ny fanjaka) , Voho nikaihin'reo iaby gny antoko miaramila maonotolo 17 Nampisikinin-drozy siky voloparasy Jesosy, ka nandrandrana fehiloha fatiky rozy ka nametraky gnan'io taminy teo. 18 La nanomboky niarahaba Gnazy rozy ka nanao hoe:" Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy." 19 Nivangoan-drozy tamin'ny volotara gny lohany sady nandora teo aminy. La nandohaliky teo agnatrehany rozy mody nandrengy Gnazy. 20 Lafa baka naneso Gnazy rzoy , la nalan-drozy taminy ndraiky gny siky volomparasy ka nampisikinin-drozy Gnazy gny fisikinany manoka, sady nandesin-drozy niboaky Ie mba hagnomboa Gnazy. 21 Niteren-drozy gny mpandalo raiky zay bakagny an-tsaha mba hilanja gny hazofijalian'i Jesosy, johary raiky atao hoe Simona Kyreniana baban'i Aleksandra voho Rofosy. 22 Nandesin'ireo miaramila tagny amin'ny toera atao hoe Gologota Jesosy( Zay midika hoe : Toeran'ny Karandoa") . 23 Namean-drozy divay nifangaro miora Ie, fa tsy nino gnan'io Ie. 24 La nihombon-drozy Ie sady nifampizaran-drozy tamin'ny alan'ny ankitsapaky gny fisikinany mba hahaiza zay ampahany raisin'ny miaramila kirakiraiky. 25 Tamin'ny fotoa fahatelo Ie ro nihombohan-drozy . 26 Sady teo amin'ny takelaky hazo raiky ro nisoratin-drozy gny fiampanga nanohitsy Gnazy hoe:" Mpanjakan'ny Jiosy." 27 Jiolahy roe ro niaraky nihomboan-drozy taminy, gny raiky teo ankavanany voho gny raiky koa teo ankaviany. 28 [ Fanamarihana: Reo fandika taloha soa mare la tsy magnisy gny Marka 15; 28 hoe:" La tanteraky gny Soratsy Masy manao hoe:" Natao ho isan'ny mpanota Ie.( Ampiatahao gny Lioka 22;35)] 29 Reo zay nandalo teo la naniratsira Gnazy , nihifikifi-doha sady nanao hoe:" Aha! Iha gny afaky mandrava gny tempoly sady magnory io ao agnatin'ny telo andro, 30 Vonjeo gny vatanao sady mizotsoa bakeo amin'io hazofijalia io!" 31 Gny lohan'ny mpisoro koa la naneso Gnazy manahaky gnan'io , niaraky tamin'ireo mpanora-dalagna, voho niresaky hoe:" Namonjy gny hafa Ie, nefa tsy mahavonjy gny vatany . 32 Ao gny Kristy, gny Mpanjakan'Israely, hizotso bakeo amin'ny hazofijalia, mba hitanay sady hinoanay ," sady reo nohomboana niaraky taminy koa la naneso Gnazy. 33 Tamin'ny fotoa faha eny, la avy teo amin'ny tany iaby gny hahiky hatramin'ny fotoa fahasivy. 34 Sady tamin'io ora fahasivy io la nikoraky tamin'ny feo mahery Jesosy hoe:" Eloy, Eloy, lama sabaktany?" zay midika hoe:" Ndranagnahary o, Ndranagnahary o, nagnino Iha ro nahafoy Gnahy?" 35 Gny sasany tamin'ireo zay nitsanga teo nahare gny saany ka niresaky hoe:" Jereo,miakiky gnan'i Elia Ie." 36 Nisy olo raiky nilailay, namonto divay marikivy gny sipaonjy, sady nandraikitsy gnan'io tamin'ny volotara, la nagnome gnan'io hinomy. Gny johary niresaky hoe: Ao ho jerinay laha ho avy ampijotso Gnazy eo Elia." 37 Bakeo Jesosy nikoraky tamin'y feo mare la maty. 38 Tataky nizara roe hatragny agnabony ka hatragny ambany gny sikin'ny tempoly. 39 Lafa hitan'ny gny kapiteny zay nitsanga voho nifagnatsiky tamin'i Jesosy fa maty tamin'io fomba io Ie, la hoy Ie hoe:" Tena Anakin-Dranagnahary marina tokoa io johary io." 40 La nisy ampela koa nijery tegny lavitsy tegny. Isan'io Maria Magdalena, Maria( renin'i Jakoba zainy voho Josesy), sady Salome 41 Tamin'Ie tagny Galilia la nagnaraky Gnazy voho nanompo Gnazy rozy. Sady ampela maro hafa koa ro niara-niakatsy taminy tany Jerosalema. 42 Ka lafa avy gny hariva, fotony Andro Fiomana , zany hoe, andro mialohan'ny Sabata io, 43 la avy teo Josefa bakagny Arimatia. Mpikambana hajaina ao amin'ny Synedriona ie, zay niandry gny fanjakan-Dranagnahary. nanam-pasahia ie nagnagny amin'i Pilato hangataky gny fatin'i Jesosy. 44 Tseriky Pilato hoe maty sahady Jesosy; la nikaihiny gny kapiteny voho nagnontany gnazy ie laha maty Jesosy. 45 Lafa nahazo antoky tamin'ny gny kapiteny ie fa maty Jesosy, la nameany gnan'i Josefa gny vata mangatsiaky. 46 Sady Josefa nivily hariry maliniky. Nampizotso gnan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana ie, la namogno hariry mailiniky Gnazy, sady nametraky Gnazy tao amin'ny fasana zay nilavahany tao amin'ny vatolampy. Bakeo nagnakodia vato teo amin'ny varavagnam-pasana ie. 47 La hitan'i Mara Magdalena voho Maria renin'i Josesy gny toera nandevegna Gnazy.