Toko faha 9

1 Tamin'ny andro fahavalo la nikahin'i Mosesy i Arona voho reo anaky lahiny sady reo loholon'Israely. 2 Nivola tamin'i Erona ie hoe: " Mangalaky anak'aomby bakamin'ny andian'aomby ho fagnatitsy nohon'ny fahota, sady anak'aondry tsy misy kilema ho fagnatitsy oroa, sady hatolory eo agnoloan'i Yaveh reo. 3 Ao iha hisafa amin'ny vahoakan'Israely ka hanao hoe: ' Mangala aosy lahy ho fagnatitsy nohon'ny ota sady anak'aomby voho anak'aondry, samy herintao sady tsy misy kilema, ho an'ny fagnatitsy oroa; 4 mangala avao koa aomby voho aondry lahy ho an'ny fagnati-pihavana mba ho soro agnatrehan'i Yaveh, sady fagnatitsy voa mifangaro amin'ny diloilo, fotony hiseho agnaminao henanio i Yaveh."' 5 Koa nanday reo iaby zay nandidian'i Mosesy ho ao amin'ny tragno-lay fihaogna rozy, sady nagnato reo fiangonan'Israely iaby sady nitsanga teo agnatrehan'i Yaveh. 6 La nisafa i Mosesy hoe: " Zao ro nandidian'i Yaveh anareo mba hatao, mba hahafahan'ny voninahiny miseho aminareo." 7 Nisafa tamin'i Arona i Mosesy hoe: " Mandehana eo agnilan'ny alitara sady atolory gny fagnatitsy nohon'ny otanao voho gny fagnatitsy oroanao, sady manaova fagnonera ho an'ny tegnanao voho ho an'ny vahoaky, sady atolory ho an'ny vahoaky mba hanaova fagnonera ho gnazy reo gny soro, araky zay nandidian'i Yaveh." 8 Ka nandeha nanariniky gny alitara i Arona sady namono gny anak'aomby ho fagnatitsy nohon'ny ota, zay ho an'ny vatany. 9 Nasehon'ireo anaky lahin'i Arona taminy ilay lio, sady nandromboky gny rantsan-tagnany tagnatin'izay ie sady nametraky izay eo agnabon'ny tandroky gny alitara; bakeo la nagnisy gny lio teo amin'ny fagnambanin'ny alitara ie. 10 Na izay aza, nagnoro gny sabora, reo voa, sady reo sarak'aty teo agnabo alitara ho fagnatitsy nohon'ny ota araky gny nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy ie. 11 Gny hena voho gny angozy la noroany teo ivelan'ny toby. 12 Nivinonon'i Arona lay fagnatitsy oroa, sady nomen'ny anany lahy gnazy gny liony, zay nahosony tegny amin'ny lafin'ny alitara iaby. 13 La nomen-drozy gnazy isaky gny ampahany gny fagnatitsy oroa, miaraky amin'ilay lohany, sady nagnoro izay teo agnabo alitara ie. 14 Nanasa reo tao agnatiny voho reo tombony ie sady noroany teo agnabon'ny fagnatitsy oroa teo amin'ny alitara reo. 15 Nanolotsy gny soron'ny vahoaky i Arona__aosy lahy raiky, sady nangalaky izay ho soro nohon'ny otan-drozy sady namono izay; nanao soro izay nohon'ny ota ie, araky zay nataony tamin'ilay aosy lahy voalohany. 16 Nampiseho gny fagnatitsy oroa voho nagnome izay araky zay nandidian'i Yaveh ie. 17 Nampiseho gny fagnatitsy voa ie; nameno gny tagnany tamin'izay ie sady nagnoro izay teo agnabo alitara, miaraky amin'ny fagnatitsy oroa maraindray. 18 Nivinonony avao koa gny aomby voho gny aosy lahy, soro ho an'ny fagnati-pilongoa, zay ho an'ny olo. Nomen'ny anaky lahin'i Arona gnazy gny liony, zay nasindraky tegny amin'ny lafin'ny alitara iaby. 19 Na izay aza, nandesin-drozy gny saboran'ilay aomby voho gny aosy lahy, gny sabora zay mandrakotsy gny tao agnatiny, reo voa, sady gny sarak'aty. 20 Nangalaky gny zara zay voarasa rozy sady nametraky izay teo agnabon'ny tratrany, sady la nagnoro gny sabora teo agnabon'ny alitara i Arona. 21 Sady Arona nagnevaheva reo tratra voho gny feny havana ho fagnatitsy ahevaheva teo agnatrehan'i Yaveh, araky gny fa nandidian'i Mosesy. 22 La nanondrotsy gny tagnany teo amin'ny vahoaky i Arona sady nitso-drano gnazy reo; la nizotso bakamin'ny fagnatera gny fagnatitsy noho gny ota ie, gny fagnatitsy oroa, sady gny fagnati-pilongoa. 23 Nilitsy tao amin'ny tragno-lay fihaogna i Mosesy voho Arona, bakeo la niboaky ndraiky rozy ka nitso-drano gny vahoaky, sady niseho tamin'ny olo iaby gny voninahitr'i Yaveh. 24 Nisy bolo niboaky bakagny amin'i Yaveh ka nandrava gny fagnatitsy oroa voho gny sabora teo agnabo alitara. Lafa nahita izay gny olo iaby, la nikoraky rozy sady nampiohoky gny vatany.