Toko faha 7

1 Zao ro lalagna amin'ny fagnatitsy nohon'ny heloky. Izay ro masy mare. 2 Ao rozy hamono gny fagnatitsy nohon'ny heloky eo amin'ny toera famonoa izay, sady ao rozy hanaparitaky gny lio isaky gny lafin'ny alitara. 3 Gny sabora iaby eo amin'izay la ho atolotsy: gny rambo vondraky, gny sabora zay magnodidy gny ao agnatiny, 4 gny voa vo gny sabora eo amin'izay, zay mariniky gny valahany, sady zay mandrakotsy gny aty, miaraky amin'ireo voa__la ao ho ala iaby izay iaby izay. 5 Ao hagnoro reo faritsy reo eo amin'ny alitara gny mpisoro mba ho fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh. Izay ro fagnatitsy nohon'ny heloky. 6 Gny jophary kiraidraiky eo amin'ny mpisoro la ao hihina gny ampahany amin'io fagnatitsy io. Ao hohany eo amin'ny fipetraha masy izay fotony masy mare. 7 Manahaky gny fagnatitsy nohon'ny heloky gny fagnatitsy nohon'ny ota. Mitovy gny lalagna mihatsa amin-drozy. Reo la an'ny mpisoro zay manao fagnonera amin-drozy. 8 Gny mpisoro zay manolotsy fagnatitsy oroan'ny olo la tokony hana gny angozin'izay soro izay ho gnazy. 9 Gny fagnatitsy voa iaby zay niketrehy tao agnaty laforo, vo gny fagnatitsy manahaky izay iaby izay nendasy tamin'ny lasitra fanendasa na niketrehy tamin'ny lasitra fiketreha la ho an'ny mpisoro zay nanolotsy izay. 10 Gny fagnatitsy voa iaby, na maiky na nafangaro tamin'ny menaky, la ho an'ny evorohotan'i Arona iaby avao koa. 11 Zao ro lalagna amin'ny soron'ny fagnati-pilingoa zay ho hatolotsy gny olo ho gnan'i Iaveh. 12 Laha misy magnatitsy izay mba ho fanomezam-pisaora, la ao ie hanolotsy zay miaraky amin'ny soron'ny mofo tsy misy lalivay nefa nafangaro tamin'ny menaky, gny mofo tsy misy lalivay, nefa mihosotsy menaky, sady gny natao tamin'ny koba soa lisa zay niharoa tamin'ny menaky. 13 Ao agnatin'ny tanjon'ny fanomezam-pisaora avao koa, la ao ie hanolotsy ampempa-mofo nasia lalivay miaraky amin'ny fanati-pilongoa. 14 Ao ie hanolotsy karazany raiky bakan'ireo ho fagnatitsy haseho eo amin'ireo soro reo ho fanatitsy haseho eo amin'i Yaveh. Ho an'ny mpisoro zay nanapariky gny lion'ny fanati-pilongoa teo amin'ny alitara izay. 15 Ao lay olo zay maneho gny fanati-pilongoa mba ho fanomezam-pisaora hihinana gny henan'ny fagnatiny amin'ny andron'ny soro. Ao tsy hamela sisa amin'izay zisiky mahamaraindray gn'andro ie. 16 Fa laha ho amin'ny voaly gny soron'ny fagnatiny , na ho amin'ny fagnatitsy an-tsitrapo, la ao hohany amin'ny amin'ny andro zay hanaterany gny sorony gny hena, fa na ino na ino mety ho sisa amin'izay la azo hany gny hamaray igny. 17 Na izay aza, na ino na ino henan'ny soro tavela amin'ny andro fahatelo la ao ho oroa. 18 Laha misy henan'ny soro amin'izay fagnati-pilongoa nohany amin'ny andro fahatelo, la tsy ho eke izay, na ho tanan'izay nanolotsy izay. Ho raha maharikoriko izay, sady gny olo zay mihina izay la handay gny heloky gny otany. 19 Izay hena mikasiky raha maloto la ao tsy hohany. Ao ho oroa izay. Gny amin'ny sisan'ny hena, la azon'ireo olo malio hoany izay. 20 Na izay aza nefa, zay olo maloto mihina hena bakamin'ny soron'ny fanati-pilongoa zay gnan'i Yaveh__la ao izay olo izay ho ala eo amin'ny vahoakiny. 21 Laha misy olo mikasiky raha maloto__na fahalotoan'olo, na biby maloto, na raha maloto vo maharikoriko hafa, sady laha mihina tamin'ilay soron'ny fanati-pilongoa zay gnan'i Yaveh ie bakeo, la ao izay olo izay ho ala eo amin'ny vahoakany." 22 Sady nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 23 " Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely sady volagno hoe: ' Ao nareo tsy hihina gny saboran'ny aomby na aondry na aosy. 24 Gny saboran'ny biby zay maty tsy tamin-tsoro, na gny saboran'ny biby noviravirain'ny bibidia, la azo ampiasa amin'ny raha hafa, ao nareo tsy hihina izay mihitsy. 25 Na ia na ia olo mihina gny saboran'ny biby zay mety ataon'ny olo ho soro natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh, la ao ho ala amin'ny vahoakany izay olo izay. 26 Ao nareo tsy hihina lio na bakamin'ino na bakamin'ino ao an-tragnonareo, na bakamin'ny voro izay na biby. 27 Na ia na ia mihina lio, la ao ho ala eo amin'ny vahoakany izay olo izay."' 28 Koa nivoka tamin'i Mosesy i Yaveh sady nivola hoe: 29 " Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely sady volagno hoe: ' Ao handay anjara soro ho gnan'i Yaveh zay magnatitsy gny fagnatitsy gny sorom-pilongoa ho gnan'i Yaveh. 30 Gny fagnatitsy ho gnan'i Yaveh zay hatao amin'ny bolo, la ao gny vatany avao ro handay izay. Ao ie handay gny sabora miaraky amin'ny tratra, ka ao hahevaheva ho fagnatitsy ahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh izay. 31 Ao gny mpisoro hagnoro gny sabora eo amin'ny alitara, fa gny tratrany la gnan'i Arona vo reo avorohotany. 32 Ao hameanareo gny mpisoro gny feny havana ho fagnatitsy aseho ao amin'ny soron'ny fanati-pilongoanareo. 33 Gny mpisoro, raiky amin'ireo avorohotan'i Arona, zay manolotsy gny lion'ny fagnati-pilongoa voho gny sabora__la hahazo gny feny havana ie ho toy gny anjarany amin'ny fagnatitsy. 34 Fa nalako tamin'ny vahoakan'Israely, gny tratran'ny fagnatitsy ahevaheva, voho gny feny zay fandraisa anjara, sady reo la nomea gnan'i Arona mpisoro voho reo anany lahy ho anjara mahazatsy ho gnan-drozy. 35 Zay ro anjara ho gnan'i Arona voho gny avorohotany bakamin'ny fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh, tamin'ny andro zay nanoloran'i Mosesy gnan-drozy mba hanompo gnan'i Yaveh amin'ny asa maha mpisoro. 36 Izay ro anjara zay nandidian'i Yaveh homea gnan-drozy bakamin'ny vahoakan'Israely, tamin'ny andro nanosorany gny mpisoro. Izay hatrany ro ho anjaran-drozy hatramin'ny avorohota fara-mandimby. 37 Izay ro lalagna amin'ny fagnatitsy oroa, amin'ny fagnatitsy voa, amin'ny fagnatitsy nohon'ny ota, amin'ny fagnatitsy nohon'ny heloky, gny fanati-panokana, voho gny soron'ny fanati-pilongoa, 38 zay fa nanomezan'i Yaveh lily gnan'i Mosesy teo an-tendrombohitsy Sinay tamin'ny andro zay nandidiany gny vahoakan'Israely mba hanolotsy gny soron-drozy ho gnan'i Yaveh tany an-tany efitri' Sinay."'